|
pasitera
|
|
....ary raha hitan'i Jesosy fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Jesosy taminy : Tsy lavitra ny fanjakan'Andriamanitra hianao . Marka 12: 34
Tamin'ny farany teo dia ny nanomana ny diany hiakatra any Jerosalemna Jesosy. Ary amin'izao toko sy andininy izao dia efa tafakatra any Jerosalema izy
Ny manodidina ny tantara
Ny toko faha 11 dia mitantara izany. Teny famakintsika isaky ny Alahadin'ny sampan-drofia. Fantantsika izany hoe Hosana izany.
Namelatra ny lambany handehanan'i Jesosy mitaingina zana-boriky ny olona. Nony ampitson'iny dia tany Betania Izy ary tao no nanozoany an'ilay aviavy izay toa ahitana voany kanefa nony tonga teo Izy dia tsy nahita na inona na inona. Ny olana taminy dia izy toa ahitana voa izany hoe mandravina. Ary dia io no iankinan'ny zava-miseho rehetra. Diso fanantenana ny Tompo ka dia nanozoana an'ilay aviavy ka hoy Izy : aza misy mihinana voa avy aminao intsony mandrakizay. Ny Tompo miresaka amin'ny hazo. Soa ihany fa tsy nisy namaly ilay hazo fa ny tohiny dia ny nampahafaingana ny fahafatesan'ilay hazo.
Ny azo sintonina dia mety mahazo antsika koa ny fahitana olona toa kristiana, asa mety amin'ny fiteniny, amin'ny fitondran-tenany, amin'ny fiankanjony sns... kanjo rehefa tomorina akaiky ka antenanina ny vokatry ny fibebahana dia tsy misy akory. Ny kristiana dia tokony hamoa na amin&rsquony fotoanany na tsy amin'ny fotoanany. Koa aoka isika ho vonona fa tsy fantatra izay andro mety hihavian&rsquony Tompo eny amin'ny rahon'ny lanitra na koa ny fiantsoana antsika. Inona no mety hiandry antsika ? ny fanozoanana toy izao nahazo an'ity hazo ity.
> Mampiseho koa izao fa ny Tompo dia manam-pahefana amin'ny zava-boahary : hazo, ranomasina sns...satria Andriamanitra Izy.
> Mbola mitohy ny tantara ka lasa tany Jerosalema Jesosy sy ny mpianany ary dia niditra tao amin'ny kianjan'ny tempoly Izy : teo Izy no nampiseho koa fahefana hafa karazana dia ny amin'ony fanapahana teo amin'ny tempoly.:
> * Nandroaka an'ireto mpividy sy mpivarotra voromailala
> * Nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola
> * Tsy nisy navelany hisy olona hitondra fanaka handeha hamaky ny kianjan'ny tempoly
> Hoy Izy rehefa nampianatra : ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra (Isa 56.7) fa hianareo kosa efa nanao azy ho zohy fieren'ny jiolahy (Jer 7 : 11)
> Tsara ho marihina ny hoe trano fivavahana ho an'ny olona rehetra. Hay ve ity tempoly ity tsy ho an'ny jiosy irery ihany fa ho an'ny olona rehetra koa ! Misokatra ho antsika jentilisa ny lalana izay sokafan'ny Tompo.
> Tsy tantin'ireto mpisorona sy mpanora-dalana izany tenin'i Jesosy izany satria: raha ny voalaza ao amin'ny Isaia 56 dia Jehovah Andriamanitra no miteny koa raha maka izany teny izany Jesosy dia mitovy amin'Andriamanitra Izy izany hoe Andriamanitra.
> Vokatr'izany dia te-hamono Azy izy ireo. Eto no manomboka ny saina te-hamono.
> Reformasiona
> Izao hitantsika ataon'i Jesosy izao dia tena fanovan-javatra (reformasiona) lehibe teo amin'ny jiosy satria :
> * Jesosy mana-pahefana eo amin'ny zava-boahary
> * Jesosy manam-pahefana eo amin'ny fitondrana ny tempoly
> Eto amin'ity farany ity no asiantsika resaka fohy. Tena fitenenan-dratsy teo amin&rsquony jiosy ny filazan'i Jesosy ny tenany ho Andriamanitra. Kanefa dia izany tokoa izy. Jesosy mamerina ny fivavahana jiosy amin'izay tokony ho izy. Ny Tranoko dia ny tempoly izany dia tsy zohy- fieren'ny jiolahy fa natao ho trano fifahanan'ny firenena rehetra.
> Tsy dia lavitr'izany koa izay nankalazaintsika tamin'ny alahady farany teo dia ny 29 oktobra 2006.
> Toy izao ny tantara mba hampahazava azy: Tamin'ny taona 1517 any ho any nisy Pape iray tany Roma dia i Leon X izany izay tovolahy be hambom-po ka mba te-hanana fiangonana lehibe iray antonona ny hambopony. Koa izany no nitadiavany vola ahazoany manangana an'ilay Basilique St Pierre izay fantantsika amin'izao fotoana izao . Tao anatin'izany fitadiavam-bola izany ny
* Famoronana toerana cardinaux 30 indray maka (13 jona 1517). Izay be vola dia lasa cardinal noho izany. Araky ny lovan-tsofina, ilay sarin'anjely teo amin'ny tilikambon'ny château iray atao hoe St Ange dia niogana, toy izany koa ilay fanalahidy teo amin'ny sarivongan'i Md Piera (araky ny fitanaran'i Luther azy ao amin'ny Mémoire izay nosoratany)
> * Fampianarana tao anatin'ny toriteny izay nataony fa raha meloka ianao dia ho afaka izany , na ny lakroa mena izay napetrany tany amin'ny fiangonana dia manakery toy ny hazofijalian'i Jesosy Kristy, ary sns..fivarotana ny atao hoe famotsoran-keloka na indulgence.
> Ho setrin'izany, nisy mpampianatra iray izay mpivavaka moine Lotera no anarany izay. Nanao izay ho afany tokoa izy tamin'ny filazana teo amin'ireo mpitondra na ara-mpivavahana izany na ireo tompomenakely ny tsy fetezan'izao fampianaran'ny Papa Léon X izao ka ivarotany ny famotsoran-keloka ohatra. Tsy nisy valiny ireo taratasin'i Lotera tamin'ireo mpitondra ireo hany ka ny 31 oktobra 1517 tokoa mantsy tany Allemagne no nisian'ny fihetsika toy izay nataon'i Jesosy teo ankianjan'ny tempoly . Nametaka teo amin'ny varavanan'ny trano fiangonana ireo tsanga-kevitra manohitra izao zavatra ataon'ny Papa izao.Teo no nanomboka ny fihetsika ampahabemaso manambara ny fanitsiana fivavahana tany Allemagne izay fantatsika fa niely era'ny Eraopa : France, Suisse, Angleterre sns...
> Koa ny hevitra iraisan'ireto fivavahana ireto dia ny hoe arak'izay voalazan'ny Soratra Masina irery ihany dia ny finoana araky ny fahasoavan'Andriamanitra irery ihany no ahazoana famonjena.
Ary dia io no mbola tazomintsika Protestanta hatramin'izao. Betsaka no fomba ilazana azy io. Fa ny tsara ho tazomina dia izao : tsy misy fomba hafa ahazoana famonjena afa-tsy amin'ny alalan'ny Jesosy irery ihany izay voalazan'ny Tenin'Andriamanitra. Tsy vidiana io fa fahasoavana izany hoe maimaim-poana. Tsy misy echange tahaka ny tamin'ny tempoly tamin'ny andron'i Jesosy. Izany no tantaran'ny reformasiona fa hiverina amin'ny filazantsara nosoratan'i Marka isika.
> Jesosy sy ireo mpametraka fanotaniana
> Volazan-tsika teo fa te-hamono an'i Jesosy ireto Mpisorona sy ny mpanora-dalàna. Ny mpisorona moa dia mampiseho an'ireto mpitondra fivavahana tamin'ny andron'i Jesosy ary ireto mpanora-dalàna indray dia ny manam-pahaizana. Satria tsy vitan&rsquony hoe mpanoratra ny lalàna izy ireto fa tena mahay lalana koa.
> Mba hahazoana mamono an'i Jesosy Kristy dia natao izay ahitanaantony amonoana azy. Noho izany dia nalefa teo aminy daholo izay azo nalefa : Fariseo, sadoseo, mpanora-dalàna sns miaraka amin'ny karazam-panotanina feno fitaka arak'izay takatry ny sain'olombelona. Voavalin'i Jesosy daholo izy ireo ary izay mandalo dia tsy sahy miverina intsony.
> Tao antin'izany ity mpanora-dalàna iray ity izay naotany momba ny lalàna izay fototry ny sany ka izay lehibe amn'ireo no nanotaniany . Hoy Jesosy :Mihainoa ry Isiraely..Jehovah Andriamanitra dia iray ihany;
> * koa tiava an'i Jehovah.Andriamanitra amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra ....
> * ary ny faharoa dia tiava ny namanao tahaka ny tenanao..
> Izao no azo lazaina fa fanotaniana farany napetrak'olona tamin'i Jesosy fa hatreto dia izy indray no mametraka
> Ny tsikaritr'i Jesosy amin'ity mpanora-dalàna ity dia ny fahaizany ny lalàna satria namaly tamim-pahendrena izy. Mahalasa fisainana ny tenin'i Jesosy ho an'ity mpanora-dalàna ity : tsy lavitry ny fanjakan'Andriamanitra ianao. Tsarovy ny teny izay nataon'i Jesosy ho an'ireto ankizy : Fa an'ny toa azy ny fanjakan'Andriamanitra.
> Azo lazaina fa tsy mbola tafiditra koa amin'izany fanjakan'Andriamanitra izany ity mpanora-dalàna ity raha tsy izany dia ho nolazain'i Jesosy mazava fa an'ny toa anao ny fanjakany.
> Miresaka mivantana koa ho antsika izao tenin'i Jesosy izao. Fa ny fahalalana ny Tenin'Andriamanitra amim-pahendrena dia tsy ampy fa ny fiainana azy no tena tadiavin'ny Tompo dia ny fitiavana Azy amin'ny Fo sy ny Saina ary ny Fanahy.
> Raha ianao no mba anontanian'ny Tompo dia mba inona no avalinao ? Tena tia Azy va ianao ?
> Izany no Teny apetraky ny Tompo anao, antsika eto Dijon na ianao izay mamaky ity hafatra ity dia ny ho Tia Azy voalohany indrindra ary koa ny ho tian ny namantsika. Betsaka izay efa nandalo teto izay . Aiza daholo izy ireo izao ?
> Mila asa avy amiko sy aminao. Manana holazaina amin'izy ireo ve isika ?
> Ny faniriana raha hiteny aminao na amiko ny Tompo dia ny mba tsy hilaza hoe : Tsy lavitry ny fanjakan'Andriamanitra ianao fa mba hilazany hoe " Fa an'ny toa anao ny fanjakan'Andriamanitra"
> FPMA DIJON
> 5 novambra 2006 |