|
Zaikabe sy Lasy SAP 2007,
Ry Havana,
Ho ampitomboina mandrakariva ao aminareo
anie ny fahasoavan'ny Tompo,
Araka ny nankatoavan'ny Komity Maharitra
2 lasa teo dia ny Faritany Afovoany Andrefana no mandray ny Zaikabe
sy Lasy SAP 2007. Tiana ny manipika fa ny Faritany iray manontolo
no miara-mientana manatontosa io fandraisana io.
Ny loha-hevitra amin'izany Zaikabe sy
Lasy SAP izany dia :
« Protestanta Malagasy aty
am-pivahiniana eo anoloanan'ny adidy sy andraikitra ».
Ny teny faneva amin'izany dia :
« Ilay zavatra tsara natolotra
anao dia tehirizo amin'ny fampaherezan'ny Fanahy Masina, Izay
mitoetra ao anatintsika. »
II Timoty 1 : 14
Ny Zaikabe sy Lasy SAP 2007 dia hizotra
ny:
1, 2, 3, 4 Novambra 2007
Ecole des Etablières
Route de Nantes
85015 La Roche Sur Yon,
ary atomboka amin'ny 2 ora tolakandro ny
fandraisana ny mpizaika ny Alakamisy 1 Novambra 2007. Ho faranana
kosa ny Alahady 4 Novambra 2007 amin'ny 2 ora tolakandro ity
fotoana lehibe ity.
Ny fisoratana anarana dia ny Interface any
amin'ny Tafo no hanatontosa azy amin'ny alalan'ny takila
internet Zaikabe sy Lasy SAP izay hisokatra ny 3 Oktobra :
http://zaikabe.fpma.net Efa nisy fangatahana ny anaran'ireo
Interface Tafo izay ny fara-fandraisana azy dia ny 30 Septambra
amin'ny alalan'ny mailaka :
Cet e-mail est protégé contre les robots collecteurs de mails, votre navigateur doit accepter le Javascript pour le voir
.
Ny daty farany handraisana ny fisoratana
anarana dia ny 22 Oktobra 2007.Ao amin'io takila
iohttp://zaikabe.fpma.net io ihany koa no ahitantsika
ny antsimpirahan'ny Zaikabe sy Lasy SAP 2007.
Eto am-pamaranana dia manentana antsika
ambaratonga rehetra ho tonga hanatrika izany fotoana izany. Ry
rahalahy sy anabavy, ento am-bavaka ny « Zaikabe sy Lasy SAP
2007 ». Voninahitra ho an'Andrimanaitra Ray sy Zanaka ary
Fanahy Masina.
Amin'ny Anaran'ny Mpitandrina
Mpandrindra sy Birao Faritany AfovoanyAndrefana
Rado Ramarotafika
Filoha FAfAn
Cet e-mail est protégé contre les robots collecteurs de mails, votre navigateur doit accepter le Javascript pour le voir
06 24 16 58 23
02 44 02 11 92
|