A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga046.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Vaovao
Vaovao
Fotoana Janvier 2009 Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Administrator   

Toy izao indray ny fandaharantsika mandritra ity volana Janoary ity:

Alahady 11 janoary 2009 :
15h : Alahadin'ny Epifania misy Fandraisana ny fanasan'ny Tompo.
Hisy fiaraha-mikorana aorian'ny fotoana (Galette des Rois). Koa iangaviana isika mianakavy samy hitondra izay ilaina momba izany, sahala amin'ny fanao mahazatra.

Alahady 18 Janvier 2009 :
10h15 : "Semaine de l'Unité": ny ERF dia mandray ny paroisse Ste Elisabeth de la Trinité (Fontaine d'Ouche) : atao ao amin'ny 14 Bd des Brosse io fotoana io ary i Père D. Gonneaud no mitoriteny ( mandray anjara amin'io koa isika)

Alahady 25 janoary 2009:
10h30 : "Semaine de l'Unité": ny paroisse Ste Elisabeth de la Trinité  dia mandray ny ERF  : atao any Fontaine d'Ouche io fotoana io ary ny Pasitera I. Pierron (ERF) no mitoriteny. ( mandray anjara amin'io koa isika)

15h : Alahadin'ny fiaraha-mivavaka kristiana (FFKM) : fotoam-pivavahana tarihin'ny Pasitera D. Andrianarivo (atao ao amin'ny 14 Bd des Brosse)

Aza manadino ny fiarahantsika mivavaka
 
Fotoana Desambra 2008 Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Administrator   

Toy izao ny fotoanantsika mandritra ity volana Desambra 2008 ity :

Alahady 14 Desambra :
15h : Fotoam-pivavahana tarihin'ny Pasitera D. Andrianarivo.
17h : Fanomanana ny Noely

Alakamisy 25 Desambra :
15h : NOELY : Fotoam-pivavahana tarihin'ny Pasitera D. Andrianarivo.
17h : Fankalazana ny Noely (ankizy, Tanora ...)
19h : Sakafo : sahala amin'ny mahazatra dia samy mitondra sakafo isika mianakavy.

Azonao alaina eto ny fandaharam-potoanantsika manomboka ny Septembre 2008 ka hatramin'ny Juillet 2009.

 
Filazana manjo Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   
Mamangy amin'ny Anaran'ny Tompo
"*Fa izaho dia ho eo akaikin'Andriamanitra no mahatsara ahy, Hianao Jehovah Tompo
ô, no ataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho(Sal 73:28)*.


Amin'ny finoana sy ny fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no
ampandrenesanay anareo, fa :

Andriamatoa RAKOTOARIMANANA Gaston , rahalahin'Andriamatoa RAMANAKORAISINA
Rodolphe , Filohan'ny Tafo FPMA Dijon,

Dia nantsoin'ny Ray hody any Aminy ny Asabotsy 15 Novambra 2008, rehefa nivahiny
55 taona teto an-tany.

Ny nofony dia niala tao amin'ny Lot IAV 203 IAVOLOHA, ny Alarobia 19 Novambra
2008 ary nentina nanomezam-boninahitra an'Andriamanitra tao amin'ny
FJKM Ambohimarina Faharetana, talohan'ny nametrahana azy ao amin'ny
fasan-drazany ao Iavoloha ihany.


*« Ary ankehihitriny dia ireto telo ireto no mitoetra : ny Finoana, Fanantenana
ary Fitiavana, fa ny Fitiavana no lehibe amin'ireo » (1 Kor 13 : 13)*



Pasitera Désiré ANDRIANARIVO
 
Fotoana Novambra 2008 Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Administrator   

Toy izao ny fotoanantsika mandritra ity volana Novambra 2008 ity :

Alahady 9 Novambra :
15h : Fotoam-pivavahana tarihin'ny Pasitera D. Andrianarivo.
17h : Fanomanana ny Noely

Alahady 23 Novambra :
15h : Fotoam-pivavahana tarihin'ny Pasitera D. Andrianarivo, miaraka amin'ny Chorale.
17h : Fanomanana ny Noely

Azonao alaina eto ny fandaharam-potoanantsika manomboka ny Septembre 2008 ka hatramin'ny Juillet 2009.

 

 
Fisaorana Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Administrator   

Isaorana ny Tompo fa tanteraka soa aman-tsara ny Dîner Concert natao tamin'ny Asabotsy 25 Octobre teo. Nanafana ny fotoana tamin'izany ny Tarika ANTSA PRAISE avy any Paris , izay isaorana manokana etoana.

Nandray anjara tao koa ny ankizy sy ny Tanora avy eto amin'ny FPMA Dijon tamin'ireo zava-maneno sy dihy. Tsy adino koa ny fikarakarana rehetra , indrindra momba ny sakafo, nataon'ny Sampana SVK.
Jereo eto ny sary tamin'izany

 
<< Début < Précédente 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 Suivante > Fin >>

Résultats 46 - 54 sur 109
 
Joomla Templates by Joomlashack