|
Sampana Fikambanam-behivavy Dijon |
|
|
|
|
M. Rasamisoa
|
Fisaorana an’i Tsitoha fa tafatsangana soamantsara ny Sampana Fikambanam- behivavy eto amin’ny Tafo Dijon. Nofaritana nandritry ny fivoriana natao tamin'ny 1er Mai, tany Dole, ny tanjona sy ny fomba fiara-miasa:
isaky ny fihaonana dia ny firahalahiana ( amitié), fiaraha-miasa ( travailler ensemble), fiaraha-mifaly ( rire ensemble), fiaraha-miory sy fiaraha-mizaka ny mavesatra ( pleurer ensemble), miara-mianatra ( apprendre ensemble), izany rehetra izany dia fehezina amin’ny teny telo dia ny fifankahalalana be be kokoa (se connaître), fifankatiavana ( aimer son prochain) ary fahalalana an’Andriamanitra ( connaître Dieu ensemble). Eo anivon’izany rehetra izany dia ialàna tanteraka ny fifampitsikeràna (jugement). Ny foto-kevitra hijoroana ary nodinihina dia ny hoe: VEHIVAVY MALAGASY KRISTIANA PROTESTANTA ETO AMIN’NY TAFO DIJON Vehivavy : fitaizan-tena, toerana iandreketana eo anivon’ny fiangonana, ny fiaraha-monina ary ny fianakaviana Malagasy: éducation , fifandraisana sy fifampizarana, kolon-tsaina, toetra tsara ananan’ny malagasy. Kristiana Protestanta: vavaka sy fifampizarana ( prière et partage) Cf : Jakoba 3 : 13-18 - Dijon Tapaka tamin’izany koa ny fisian’ny birao izay natao faran’izay kely indrindra ny isany mba hampirindra ny fiainan’ny sampana : - Filoha : RASAMISOA Mbolatiana - Mpitam-bola : ANDRIANASOLO Seheno - Mpitan-tsoratra : ANDRIANALY Dominique Nofaritana ny projet 2006- 2007. Ny teny faneva dia holazaina amin’ny manaraka. Toy ny sampana rehetra eo anivon’ny fiangonana dia miasa hampandroso ny Fanjakan’Andriamanitra no imasoana ka tsy mialon-jafy fa faly mandray ary manentana izay vehivavy rehetra ( tout âge) maniry izany. Ny fivoriana manaraka dia ny 09 juillet 2006 ( holazaina miandalana ny toerana) Aza adino fa hanokana fotoana kely isika mandritry ny fitsangatsanganana ataon’ny tafo. Dia mahereza amin’ny fanompoana ny Tompontsika
Dole, 1er Mai 2006 Ny Birao. |