|
J-S Rafidinarivo
|
Ry Havana, Enik'afaliana ny rehetra koa
Solontena vondrom-piangonana sy solontenam-piangonana rahavavy maro toy ny Aumonier Général Fédération Protestante de France, Past Eglise Réformée, Past Eglise Baptiste, Past Eglise Adventiste Solontenam-panjakana Frantsay toy ny Senateur-premier adjoint au Maire de Melun, Conseillere municipale de Melun, Conseiller Municipal de la Rochette, Adjoint au Maire de Choisy Solontenam-panjakana Malagasy toy ny Son excellence Ministre Plenipotentiaire de l'ambassade de Madagascar en France
Nahatonga fialan-tsiny tsy afaka nanatritava fa nandefa fiarahabana an-taratasy kosa ireo Solontena vondrom-piangonana sy solontenam-piangonana rahavavy maro toy ny Federation Luthérienne Mondiale LWF maha mpikambana feno antsika FPMA, Alliance Réformée Mondiale ARM maha mpikambana feno antsika FPMA, Confédération Eglise Lutherienne Suisse BELK, FFKM France - Solontenam-panjakana Malagasy toy ny Son excellence Ambassadeur de Madagasacar auprès de l'UNESCO
- Hira nofinidin'ny antoko-mpihira avy amin'ny tafo FPMA 34 no nohiraina tamin'ny tapany voalohany
- ary Hira nosoratan'Atoa Laurent RAKOTOMAMONJY, tonga nanatrika nivantana, nasain'ny AMF, no nohiraina tamin'ny tapany faharoa
Namirapiratra ny voninahitr'Andriamanitra tamin'ireo feo sy tonin-kira mitory mivantana ny anarany masina! Nahatsapa fihetsem-po tokoa ny maro araka ireo olona maro tonga nanantona
MISAOTRA AN'ANDRIAMANITRA fa vita soa ihany koa ny fivoriam-be 2006 ny sampana Antokom-pihiran'ny FPMA AMF ny alahady maraina 28 Mey tao Melun koa, Tinapaka fa any BORDEAUX no hizotra ny Choralie manaraka dia ny Choralie 2008! Mahafaly ny mahita ny fahamatorana be be kokoa hatrany avy amin'ny sampana AMF koa mahita fa rehefa nanolo-tena handray ny choralie manaraka ny avy ao Bordeaux dia efa nahazo alalana avy amin'ny fivoriamben'ny mpandray sy komitin'ny tafo ary efa nahita toerana A) handraiana ny mpilasy B) hanaovana ny antsampanahy lehibe. Ho toy izany hatrany anie ny fihaonam-be FPMA rehetra. Mahafaly ny mahita fa izay tafo nanolo-tena hafa dia namporisihina ary nazoto hihazoan koa hanomana toy izany ihany koa ny fanolorant-tenany handray ny choralie manaraka: fanolorantena 2008, choralie 2010 Lany araka ny fitsipika ny birao vaova handrindra ny AMF mandritra ny 2 taona ho avy: Mpandrindra nasionaly ny AMF: Atoa Hajatiana RAMBELOSON (Mpandrindra AMF Melun) Mpandrindra nasionaly mpanampy: Atoa Ony RAMAMONJISOA (Mpandrindra AMF Brodeaux) Miandraikitra vaomiera Hira: Atoa Christian RATOANINA Miandraikitra vaomiera Mozika: Atoa Mimi RAMASINDRAIBE Miandraikitra vaomiera Serasera: Atoa Rado RAMAROTAFIKA Miandraikitra vaomiera Tahiry: Atoa Dina RATSIMBAZAFY
MIARAHABA sy MAMPAHERY ireo tompon'andraikitra nofidina amin'ny asa masina eken'izy ireo MISAOTRA sy MANKATELINA ny mpikarakara rehetra nahatontosa izao choralie 2006 izao koa singanina manokana ny TAFO FPMA MELUN manontolo sy ny faritany afovoany atsinanana nandray izany hetsika lehibe izany. Singanina manokana ny filohan'ny Tafo FPMA MELUN Atoa Andry ANDRIANAVELASOA sy ny mpitandrina mpandrindra FPMA Melun Past Marcellin RAZAFIMAHATRATRA ary ireo niara-niasa taminy rehetra!
Voninahitra ho an'Andriamanitra Jean-Solo RAFIDINARIVO Filoha Mpanampy - FPMA |