|
pasitera
|
|
Christ est ressuscité !
La FPMA DIJON est heureuse de vous inviter à venir celèbrer Pâques avec elle :
Jeudi saint : le 5 avril 2007 à 19 h30 avec l'ERF de Dijon (en français)
Prédication Isabelle PIERRON, Pasteure. Culte avec Sainte Cène
Pâques : le 8 avril 2007 à 15 heures (en malgache)
Prédication: Désiré ANDRIANARIVO, Pasteur. Culte avec Sainte Cène
Lieu : ERF de Dijon, 14 boulevard de Brosses 21000 DIJON
Vous êtes la bienvenue. |
|
|
pasitera
|
Ho anao izay mpitsidika ity site ity
Ry Havana malala ao amin'ny Tompo,
Amin'ny anaran'ny fianakaviana Andriamora Besoa sy
ny fianakaviana manontolo no itondrana ny teny fisaorana aminareo
eto androany.
Misaotra an'Andriamanitra lehibe izahay ary misaotra
indrindra anareo mpiangona, mpandray anjara na mpitsidika ato
amin'ny site-n'ny Fiangonana FPMA tafo Dijon ihany koa.
Eny ry havana, tsapanay fa tsy nizaka irery ireny fotoan-tsarotra
ireny izahay fa niarahanareo nozakaina taminay izany.
Isaoranay anareo, ireo teny mamy rehetra nentinareo nampahery anay,
ny fidodododoana sy ny fahasahiranana rehetra :
nantsoina andro ianareo dia andro, nantsoina alina ianareo dia
alina, tsy nisalasala nanampy tamin'ny fikarakaràna.
Tsy nikajy fotoana ianareo nanaparitaka ny vaovao, tsy nikajy vola
aman-karena mihitsy koa ianareo fa nanao izay rehetra azo natao
tamin'izany.
Ankehitriny dia tafody soa aman-tsara any an-tanindrazana i
Rojo, ary tsara levenana ny maty koa dia mbola mamerina ny
fisaorana eram-po eran-tsaina anareo izahay.
Tsy ho voavalinay ny fitiavanareo lehibe koa Andriamanitra
manakarem-pahasoavana no angatahinay hamaly fitia anareo tsirairay
avy. Izy anie hampionona antsika rehetra ary hanamafy hatrany
ny firaisam-po izay efa napetrany ato amin'ity Fiangonana sy
site-n'ny FPMA tafo Dijon ity, mba ho voninahitry ny Anarany irery
ihany.
Misaotra tompoko.
Andriamora Niry <
Cet e-mail est protégé contre les robots collecteurs de mails, votre navigateur doit accepter le Javascript pour le voir
>
07 marsa 2007 |
|
|
fpma
|
Noho ny fifanandrifian' ny fandaharam-potoana , ny fiaraha-mivavaka amin'ny Alahady 25 Mars dia atao ao amin'ny Eglise Sainte Elizabeth, rue de Bourges, Fontaine d'Ouche, Dijon.
Alahady 25 Mars :
14h: Fampianarana soratra Masina
15h : "Alahadin'ny Mpitandrina" : Fotoam-pivavahana tarihin'ny Pasitera D. Andrianarivo.
Isaia43, and.16-21; Filip.3, and. 8-14; Jao. 8, and.1-11.
17h: Fiara miala hetaheta
Toerana : Eglise Sainte Elizabeth, rue de Bourges - Fontaine d'Ouche-Dijon
Aza manadino ny fiarahantsika mivavaka |
|
|
fpma
|
Alahady 25 Fevrier :
15h: Fotoam-pivavahana karakarain'ny Sampana Vehivavy (SVK). Mompera Didier Gonneau no hitondra ny tenin'Andriamanitra amin'izany.
Deot. 26, and.4-10; Rom. 10, and.8-13, Lioka 4, and.1-13
Alahady 11 Mars:
15h: Fotoam-pivavahana tarihin'ny Pasitera D. Andrianarivo.
Eks. 3, and.1-15; 1Kor.10, and.1-12; Lioka 13, and.1-9.
Alahady 25 Mars :
15h: "Alahadin'ny Mpitandrina" : Fotoam-pivavahana tarihin'ny Pasitera D. Andrianarivo.
Isaia43, and.16-21; Filip.3, and. 8-14; Jao. 8, and.1-11.
Aza manadino ny fiarahantsika mivavaka |
|
|
fpma
|
Alahady 11 Febroary 2007 :
Araka ny efa voalaza hatramin'ny volana Novambra dia atao ny Alahady 11 Febroary ny "Assemblée Générale"-ny FPMA Dijon. Atao mandritra izany ny fankatoavana ny Fitsipika anatiny (règlement intérieur) sy ny fifidianana Diakona. Toy izao ny fandaharam-potoana amin'izany:
15h: Fotoam-pivavahana
16h: Manao ny "Bilans moral et financier" ny Birao.
16h30: Fanekena ny "Règlement intérieur" sy fifidianana Diakona.
17h30: Goûter
Koa miantso antsika mianakavy hanatrika izany fotoan-dehibe eto amin'ny Fiangonana izany ary hanatanteraka ny adidy aman-draikitra izay napetraka tamintsika.
Alahady 25 Febroary 2007 :
15h : Fotoam-pivavahana tarihin'ny Fikambanam-behivavy (SVK).
Aza manadino ny fiarahantsika mivavaka
|
|
|
|
<< Début < Précédente 11 12 13 Suivante > Fin >>
|
| Résultats 91 - 99 sur 109 |