A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga028.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Vaovao
Vaovao
90 taona, arahaba ry Ilay nosoavina... Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Ny gazety, Dinidiniky ny Mpinamana n°43 juillet-Août 1922, izay gazety voalohany nataon’ireo Malagasy miaramila izany na tsia tany Frantsa. Tamin’izany gazety izany no nahitana fa tamin’ny alahady 5 avril 1921 tao amin’ny Maison des missions, 102 boulevard Arago , Paris 14è no nivory ny fiaraha-mivavaka tao Paris sy ny tany Charenton ary ny avy any Vincennes izay tsy lavitra an’I Paris. Koa rehefa vita ny fanompoam-pivavahana izay notarihin’ Robinson, adjudant ary ny toriteny izay nentin’I M.Beaulieu, misionera miasa any Mahajanga

Tohiny...
 
Soatanŕna 2011 Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   
Dia tena masaka tokoa ny fivoriana tany Soatanana tam'ty taona ity, na dia tsy nanao aza ireo rahalahy sy anabavy ao am tanàna avaratra.
Nisy fanavaozana betsaka: satria efa tsy mahatelina ny mpivory intsony ny fiangonantsika, ary koa anefa tsy azo halehibeazina satria monument classé, donc "inkitikable" fa entretiens no azo ato aminy sisa, dia navoaka taty ivelany teo amy ilay terrain vague mifanila amy terrain de foot no nanaovana ny ISantaona REHETRA, afa-tsy ny asa fanao am'ny marary isa-maraina ihany, io no natao teo antokontany fiangonana.
Nofefena ny sehatra 120m sur 87m, nasiana podium sy sono matanjaka be (Dada Hery eny Andohan'Ivory près Soatsihadino) dia nametrahana moellons sy planches ary navoaka koa ny tablio fiangonana, dia ny sisa tsy zakan'izay nijorojoro na nitorevaka tam ny tany.
Noho izany dia samy afaka nanaraka mivantana sy de visu ny rehetra fa tsy toy ny teo aloha intsony, fa ny taloha dia izay tafiditra anaty fiangonana ihany no nahazo hery.
Nanjary niverina "de fait" toy ny taloha koa ny fanokanana, izany hoe mipetraka eo amy ny tablio anoloana ny atokana, ka ny mpanokana no manatona. Am'ny herintaona koa hono averina ny tolakandro indrany ny fanokanana fa tsy ny maraina intsony. ... dia entina am-bavaka mba hiverina amy laonina avokoa ny fampianarana napetra-dRangahy Rainisoalambo, "tant aux formes qu'aux fonds".
105 ny isan'ny natokana.
DIDY VAOVAO Jao 13: 34 no Teny Faneva.
Navaivay avokoa ny fampianarana rehetra na ny nentin'ny Loterana na ny nentin'ny Reforme, Ny Tonia FFPM, Atoa Rasoavimbahoaka Fanjanbavalona, Pasitera, no anisan'ny Mpitandrina reforme tonga tao, fa ny Doyen Fac FJKM ny Dr Ramambasoa Laurent tsy tafaverina avy any USA, ka ny Dr Georges Razafindrakoto, vice-Doyen SALT no niangavianay sy Prof Rabemanantsoa Noel nisolotena azy nitondra fampianarana.
Vahoaka marobe no tonga tany satria araka ny tombana selon statistika fandraisambahiny tao am Trano firaisana dia 20500 ny olona voaisa, miampy izay tsy nandalo trano fihaonana. Tena feno hipoka ny tokotany Trano firaiketana nandritra ny agapè famaranana, ni-deborde dia nanjary feno hatramy tokotany ivelan'ny Trano Firaiketana.
Note nampalahelo: nisy olona 14 mianaka, (zaza am-behivevy no betsaka) nandeha an-tongotra avy tany Fianarantsoa nanao hitsin-dalana, notafihin'ny dahalo rehefa tsy hidina an'i Soatanana (à 5km tery an-tendrombohitra), dia lasa avokoa ny vatsy rehetra (vola, fotsimb ary vilany akanjo masina baiboly ets). Zazakely iray no naratra, lasa nilefa ny dahalo rehefa naazo izay nilainy. tsy nisy fanolanana, tsy nisy aina nafoy, nasiana taty rakitra natolotra ny voadahalo, nasiana fanomezana fitafiana koa avy tamy ny mpivory.
Marobe ny vahoakan'Andriamanitra nandray anjara tam ny tourisme religieux fanaoko mankany Ambatoreny (La randonnée granitique de l'Isandra). Nahaliana ny mpivory maro koa ny alin-jafindraony, saingy tsy nanana fitaovana fandraisam-peo Razaka Oliva.
Ny KTKT (Kritsiana Tanora Katedraly Toliara) koa no nanafana fotoana tam Rakitra na dia 7 mianaday- fotsiny aza ireo no tonga tany Soatanana, nanampy ireo chorales hafa manerana ny Nosy.
Razaka Oliva
20 sep 2011
 
FFPM -PENTEKOSTA 2011 Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Ho an’ny KRISTIANINA SY NY VAHOAKA MALAGASY
“Aoka ny fihavanana no hifamatoranareo, dia hazoto mitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy Masina ianareo” (Efez.4:3)
Mamangy sy miarahaba ny Kristianina sy ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka ny FFKM amin’izao Pentekosta 2011 izao.
Amin’ny maha-Mpaminany sy Raiamandreny azy, ny FFKM dia miteny amin’ny Kristianina sy ny vahoaka malagasy mba hampahatsiahy ny sitrapon’Andriamanitra eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina.

Tohiny...
 
Pasaka 2011: hafatra Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

HAFATRA PASTORALY AVY AMIN’NY FILOHAN’NY FPMA

NOHO NY PASKA 2011

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’I Jesoa Kristy, Ilay Vavolombelona mahatoky, Ilay Zanaka Lahimatoa sady voalohany natsangana ho velona avy tamin’ny maty, ary Ilay Filohan’ny mpanjaka amin’ny tany.

Hafatra faharoa ampitaiko aminareo ity, ry havana, taorian’ny Synoda Lehibe nataontsika tany La Rochette tamin’ny volana novambra lasa teo. Ao anatin’ny vanim-potoana fanamafisana orina isika FPMA ankehitriny.

Miroso isika amin’ny fanatsarana ny Fitsipika Anatiny sy ny Lalàna fototra (Statuts) mifehy ny FPMA. Misaotra sy mankasitraka ireo manam-pahaizana manokana (Experts) sy ireo olom-boafidy nirahin’ny Faritany (Commission Ad hoc) miasa tsy tapaka mandrafitra izany mba hotapahin’ny Synoda Lehibe manaraka ho raikitra. Kanefa, tsy ny lalàna sy ny Fitsipika no zava-dehibe, fa ny Fanahy enti-miatrika izany. «Tsy misy nofo hohamarinina amin’ny lalàna eo anatrehan’Andriamanitra ; fa ny lalàna ino ahazoana ny fahalalana marina ny amin’ny ota», hoy ny apostoly Paoly (Romanina 3, 20). Hanampy antsika hiorina tsara ireo, fa ambony kokoa ny fiainam-panahy sy ny fiorenan’ny finoantsika amin’i Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana.

Andriamanitra velona no tompointsika sy inoantsika, fa tsy Andriamanitra maty. Hoy ny hafatry ny apostoly, hoe : «Raha tsy nitsangana velona i Kristy dia tsy misy fotony izay torinay, ary tsy misy fotony izay inoanareo.» I Kôrintianina 15, 14. Moa tsaroantsika FPMA eo amin’ny fiainan’ny Tafo tsirairay, ny Faritany tsirairay, ny Foibe ve izany ? Betsaka ny zava-manahirana atrehintsika, kanefa matoky sy manana fanantenana isika fa tsy maintsy ho mpandresy, noho Ilay Tompontsika efa Mpandresy talohantsika. «Amin’izany rehetra izany anefa, dia efa mpandresy tanteraka isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika.» Romanina 8, 37. Manainga mandrakariva sy mampahery anareo àry izahay, mba tsy ho kivy sy hifanilika andraikitra, na hifampitsaratsara foana, fa tsy hohamaivanintsika kosa ny fiainam-panahy, ny fianam-bavaka, ny fiombonana sy fifikirana amin’ny fandalinana ny Tenin’Andriamanitra. Atreho, araka izay azo atao, ny fiofanana atolotray Birao Foibe, sy ny Soritrasam-piangonana (SAP) ary ny Projet Laïc ho antsika.

Mampahatsiaro anareo sy mampiomana amin’ireo Fotoan-dehibe iraisantsika vahoakan’ny FPMA amin’ity taona ity : Ny Isantaonan’ny Sampana Tily hatao any Parigne l’Eveque ny 30 aprily-01 mey, ny Fiofanan’ny Filoha sy ny Mpitahiry vola hatao eto Paris ny 21 mey, ny Fihaonamben’ny Sampana Sekoly Alahady hatao any Mejannes-le-Clap ny 02-04 jona, ny Fihaonamben’ny Sampana Tanora Kristiana (STK) hatao any Strasbourg ny 01-04 jolay, ny Isantaonan’ny Sampana Fifohazana ny 06-14 jolay, ny Zaikabe nasionaly hatao any Rouen ny 29-30-31 oktobra.

Manonona ny Fiadanan’ny Tompontsika Jesoa Kristy ho aminareo tsirairay avy ary mitsodrano anareo rehetra samy hanao Paska sambatra. «Andriamanitra diia efa nitondra an’i Jesoa Tompontsika hiala amin’ny fahafatesana,i Jesoa Tompontsika Izay Mpiandry lehibe miahy ny ondry noho ny ra nafoiny ho antoky ny Fanekempihavanana mandrakizay. Andriamanitra Loharanon’ny fiadanana anie hahatonga anareo ho vonon-kanao ny asa soa rehetra hahatanterahanareo ny sitrapony; ka hataony ao anatintsika amin’ny alalan’I Jesoa Kristy anie izay sitrany. Ho an’I Jesoa kristy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amena.» Hebreo 13, 20-

Ny Filohan’ny FPMA

Rev.Dr Jean A. RAVALITERA

Paris, 31 mars 2011

 
Féderation Protestante de France : Pr Baty reconduit Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Le pasteur Claude Baty réélu président de la Fédération protestante de France

L'assemblée générale de la Fédération protestante de France s'est tenue les 22 et 23 janvier 2011 à Paris, ouvrant une nouvelle mandature de quatre ans pour les membres du Conseil élus ce week-end, sous la présidence du pasteur Baty.

Tohiny...
 
<< Début < Précédente 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 Suivante > Fin >>

Résultats 1 - 9 sur 109
 
Joomla Templates by Joomlashack