A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga052.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Toriteny arrow Salama tompoko
Salama tompoko Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   
«Miezaha mitady fihavanana amin’ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo.» Hebreo 12, 14
Amin'ity taona ity ny FPMA dia hanao ny synaodany lehibe izay hatao any amin'ny FPMA Orléans (45). Koa ho fanomanana izany no nakan'ny Faritany FPMA Avaratra Antsinana ny teny fanevan'ny synaoda ho azy. Koa izany no nahatonga an'izao toriteny izao. (Ny TT dia ny Testamenta Taloha ary ny TV dia ny Testamenta vaovao) Famaritana
Salama tompoko,
Teny izay fantatsika ary iainantsika azany.. Mitovy fototra amin’io salama io ity fihavanana resahina eto ity. Noho izany dia tena fantatry ny malagasy tokoa ary tena ifatorany satria tsy atakalony vola izany. Teo amin’ny fiaraha-monina dia io no aro-penitra ny amin’izay azo haverina fa mety ihavian’ny fifanolanana rehetra. Resahina eto ny hoe mitadiava fihavanana, azo adika koa hoe tohizo mandrakariva ny ihavanana amin’ny olona rehetra.. Hany ka na dia alohan’ny hanafihany toerana iray aza ny Zanak'Isiraely dia teran’Andriamanitra hihavana amin’ilay firenena aza (Deo 20:16). Ny Tenin’Andriamanitra indray indrindra fa ny TV dia milaza fa Jesosy dia sady mpampihavana no fihavanana.
Ny hoe fahamasinana indray dia ilazana raha ny teo amin’ireto Hebreo ireto no resahina dia ny fanarahana izay reheta nosoratan’I Mosesy dia ny fampianarana sy ny lalàna izany/. Marihina fa toetran’Andriamanitra ny masina. Aoka ho masina ianreo satria masina aho Jehovah Andriamanitrareo.. Raha ny TV indray dia ny fahamasinana anaty no resahina na fahamasinana ara-panahy. Matetika izany mifandray amin’ny fanamarinana sy ny fahamarinana. Jesosy no manarina antsika Koalazaina eto fa raha tsy manana an’izany fahamasinana izany dia tsy hahita ny Tompo
Miezaha
Hoy ny teny azontsika anio :
* Tadiavo na tohizo ny fihavanana (Paix) fihavanana amin’ny olona rehetra Ny kristiana dia tsy mitoka-monina fa tokoiny hifandray amin’ny olona rehetra. Ny hoe fiangonana anie dia ireo izay vita fihavanana amin’Andriamanitra tamin’ny alalan’I Jesosy Kristy. Ireo olona ireo no alefany koa ho vavolombelony hambara ny fihavanana dia Kristy izany.
* Miezaha mitady fahamasinana (sactification) Tokony tsy hisaraka amin’ny fiainanan’ny kristiana ny fahamasinana satria masina ny Andriamanitra Izay arahiny. Ny hoe masina dia azo lazaina koa hoe : manokan-tena ho an’Andriamanitra ka ny Fanahy Masina no mitarika azy amin’izay rehetra ataony . Avy amin’ny ny Fanahy Masina ireo fanomezam-pahasoavana marobe iainany ka iasany ao antin’ny fiangonana hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra.
* Tsy hahita ny Tompo Io no tanjona amin’ny fiainana kristiana. Ahoana tokoa moa no hahitanao ny atao hoe masina raha tsy masina ianao arak’izay efa hitantsika tamin’ny fanombohana teo. Aoka ho masina isika satria masina ilay Andriamanitsika. Tsy afaka ny hahita azy isika raha tsy masika . Ahoana no atao mba ho masina ? Miaiky ny fahotana ary dia mivalo fa tsy hamerina izany intsony (io no atao hoe mibebaka). Ka raha nadeha mianavaratra dia miverina mianatsimo eo amin’ny lalam-piainana izzay narahina ary dia tsy miverin-dalàana intsony. Raha mbola tsy nanandrana an’izany ianao ,dia andramo ka izahao fa tsara Jehovah . Tena hahita Azy tokoa ianao.
Fampiaharana
Fotoanan’ny zaikabe sy ny synaoda izao. Ny Zaikaba moa dia fivoriamben’ny kristiana iray Faritany ary ny syanaoda indray dia fihaoana an-tampony ataon’ireo mpitandrina sy ny mpiandraikitra (diakona sns..) eto amin’ny faritanintsika.
* Izao no atao dia ny mba hisian’ny fifamangiana ary izay mahavangivangy tia havana hoty ny tenintsika malagasy. Tokony hotazonina ny fifamangiana ataon’ny Tafo isan’isany mba ahazoana mifankafantatra, manamafy ny fihavanana eo amintsika. Eo ireo Tafo, sampana sns.. Miteraka fifankatiavana ny fifandraisana sy ny fifamangiana. Io fifankatiavana io no mapiseho fa tena mpianatry ny Tompo tokoa isika. Fijoroana vavolombelona izany
* Tsy isika ihany no asaina hifandray fa ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra koa dia tokony ho hatsaraina isan’andro fa tsy isaky ny alahady ihany. Azo atao ny mivavaka irery ary tsy alohan’ny sakafo ihany ny alohan’ny hatory fa tena fiarah-mivavaka isan-tokantrano. Efa nomena antsika ireo teny ho vakiana izay iarahantsika amin’ireo tompontany dia ny FPF izany. Aza atao ho haingon’ny baiboly na ny fihirana izy ireny fa ataovy izay hampiasana azy. Mila ezaka io ka izay mba efa lasa lavitra aoka hampianatra ny hafa. Ny Fanahy Masina dia te-hiara-miasa aminao. Te-hanome anao ny fanomezam-pahasoavana Izy.
* Hahita an’Andriamanitra Tena azo tsapain-tanana io fa tsy mba resa-be akory. Tsy iandrasana amin’ny faran’ny zaikabe akory .Tombony ho anao ny tonga eto handre izao teny izao. Tia anao ny Tompo. Te-hahita anano koa izy; Betsaka ireo rahalahy, anabavy izay efa nanao dingana momba izany. Tsy mandeha ho azy io fa tena ianao no manao ny fanampahan-kevitra irery.
Ny Antenaina dia iska rehetra izao no hzahita an’Andriananitra Ry rahalahy sy anabavy izay tonga eto. Fotoana mety izao ny hitadiavantsika fihavanana amin’ny olona rehetra. Matoa ianao tonga eto dia tsy kisendrasendra fa tena lahatr’Andriamanitra. Hitantsika teo fa miara-miasa Jesosy Kristy izay fiahavanantsika ary koa ny Fanahy Masina izay manamasiana antsika mba hahitantsika ny Ray. Koa dia aza misalasala ary. Ny irariana dia ny hiezaha mitady fihavanana amin’ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo
Amen

Toriteny fanompoam-pivavahana fanokafana Zaikabe sy syanoda
FPMA FARITANY AVARATRA ATSINANANA
STRASBOURG 28 oktobra 2006
 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack