A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga011.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Toriteny arrow Lehibe, Ambony,Voalohany?
Lehibe, Ambony,Voalohany? Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   
 Ary na iza na iza no te-ho ambony eo aminareo, dia ho mpanompon’izy rehetra, fa ny Zanak’olona tsy mba tonga ho tompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro
.Marka 10 44,45
Isaorana ny Tompo nohon’ny nahavitan’ny fotoana omaly (21 oktobra) izay nentintsika nankalaza an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny hira ary nanomezanay antsika koa ny sakafo maro isan-karazany (nisy dîner-concert izay natao teto Dijon izay nandraisan'i Mireille anjara).

Anio isika dia mbola omen’ny Tompo sakafo hafa karazana satria sakafo tena mahavelona izay tsy iverenana in-droa fa tokana ihany : hoy tokoa mantsy ny tompo : Izano no mofon’aina.... Koa ny teny izay anjarantsika amin’ity anio ity dia ny Mar 10 35 – 45 indrindra fa ny 44 ary ny 45.


Fa alohan’izao teny izao dia tsara ny mamaritra ny toerana misy an’izao tantara izao : Jesosy eo am- piankarana ho any Jerosalema and 32. Ary eto Izy dia nandeha eo alohany , dia gaga ny mpianany; ary izay nanaraka azy dia natahotra. Raha jerena izany dia toa tsy mampiraika tokoa satria fomban’ny mpandeha tongotra rehefa tery ny lalana no misy lasa aloha . Eto anefa dia voalaza fa gaga ny mpianatra noho izany. Inona no antony ? Manarak’izany, Jesosy dia milaza ny hiaretany na izay hanjo azy rehefa tonga any Jerosalema. Filazana fahatelo izao, efa an-tomotra tokoa ny fotoana anolorana azy, ny ahafatesany ary ny hitsanganany indray rehefa afaka hateloana. Jesosy mahafantatra izay miandry ary hanjo Azy. Izao fihetsik’i Jesosy izao dia mampahatsiaro antsika ny maha Mpiandry ondry Azy :

- mandeha alohan’ny ondry
- miatrika ireo fahavalo mety hisedra eny hatramin’izay mafy indrindra aza
Ary io mafy indrindra io no iantsoan’i Jesosy ny mpianay eto izay miteraka fizarana ny vokatr’izany.
- Ao ny mandray azy hoy ny voninahitra azo raisina toy ny eto an-tany ka iray en ankavia ary ny iray eo ankavanana toy ireto zanak’i Zebedio dia Jakoba sy Jaona izany
- Ao ny tezitra noho izany dia ireto 10 lahy ambiny. Samy tsy mahafantatra izay hataony izy ireto eny fa na dia i Petera izay nilaza aza fa efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Azy (and 28).
Azo sintonina amin’izao toe-javatra izao dia ny :
- tsy fahafantarantsika izay angatahintsika amin’Andriamanitra. Betsaka ny manao diso fangataka ka tsy mahazo valiny, ao ny mangaztaka kanefa be famaritra ka rehefa mivaly tsy fantatra izay valiny mazava
- tsy fahatsiarovantsika ireo tenin’andriamanitra izay nampianarina antsika. Eto Jesosy dia mampiharihary fa izy no mpiandry ondry ary noho izany dia mpitarika izy. Vonona ny hisetra ny mafy
Lazainy eto koa fa hafa ny fifandraisana eo amin’ny samy mpianatra eo amin'ny lafiny fanompoana :
- ka izay te-ho lehibe aminareo aminareo dia ho mpanompo anareo. Izany teny hoe mpanompo izany no nihavian’ny teny hoe diakona eto amin’ny fiangonantsika. Koa ny diakona dia tsy mba mpanapaka ka mampanompo na koa mifehy ny sisa fa ny diakona dia manompo ny sisa rehetra. Indrindra fa miova tanteraka ny fijerena azy satria iray ny Tompo dia Jesosy Kristy. Mitovy lenta avokoa ny rehetra. Nanome ohatra moba izany ny Tompo tamin’ny alalan’ny fanasana ny tongotr’ireo mpianany. Tsy mpifehy ny mpanompo fa izy no kely indrindra eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Izay efa hitantsika tamin’ny farany teo.
- fa raha te-ho ambony na voalohany eo aminareo dia ho mpanompon’izy rehetra. Eto indray ny teny hoe mpanompo dia andevo no dikany. Very hasina ny andevo, olona novidina. Tsy fantatsika ankehitriny intsony izany saria ef anisy lalana namoana izany andevo izany. Kanefa kosa tsy azo idifiana fa misy ny fanandevoana amin’ny fomba hafa. Ireo izay manaraka an’i Satana no andevon’ny satana.

Tsy mba manandevo ny Tompo fa manome ohatra na manoro lalana ho ani’izay manaraka azy. Lazainy fa izy dia tsy mba tonga mba hotompoina fa mba hanompo. Lazainy eto fa izay manaraka azy dia afaka
- misotro amin’ny kapoaka izay isotroany
- na atao batisa amin’izay anaovana azy batisa
Lazainy eto mazava ny mahazava-dehibe ireo izay lazaintsika fa sakramenta dia ny ny batisa sy ny fandraisana ny fanasan‘ny Tompo. Ao amin’izany fanompoana izany ny fanolorana ny aina ho avotra hisolo ny maro. Jesosy Mpanavotra. Raha isika tokoa mantsy no tokony ho faty dia izy no nisoloantsika. Izany no maha avotra Azy
Mba efa nahatsiaro an’izany ve ianao teo amin’ny fiainanao ? Ianao no tokony ho faty nohon’ny fahotanao, dia Jesosy no nisolo ahy ianao, mba hanavotany ahy sy ianao ? Izany no vaovao lehibe ry havana

Andeha isika hiditra amin'ny zava-misy : inona no mety ho ifandraisan’izao teny izao amin’ny vokatra na ny fampisehoana izay nataontsika omaly?
Ny mpanaraka an’i Jesosy, arak’izay voala teo dia mpanompo na diakona. Dia voafaritra amin’ny mapanao asa soa moaizy amin’izao fotoana izao. Taloha ny diakonia sy ny fiangonana dia tsy misaraka toy izao ahitantsika azy aty Frantsa ankehitriny. Mialoha izao tantara izao dia mahita isika eo amin’ny and 17 : resaka nataon’i Jesosy tamin’ilay tovolahy mpanakarena te-hanaraka Azy. Hoy Jesosy taminy, rehefa te hanamarin-tena izy : diso zavatra iray loha ianao, andeha amidio ny fanananao ka omeony malahely ary avia hanaraka Ahy. Ny Mpanaraka ny Tompo dia tsy ho olona tsy tia harena akory fa manao ny fanolorantena ho ambony indrindra. Vao avy nanao concert isika omaly, nitady vola izay antenaiko fa nandaniana harena. Nanao fanomezana isika ho an’ny asan’Andriamanitra. Izany vola izany dia natao mba hanmpandrodoana ny asan’Andriamanitra. Fa nahoana moa no nanao concert fa tsy natolotra avy hatrany ny vola ?
Efa nanolotra ny fontsika ho an'i Jesosy Kristy isika ka tokony hatoky Azy. Betsaka ireo tarehi-marika azo omena avy ao amin’ny baiboly ohatra ny
* Fahafolon-karena izay fanaon’ny fiangonana sasany
* Ny andro 6 izay natao hiasana ka ny fahafito dia atokana ho an’Andriamanitra
* Fanoloran-tena manontolo ka izay ahy rehetra dia an’Andriamanitra fa izaho dia mpitantana ihany
Betsaka izay azo lazaina fa ny iriana dia ny mba ahafantaranao tsara izay ataonao sy anarahanao ny Tompo. Tsy misaraka ny diakonia sy ny litorjia (fanompoam-pivavahana) satria fijoroana vavolombelona izany. Enga anie izay teny no zaraina omaly na izay fijoroana vavolombelona nataontsika miaraka mba handresy lahatra ho an’ireo izay nasaintsika ka ahafantarany tokoa fa nohon’ny amin’i Jesosy sy ny famponjeny no anton’ireny asa ireny Ary izay lanintsikaanie dia honeran’Andriamanitra.
Farany raha manana 100 € ianao ohatra ka ataonao petrabola
* any an-danitra 100 fois izany dia manome 10 000 €
* any amin’ny banky 0,06 fois, manome 6€

Eritrereto tsara, anao no misafidy. Tia anao Jesosy Tompo mba hananao fiainana be dia be.

FPMA DIJON 22 oktobra 2006
Toriteny
 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack