A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga059.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Vehivavy arrow Sampana Vehivavy Kristiana
Sampana Vehivavy Kristiana Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   
SVK : Sampana Vehivavy Kristiana
 Fivoriamben'ny VEHIVAVY KRISTIANA NATAO TANY TOULOUSE NY 16 SEPTEMBRA 2006
(tsy tatitra feno ity fa nafohezina nohon'ny toerana izay voafetra)

« Koa raha misy famporisihana ao amin’i Kristy, raha misy fampiononana avy amin’ny fitiavana, raha misy firaisana amin’ny fanahy, raha misy famindrampo sy fiantrana, dia tanteraho ny fifaliako, mba iraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra » (Filipiana 2 : 1-2)

Fivoriana niantsoan’ny birao tetezamita SVK Nasionaly ny filohan’ny SVK amin’ny tafo FPMA tsirairay hoan’ny ireo izay manana izany sy ny solotena ho an’ireo tafo izay tsy mbola manana SVK nefa maniry ny hanangana izany. Izany fivoriana izany dia nangatahin’io birao tetezamita io tamin’ny birao foibe mba ahazoany mifidy ny birao SVK nasionaly vaovao, fangatahana izay neken’ny birao foibe.

Fivoriana izay notarihin’ny filoha lefitra ( Birao tetezamita) Ramatoa RAZAFIMAHANDRY R . Verohanitra natrehin’ny solotenan’ny Birao Foibe Andriamatoa RAMIALISON François sy ny Mpanelanelana ( interface) Ramatoa ANDRIANONY Olitiana.
Natomboka tamin’ny fotoampivavahana fohy ny fotoana . Izay notarihin’i Pasteur RAHARIJAONA Marie-Angèle. Ny Teny tao amin’ny Ohabolana 31 :10-31 sy Jaona 15 : 1- 10 no nalainy ho fampaherezana ho an’ny tsirairay.

IREO TONGA NANATRIKA

FARITANY AVARATRA ATSINANANA
Suzie SENEZ Strasbourg
Ravelojaona Françoise Strasbourg
Mbolatiana Rasamisoa Filoha SVK Dijon + procuration Tafo Nancy

FARITANY AFOVOANY ANDREFANA
Randrianarisoa Saholy : solontena Paris
Andrianasolomanana Hanitra : solontena Rennes
Raharijaona Marie-Angèle : Solontena Nantes

FARITANY AVARATRA ANDREFANA
Andriatsifa Perline : Rouen solontena
Bako razafindramboa : Filoha SVK Lille

FARITANY AFOVOANY ATSINANANA
Nivo Rajaofera : filoha SVK Cergy
Marie Rasamoely : filoha SVK Gds Champs
Raharijaona Annie ; filoha SVK St Simon
Rasolondralavidrazana Geneviève : filoha SVK Ivry
Ramanantsoa Sylvie : filoha SVK Melun
Andriamampionona Georgette : filoha SVK Orléans

FARITANY ATSIMO ATSINANANA
Razafinmandimby Monique : Filoha SVK Grenoble
Rafanoharana simone : Filoha SVK Aix-Marseille
Rajaofetra Josiane : Filoha SVK Lyon

FARITANY ATSIMO ANDREFANA
Rachel Randrianjatovo : Filoha SVK Toulouse
Razafitsalama Fanja : solontena Montpellier
Randria Noro ; solontena Clermont
Claudine Ralazamahaleo : solontena Bordeaux

Ny BIRAO VAOVAO
Filoha : Nirina Rakotoarisoa
Filoha Mpanampy : Raharijaona Annie
Mpitantsoratra : Josiane Rajaofetra
Mpitam-bola : Zoly Razafindraleva
Mpitantsoratra-vola : Mbolatiana Rasamisoa
Mpanolo-tsaina : Bako Razafindramboa sy Rachel Randrianjatovo

SORITR’ ASA :

Taona 2007
Fiaraha-mandinika ny soratra masina
Zaikabe nasionaly SVK FPMA ( iaraha’ny SVK tafo rehetra miaraka amin’ny mpikambana rehetra ao aminy sy ny fianakaviany)
Formation des responsables fiofanana hataon’ny tompon’andraikitra SVK rehetra.
Ireo izay voafidy hitondra ao amin’ny birao nasionaly SVK no manomboka azy .
Fiofanana miaraka amin’ny Raiamandreny Mpitandrina.
Famangiana Faritany : Mandrisika sy manentana ny tafo mbola tsy manana SVK (ka) Faritany 3 amin'ny 2007 .
Manararaotra ny Zaikabe-paritany rehefa hamangy
Asa sosialy :Manotrona sy mamangy ny ankizy marary tonga avy any Madagasikara Fanentanana ny fiarahana misakafo amin’ny tanora mpianatra any amin,’ny faritra tsirairay avy

Taona 2008
Famangiana Faritany (ka) Faritany 3 amin'ny 2008 .
Manararaotra ny Zaikabe-paritany rehefa hamangy

Nofaranana tamin’ny fotoampivavahana ny fotoana Notarihin’i Pasteur Elysé ANDRIAMIANDRA (Toulouse)
"Tsy manao na inona na inona amin'ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana fa amin'ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany. Aza mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa” Filpiana 2 : 3 – 4 “
Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona.” Jaona 15 : 16

(raha misy te-hanana andinidininy dia iangaviana mba hanoratra amin'ny mpiandraikitry ny sita izay hampanaraka azy amin'ny SVK.

Ny mpiandraikitry ny http://fpma-dijon.org dia mirary fahombiazana ho an'ireto mpiandraikitra vaovao eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina))


 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack