A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga014.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Toriteny
Toriteny
Jesosy, mpaminany Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Ny amin’i Jesosy avy any Nazareta, mpaminany mahery tamin’ny asa sy ny teny teo anatrehan’andriamanitra sy ny vahoaka rehetra. Lio.24.19b
Faly miarahaba antsika indray amin’izao alahady ankalazana ny paska kristiana izao dia ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty.Tantara izay efa saiky haintsika tsianjery aza ity tantarain’i Lioka eto amin’ny Lio.24. ity. Tantara izay antsoina hoe momba ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty arak'izay voatantaran'i Lioka. Fa inona tokoa moa no niseho ?
Zava-niseho
Raha tsy hijery afa-tsy izay tantarain’i Lioka isika dia ahitana an’
* Ireto vehivavy nahita fasana foana izay ahitana an’i Maria Magdalène, Johana ary Maria renin’i Jakoba ary ireo vehivavy sasany (10). Tonga ireto vehivavy nitondra ny zava-manitra izay efa namboariny tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro. Raha mihoatra amin’ny fitantaran’i Matio na i Marka dia betsaka kokoa ny vehivavy voatanisan’i Lioka. Lazain’i Lioka fa tsy nahita ny fatin’i Tompo izy ireto (3).
* Ireto roalahy nitafy fitafiana manelatrelatra izay nanambara fa efa nitsangana tamin’ny maty Jesosy arak’izay nolazainy. Koa tsara ny tokony hitadidiany izay efa nolazainy tamin’izy ireo tany Galilia.
* Nohon’ny fitantaran’ireto vehivavy ireto izay hitany sy reny tany amin’ireto apostoly izay tsy nino azy (11) dia lasa Petera nihazakazaka nankany amin’ny fasana. Ireo antokon’olona telo ireo no vavolombelona mivantana tany amin’ny toerana izay nandevenana an’i Jesosy ka nahita fa foana ilay fasana.
Ireto roalahy moa dia nilaza mazava fa efa nitsangana izy koa tsy tokony ho aty amin’ny maty no hitadiavana ny velona. Tsarovy hoy izy ireo mantsy an’ireto vehivavy ny teny izay nolazainy tamianreo tany Galilia. I Petera moa amin’ity resaka ity dia toa ny “huissier” ihany : mpanamarina izay nolazain’ireto vehivavy. Tsy mba nihaona tamin’ireto roalahy kosa izy fa fahagagana no nahazo azy saria lambam-paty sisa no mba hitany tao. Inona no antony ? Tsy voalaza. Raha fahavelomana no nolazaina tamin’ireto vehivavy ireto, fahafatesana kosa no sisa hitan’i Petera. Inona ary moa no zava-nitranga taorian’ny fijoroana vavolombelona nataon’ireto vehivavy ireto ?
Fijoroana vavolombelon’ireto mpianatra roalahy
Efa voalaza teo fa vokatry ny fijoroana vavolombelona nataon’ireto vehivavy ireto dia tao ny tsy nino , tao koa ny nanamarina toa an’i Petera izay lasa tany amin’ny fasana. Fa ireto lahilahy roa ireto kosa dia lasa nakany amin’ny vohitra atao hoe Emaosy. Tsy fantatra ny antony fa ny zavatra izay misongadina amin’izao tantara izao dia ny fihaona’izy roalahy dia i Kleopasy sy ny namany raha sendra niresaka momba ny zava-nanjo tany Jerosalema izy ireo. Momba an’io zava-nanjo io no resaka nifanaovana ka nanotanian’i Jesosy azy ireto hoe : zavatra manao ahoana loatra moa izany ? (19). Dia hoy izy roalahy : Ny amin’i Jesosy avy any Nazareta, mpaminany mahery tamin’ny asa sy ny teny teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra.
Nantenanin’izy ireto tokoa mantsy Jesosy fa hanafaka ny firenen’Israely amin’ny fitondrana romana izay nisy tamin’izay fotoana izay. Tsara ho tadidintsika ireo fanotaniana maro napetrak’ireto mpanoradalana :
* momba ny fahefan’i Jesosy raha sendra nampiantra Izy teo an-kianjan’ny Tempoly : fahefana avy aiza moa no ahazoanao manao izao zavatra izao ary iza no nanome anao izany fahefana izany (Lio.20.2)
* momba ny fitondrana romana indray : mety va raha mandoa vola hetra ho an’i Kaisara izahay, sa tsia (Lio.20.23). Ireo fanontanina ireo dia natao mba hamandrihana an’i Jesosy ahazoana misambotra Azy . Ny sisa tavela hoan’ireto mpianatra roalahy dia ny amin’izay maha mpaminany an’i Jesosy.
Nirodana ny fanantenana satria nohombona’ireto mpitondra fivavahana sy firenena tamin’ny hazo fijaliana Jesosy ilay mpaminany mahery telo andro lasa izay. Kanefa ny tena maha very hevitra azy roalahy dia ny nahitan’ireto vehivavy sy ny mpianatra fa fasana foana no hitan’izy ireo. Ary izany dia nohamafisin’ireto anjely fa efa velona Izy kanefa tsy nisy nahita (Lio.24.22-25). Teo Jesosy no nanazava izay tokony ho tsy maintsy niaretany. Marihina fa eto ny mason’ireto mpianatra ireto dia mbola nohazonina mba tsy hahafantatra Azy. Ny fanazavan’i Jesosy dia izay voalaza araky ny Soratra Masina ihany. Ka ahoana tokoa moa no voalazan’ny soratra Masina ?
Jesosy ao amin’ny soratra Masina
Lazain’i Jesosy tamin’izy roalahy ireto ny tsy finoan’izy ireto izay voalazan’ny mpaminany momba azy. Izany fanazavana izany dia manomboka amin’i Mosesy sy ny mpaminany rehetra. Raha izao tantara izao dia Jesosy, izay mpaminany no lazain’ireo mpaminany araky ny Soratra Masina. Fa iza moa no atao hoe mpaminany : olona nofidin’Andriamanitra mba ho mpanelanelana Azy amin’ny olona na ny vahoakany. Anisan’ny asan’nizany olona izany ny fitondrana teny na ny teny avy amin’Andriamanitra ho an’ny olona izany na ny teny avy amin’ny olona ho an’Andriamantra.
Tsy ny Teny ihany fa izay fahefana rehetra mikasika ny fanatanterahany ny asa izay niantsoan’Andriamanitra azy. Koa ny asa sy ny teny ataon’ireo mpaminany ireo dia misy ny tombokasen’Andriamanitra. Tsy hijery afa-tsy izay voalazan’i Lioka momba ny maha mpaminany an’i Jesosy isika indrindra fa amin’ny maha mpaminany araky ny fomban’i Mosesy. Marihina fa raha ny mpaminany no resahina dia i Elia no anisan’ny lehibe amin’izy ireo. Fa i Mosesy kosa dia mazana ny fanafahana ny vahoaka tany amin’ny fanandevozana tany egypta ary indrindra fa ny lalàna no ao an-tsaina. Kanefa i Mosesy dia anisan’ny Mpaminany ihany koa. Ny fanompoana ary koa ny tenana’i Jesosy dia asehon’i Lioka ao amin’ireo boky nosoratany (filazantsara ary ny asan’ny apostoly) fa araky ny faminaniana araky ny testamenta taloha.
Eny mihoatra noho izay nataon’ireo mpaminany maro aza no nataon’ity Mesia ity. Na ny asan’i Mosesy, Elia ary ny Mpanompon’i Jeshovah izay voalaza ao amin’ny bokin’i Isaia dia samy hita ao amin’i Jesosy. Ohatra, raha tsy hijery raha tsy ny momba an’i Mosesy isika :
* tamin’ny fiovan’i Jesosy tarehy tao an-tendrombohitra (Lio.9.28-29) niaraka tamin’ny mpianany i Jesosy dia nahitana an’i Mosesy sy Elia niresaka taminy. I Mosesy no voalaza alohan’i Elia tahaka ny fitantaran’i Matio koa
* raha nanadio an’ireto boka Jesosy dia nilaza tamin’izy ireo ny tokony hantanterahan’izy ireo ny didin’i Mosesy (Lio.5.14)
* Jesosy manazava/manambara ny tenany nanomboka tamin’i Mosesy sy ny Mpaminany ary ny hevitry ny teny izay milaza azy araka ny soaratra Masina (Lio.24.27) Ireo roalahy izay lazaina fa anjely dia nilaza tamin’ireto vehivavy ny amin’ny teny izay nolazain’i Jesosy tamin’izy ireo fony izy mbola tany Galilia. Ny Zanak’olona tsy maintsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanota ka homboana amin’ny hazo fijaliana ary hitsangana amin’ny andro fahatelo (Lio 24.7) Fa andao ho jerentsika indray ny momba izay lazain’ireo olona taorian’i Jesosy ny momba an’i Jesosy sy ny hanjo azy.
Ohatra izay ho raisintsika dia i Paoly apostoly ao amin’ny Ikor 15.3
* Kristy maty nohon’ny fahotantsika araka ny Soratra Masina (Isa.53.5 : Nefa Izy dia voalefona nohon’ny fahadisoan-tsika...ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika)
* Nalevina ary natsangana tamin’ny maty araka ny Soratra Masina Tsy mpaminany ihany anefa Jesosy fa sady Mpamonjy Izy no Tompo ary zanak’Andriamanitra. Amin’ny maha mpaminany azy dia tsy maintsy tanterahin’Izay naniraka Azy ny momba Azy rehetra dia ny famonjena antsika izany.
Fa raha tsy natsagana tamin’ny maty Jesosy Kristy dia foana ny toriteninay ary foana koa ny finoanareo. Ary izany no hamafisin’i Paoly apostoly ao amin’ny Rom 6. Izay norenensintsika teo. Fa velona miaraka amin’i Kristy isika. Amen

D.ANDRIANARIVO
Paska 2010
FPMA Dijon

 
Jesosy, mialoha lalana anao . Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

...ary rehefa niteny izany Izy, dia nandeha nialoha hiakatra ho any Jerosalema. Lio.19.28

Anio no alahady farany amin’ny karemy izany hoe ilay 40andro mialoha ny paska (Alakamisy Masina izany). Ny fiankaran’i Jesosy mankany Jerosalema no jerena amin’izany. Koa ny teny rehetra izay hodinihintsika mandritr’izany karemy izany dia jerena arak’izany hoe Jesosy miakatra any Jerosalema hanatanterka ny famonjena antsika. Io Jesrosalema io no tany Kanana izay ampanantenanaina antsika. Eto isika dia mahatsiaro ny teny ao amin’ny Zakaria mpaminany manao hoe : Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy, Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; indro ny Mpanjakanao avy ho anao; marina izy sady manam-pamonjena, malemy fanahy sady mitaingina boriky, dia zana-boriky tanora.”Za.9.9

Ilay Mpanjakanao

I Paoly apostoly , ao amin’ny filipiana 2.6 dia milaza ny fanetren-tenan’ity lazaina fa hoe Mpanjaka ity. Lazainy ary fa :

* Nanana ny endrik’Andriamanitra
* Nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endrikin’ny mpanompo
* Nanan-tarehy olona izy ary nanetry tena ary nanaiky hatramin’ny fahafatesana

Koa izany no nanandratan’Andriamanitra Azy ary ho amin’ny anarany no handohalehan’ny lohalika rehetra na aiza na aiza sy haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray.

Mamintina ny fotom-pinoantsika i Paoly amin’izany teny lazainy izany. Ny Lela rehetra dia tokony hanaiky Azy ho voninahitr’Andriamanitra Ray.

Io Jesosy io no tantarain’i Lioka eto. Mialoha an’izao dia lazain’i Lioka fa nanao fa :
* Efa tonga ny Zanak’Olona hitady sy hamonjy ny very, raha niresaka momba an’i Zakaiosy Izy. Tsy maintsy mitoetra ato an-tranonao aho anio. Lio.19.10
* Nanao fanoharana momba an’ity andriandahy anakiray izay nandeha nakany an-tany lavitra mba handray fahefana dia hanjaka ary dia nametraka fananana tamin’ireto mpanompony 3 lahy izy. Ny iray nomeny 10, 5 ary iray

Mandritr’izany fanoharana izany ny olona no miandry mafy satria nataon’izy ireo fa hiseho faingana ny fanjakan’Andriamanitra. Toa milaza ity fanoharana ity fa sarotra ny miandry ny fahatongavan’izany fanjakan’Andriamanitra izany satria efa eo aminareo izany, efa ao anatinareo izany hoy Jesosy. Kanefa toa mbola miandry ihany ianareo.

Eto amin’ity tantara ity dia voalaza ary fa nadeha nialoha hiakatra ho any Jerosalema Jesosy. Zavatra telo no hojerentsika amin’izao fiakaran’i Jesosy any Jerosalema izao :

Zavatra telo

1. Ny voalohany dia ny nanirahan’i Jesosy mpianatra 2 lahy tamin’ity vohitra tsy voalaza ny anarany ity mba haka zana-boriky izay tsy mbola nitaingena’olona. Zanaboriky mila vahana na afahana amin’ny fatorany (30), ary raha misy olona manontany dia lazaina fa misy raharaha analan’ny Tompo Azy (31). Raha ny zanaboriky aza ilain’ny Tompo vao maika va ny Mpianatra. Mazava eto fa ny olona na zavatra entina eo amin’ny Tompo dia tokony afahana amin’ny fatorany : Vahao ! Baiko izany. Izany no antony anokanana izay rehetra ho an’ny Tompo mba tsy hisy hery hafa mamatotra azy intsony.

2. Ny faharoa indray dia mampiseho antsika fa izay manatona ny Tompo dia manolotra izay azy rehetra ho Azy amin-kafaliana toy ireto olona nametraka ny lambany teo ambony zana-boriky mba ahzoan’i jesosy mitaingina an’izany, fametrahana ny lamba teny an-dalàna mba handalovany. Izay teny an-kodin’izy ireo dia nentiny mba hampiasaina amin’izao fiakaran’ny Tompo any Jerosalema izao. Tsy ny tenany ihany no natolony an’i Jesosy fa izay azy rehetra.

3. Farany, ny fifaliana ho an’ny mpianatra marobe ka nidera an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery nohon’ny asa lehibe izay efa hitany :isaorana anie ny Mpanjaka izay avy amin’ny anaran’i Jehovah. Fiadanana any an-danitra ary voninahitra any amin’ny avo indrindra (37-38). Mampiseho amintsika ny fifaliana izay omen’i Jesosy an’ireo olomboavonjy ireto. Fifaliana izay nanahirana an’ireto Fariseo ireto ary noho izany dia nangataka an’i jesosy izy ireto mba hampangina ny mpianany.

Tsy mitovy amin’ny an’ireto mpianatra ireto ny fijerin’i Jesosy an’i Jerosalema ka nampitomany Azy

Jesosy mitomany

Nitomany Jesosy satria tsy nahafantatra ny momba ny fiadanana Jerosalema. Izay adika hoe tananan’ny fiadanana. Miafina aminao izany. Toa miresaka amin’ny olona Jesosy raha mijery an’ilay tanana. Vokatr’izany dia faharavana izay entin’ny fahavalony no no hihatra amin’ity tanàna ity. Faharavana izay efa voalaza ao amin’ny testamenta taloha dia ny:

* Fananganana tovon-tany manodidna Isa.29.3
* Hanemitra anao ary hanidy anao manodididna Jer.52.5
* Hamongotra anao hatramin’ny tany mbamin’ny zanakao Hos.10.14
* Tsy hisy vato mifanongoa. Zak.5.4

Izany no ho tanteraka dia satria “tsy nahafantatra ny andro namangiana azy i Jerosalema”. Fa oviana tokoa moa nisian’izao famangiana izao. Izao zava-miseho izao dia mampahatsiaro izay volaza ao amin’i Jeremia, mpaminany 6.13-15. Lany andro tamin’ny fitadiavan-karena ny rehetra na ny kely na ny lehibe. Ny mpaminany ary ny mpisorona dia samy mamitaka avokoa : nanambara izy ireo ny amin’ny fiadanana mba hanasitranana ny olona kanefa tsy nisy fiadanana akory. Manjaka ny mpaminany sandoka izay ninoan’ny olona ary nekeny. Tsy nibebaka i Jerosalema fa izany no nataony.Vokatr’izany dia faharavana. Izany no nampitomany an’i Jesosy.

Fa raha tao tokoa ireo izay nandray ny teny nentiny toy ireto mpianatra izay nifaly sy nidera nohon’izay rehetra hitany nataon’i Jesosy, tao kosa ireo izay tsy nandray izany toa an’i Jerosalema;

Mipetraka amintsika ny fanontaniana : Aiza ny toerana misy antsika ? any Jerosalema va ? sa miaraka amin’ireto mpianatra izay nahafoy ny rehetra momba azy ka mifaly ary midera an’i Jesosy ?

Jesosy manomana lalana ho ano no hita eto. Mialoha anao any amin’izay toerana misy ny fiadanana nolazainy Izy. Mifarana izao ny karemy. Hankalaza ny Paska isika. Mialoha izany anefa dia tsy maintsy mietry ny Tompo ary isika dia miara-mietry aminy. Eny hatramin’ny fanekena ny fahafatesana aza mba hisehoan’ny voninahiny sy ny heriny mahagaga. Izany fandresena izany no ampanantenaniny ho ahy sy anao.Amem

D.ANDRIANARIVO
FPMA DIJON

Alahady 28 marsa 2010

Alahadin’ny sampandrofia

 
Maty ka velona ! Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Alahady faha efatra amin’izay ataontsika hoe karemy isika izao. Izany hoe ilay 40 andro mialoha ny paska (Alakamisy Masina izany). Ny fiankaran’i Jesosy mankany Jerosalema no jerena amin’izany. Koa ny teny rehetra izay hodinihintsika mandritr’izany karemy izany dia jerena arak’izany hoe Jesosy miakatra any Jerosalema hanatanterka ny famonjena antsika. Io Jesrosalema io no tany Kanana izay ampanantenanaina antsika. Mialoha ny ahatongavana any anefa dia sarotra ny lalàna ary maro koa ireo zava-mitranga. An’isan’izany izy teny ialy lazaina amintsika anio ity :ao ny maty nefa velona indray ary ao koa ny very nefa hita indray . Lio 15.32

Ny lioka faha 15

dia tantara efa mahazatra antsika loatra satria milaza momba ny fanjakan’Andriamanitra. Ka ao antin’izany fanjakana izany anefa dia misy ireo izay atao hoe “voaantso” ary ao koa ireo izay atao hoe “voafidy”. Ao izay antsointsika hoe ny – momba an’ilay olona nanana ireo ondry zato ka ondry very ny anankiray amin’izany (4-7), - ilay vehivavy nanakiray izay nanana farantsa (vola izany) 10 ary dia very , tsy hita ny farantsa anankiray (8-10) ary ity lehilahy nana zanaka roa ka ny iray lasa andeha rehefa avy nagataka ny fananay (ilay zanaka adala) (11-32).

Raha ny terehi-marika dia tsotra : ny voalohany , nilaozany ny ondry 99 mba ahazoany mitady ny ondry tokana izay very, ny faharoa, navelany ny faratsa 9 hitadiavany an’ity farantsa iray izay very. Ary eto amin’ity tantara izay jerentsika ity ny rainy dia tsy nitady azy fa ilay zaza no nanapa-kevitra niverina ka tazan’ilay rainy , izay efa niomana koa ny handray azy, tery lavitra ery..

Tamin’ny andaniny ny mpamory hetra sy ny mpanota izay nanatona ary nihaino an’i jesosy ary ny fariseo ary ny mpanoradalana izay nimonomonona ankilany satria niara-nihinana tamin’izy ireo i Jesosy. Misy andaniny roa izay azo lazaina, raha ny fivavahana jiosy no jerena,dia ao ny atao hoe “marina” na ny mpanaraka ny lalàna dia ireo farany ireto. Fa ao kosa izay heverina fa ao kosa ny mpanota. Koa raha ampiharina tsotra amin’izao teny novakiantsika anio izao dia toa milaza fa ireto Mpanoradalana sy Fariseo ireto dia asehon’ity zanaka faharoa izay nijanona teo amin’ny Rainy ihany; Ary ila zanaka voalohany izay heverina fa mpanota kanefa nanenina tamin’izay nataony dia ireto Mpamory hetra ary ny mpanota ireto izay marihina fa niaraha- nihinana tamin’i Jesosy.

Fa nahoana no nifarana tamin’ny fiarah-misakafo izao resaka izao ? Anisan’ny valiny azo entina dia ny hoe ny fanatonana ary ny fihainoana an’i Jesosy. Nisy resaka tao, nisy hafatra tao ary dia ireo hafatra sy resaka ireo no niasa tao amin’ireto izay noheverina ho mpanota ka niaraka nisakafo tamin’i Jesosy.

Raha mamaky ny fihetsikin’ny Mpanoradalana sy ny Fariseo isika : ity lehilahy Ity mandray ny mpanota ka miara-mihinana aminy. Dia milaza amintsika fa manome toerana ho an’i Jesosy ihany izy ireo. “Mandray ny mpanota” dia midika fa hoe olona manana ny toerany tokoa Jesosy eny na dia tsy eken’izy ireo ho Andriamanitra Aza.

Ray nanana zanaka roa

Raha jerena indray ity momba an’ity Ray izay nanana zanaka roa indray isika dia mahita fa ilay Ray izay lazaina eto dia miandry an’ity zanany izay heverina fa lasa ity. Matetika isika rehefa mijery an’ity tantara ity dia milaza na miantso izany hoe ny fanoharana Zanaka adala. Izany rahateo koa moa no lohateny, na ny tsindrimandry izay omen’ny baiboly izay matetika ampiasaintsika. Samy azo raisina daholo izy telo dia ny ray , ny zanaka lasa ary ny zanaka nijanona.

Raha jerena fohy ny amin’izy mirahalahy ireto, dia tena misy itoviazany ihany. Manolona an’ity rainy ity dia samihafa ny toetrany

* fa ny iray lasa nadeha rahefa avy angataka ny lovany.

* ary ny iray kosa nijanona teo amin’ny rainy ihany

Ny mapitovy azy indray dia izy roalahy samy nijery akaiky izay mety ho fananany mihoatra amin’ny lova mety ho azy mba hanaovany izay tiany hatao. Ao ny mandeha manao fiainana, ao kosa indray ny mifaly miaraka amin’ny sakaizany

Fa amin’ity anio ity isika dia ny momba an’ilay Ray izay tsy nitsahatra, araky ny tantara, mapiseho ny fitiavany an’ireto zanany ireto. Tsy araka ny fahamendrehana satria :

* ilay zandriny raha nahatsiaro fa tsy mendrika ny ho zanany intsony dia mbola noraisiny tahaka izany. Eny mihoatra aza.

* Ilay zokiny kosa raha nilaza tamin’ity zokiny hoe izay ahy dia anao

Ray vonona ny handray ny zanany nanenina nohon’ny toetrany hany ka tsy navelany hamita ny teniny fa tonga dia nifaly. Ray miandry izay manatona azy. Ray izay tsy mizaha tavan’olona fa mandray azy amim-pitiavana. Izay manatona ahy tsy mba holaviko mihintsy.

Ray mitady ny Azy

Raha jerena ireo fanoharana roa mialoha an’ity fanoharana momba an’ity ataontsika hoe zanaka adala ity. Dia mahita isika fa amin’ireo fanoharana ireo dia ilay tompony no mandeha mitady ny very. Toy izany koa izay hitantsika tamin’ny tantara Jos.5.10 –12. Tantara izay niseho tamin’ny andro Paska.

Ahitantsika ny tantaran’ny Zanak’Isiraely izay Andriamanitra, ny Ray, no nitady azy avy tany Egypta ka nitondra azy ireo ho any amin’ny tany Kanana. Ny tantara eto dia ahitantsika fa maro tamin’ireo izay nivoaka na novonjena avy tany Egypta no sisa velona eto. Eny fa na dia ilay Mosesy aza dia nosoloan’i Josoa. Efa akainy ho tonga ny ZI eto satria . tahaka ny Ray izay namela ny heloky ny zanany nandeha niala teo aminy kanefa niverina indray no nitenenan’i Jehovah tamin’i josoa hoe : androany no nanakodiavako ny fandatsan’i Egypta ho afaka aminareo. Jos5.9 izay hazavan’i Levita 18.3 hoe : Aza manao araky ny fanaon’ny tany Egypta, izay noenanareo; ary aza manao araky ny fanaon’ny tany Kanana izay hidiranareo fa ny didiko sy ny lalako no tandremo. Vita hatreto ny mana tany an’efitra satria tonga ny zanak’Isiraely. Mihinana ny vokatry ny tany izy ireo no sady miverina mankalaza ny fety Paska. Tahaka ny zaza very tany Egypta tokoa mantsy ireto ZI ireto ka mila averina any amin’ny tanin’ny rainy dia ilay Kanana. Azo raisina fa tahaka ny very izy ireto no hita

Ho mariky ny fifaliana , na

* ny voalohany dia ilay Ray niandry ny zanany izay nandany ny hareny tamin’ny hadalana izay efa noheverina fa efa maty kanefa velona indray

* na ny faharoa dia ny ZI izay very tany Egypta kanefa hita indray

Ny Ray dia nanao sakafo lehibe na amin’ny alalan’ny fiantsoana ny havana amantsakaiza izany na koa amin’ny alalan’ny fety Paska.

Tsy miova Jehovah ary mahatoky Izy amin’ny teny sy ny fampanantenany. Miandry anao koa izy ary te –hanao fety nohon’ny aminao. Satria ianao efa maty fa velona indray ary efa very fa hita indray. Amena

D.ANDRIANARIVO
FPMA Dijon
14 marsa 2010

 
Izy no henoy... Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   
..ity no zanako voafidiko; Izy no henoy.... Lio 9.35

Tafiditra amin’ny vanimpotoana fiomanana ny paska isika izao. Koa tahaka ny niomanan’i Jesosy 40 andro sy 40 alina tany an’efitra izay niafara tamin’ny fakan’ny devoly (mpampisaraka) Azy no mba iomanatsika kristiana koa ho amin’izany paska izany. Izany karemy izany dia tsy fety katolika ihany akory fa an’ny kristiana rehetra. Tamin’ny taonjato faha 4 nanodidina ny fivoriana tany laodikia (381 ?) no namaritana azy. Ny protestanta dia tsy nanova izany fa kosa ny teny izay toriny dia nataony mba hifantoka bebe kokoa ny amin’izany paska izany. Ary satria Jesosy,tsy nisotro na nihinana tany an’efitra dia lasa fotoana fifadian-kanina ny karemy.
Tamin’ny heriny ny filazantsara izay novakiana dia milaza indrindra ny amin’ny fakampanahy nahazo an’i Jesosy rehefa nifarana izany fotoana nisitahany tany an’efitra izany. Fantatry ny devoly na satana tokoa fa misy ireo fahalemena eo amin’ny olombelona toy ny sakafo, ny fahefana ary ny voninahitra. Tamin’izany no nahitana ny fandresen’i Jesosy ny devoly tamin’ny fampiasana ny Tenin’andrimanitra.
Amin’ity anio ity izay alahady faharoa amin’izany karemy izany dia toe-javatra hafa indray no hitantsika. Toe-javatra izay mifantoka amin’ny teny hoe : Ity no zanako voafidiko, izy no henoy (Lio 9.35). Feo izay henon’i Petera, Jakoba ary Jaona. Olona efa fantatsika saria efa hitantsika tao amin’ny Lio 5.10 izy ireo. Tamin’izany dia nolazaina fa i Jakoba sy Jaona dia zanak’i Zebedio ary izy 3 lahy ireto dia mpanjono. Raha tsy handeha lavitra isika fa hiala eo amin’ny Lio 9.18 ohatra dia mahita an’i Jesosy mivavaka izay mbola hitantsika koa eo amin’ny and.23.
Eto ny Tompo no manao karazan’ny "sondage/contrôle" kely amin’ireto mpianatra :
* ataon’olona ho iza moa aho ? (18). Jaona Mpanao batisa, Elia, anakiray amin’ny mpaminany
* Fa hianareo kosa manao ahy ho iza ? : Petera : Kristin’Andriamanitra, ilay voahosotr’Atra Nanaiky i Petera fa Kristy tokoa Jesosy.
Teo Jesosy no nilaza voalohany fa tsy maintsy hiaritra zava-tra mafy izy alohan’ny hahafatesany ary ny hitsanganany amin’ny maty. Nandrara ny tsy hilazalaza izany amin’ny olona izy (21). Nolazainy koa ny toetry ny olona izay ta-hanaraka Azy : handa ny tenanany, hitondra ny hazo fiajaliany isan’andro ka hanaraka Azy. Aorian’izao tantara izao kosa dia mahita isika an’i Jesosy namoaka an’ilay fanahy maloto izay tsy afaky ny mpianatra (40) tao anatin’ity zazalahy tokan’ny rainy ity. Izany tantara izany moa dia miafara amin’ny filazan’i Jesosy fanindroany ny amin’ny ahafatesany ary ny hitsanganany amin’ny maty. Koa eo anelanelan’ny filazan’i Jesosy ny hahafatesany ary ny hitsanganan’ny tenany amin’ny maty izao no isehoan’izao toe-javatra izao. Jesosy handeha hivavaka any an-tendrombohitra. Nentiny niaraka taminy i Petera, Jakoba ary Jaona. Teo ampivavahana izy no niova ny tarehiny, ary ny fitafiany dia tonga fotsy sady nanelatrelatra. Ary indreo nisy roalahy niresaka taminy dia i Mosesy sy Elia izay niseho tam-boninahitra ka nilaza ny fialany, izay efa hefainy any Jerosalema. Rahefa avy taitra tamin’ny torimasony i Petera sy ny namany no nahita ny voninahitr’i Jesosy sy ny namany..... Ary nisy feo avy any amin’ny rahona nanao hoe Ity no zanako voafidiko, Izy nohenoy. Ary dia nangina ireo ka tsy nilaza tamin’olona ny amin’ny zavatra hitany..
Inona no zavata hita ? Ny voninahitr’i Jesosy sy ny namany. Fa iza i Jesosy ary iza ireto namany no manana voninahitra Raha ireto namany no anombohana azy ohatra :
Mosesy : olona nalaza tokoa teo amin’ny Testamenta Taloha, Ilay olona nalaina tao anatin’ny rano tany Egypta. Nofidin’andriamanitra izy mba hitarika ny zanak’Isiraely ka hampamoaka azy ireo tamin’ny fandevozana nahazo azy ireo tany Egypta. Nihaona mivantana tamin’Andriamanitra izy ary tadiditsika tsara ny tantaran’ilay roimemy izay tany amin’ny tany Horeba, izay lazaina fa tendrombohitr’Andriamnitra. Andriamanitra niseho tamin’i Mosesy. Raha vao i Mosesy no resahina dia tadidy ny nahazoana bokin’ny lalàna ary ny didy folo tamin’i Jehovah. Raiamandreny teo amin’i Jiosy satria anisan’ny mpanorina, manafaka ary mpiadidy ny olomboafidin’andrimanitra dia ny Jiosy izany. Mosesy, olon’ny fialana tany Egypta nakany amin’ny tany Kanana na ny “exode” izany. Nijanona efapolo andro sy efapolo alina teo anatrehan’i Jehovah i Mosesy tany amin’ny tendrombohitra sinay. Tsy nihinana na nisotro rano izy tamin’izany (Eks 34.28).
Elia , na Jehovah no Andriamanitra, indray dia anisan’izay mpaminany malaza indrindra ao amin’ny testamenta Taloha. Efapolo andro sy efapolo alina i Elia no nandeha hamonjy ny tendrombohitr’i Horeba raha nandositra izy.( I Mpa 19.8). Izy dia natsangan’i Jehovah hamonjy ny Isiraely tsy ho lavo indray amin’ny fanompoan-tsampy. Ny ahatsiarovantsika azy dia izy nifaninana tamin’ireo mpaminanin’i Bala (I Mpaj 18). Tsy mba be teny i Elia fa manambara izay anirahan’i Jehovah azy izy dia lasa. Ohatra ny fiahaonany tamin’i Ahaba , mpanjaka (I Mpan 17). Amin’i Elia , ny fahamariana no tena zavatra. Tokana ny marina dia izay avy amin’i Jehovah. Araky ny lovantsofina jiosy dia izy no lehibe indrindra amin’ny mpaminany voalaza ao amin’i Tes. Taloha. Ireo olona roa izay nomen’i Jehovah ny teniny ka nanatanteraka izany. Olona izay manambara ny amin’ny atao hoe ny lalàna (Mosesy) ary ny Mpaminany (Elia) na ny testamenta manontolo no hita miresaka amin’i Jesosy eto. Jesosy miova tarehy anefa no hita eto. Tsy ilay Jesosy miaraka tamin’i Petera, Jakoba ary Jaona fa Jesosy miseho amin’ny voninahitr’Andriamanitra.
Tsy Jesosy olon’ny andron’i Mosesy fa Jesosy olon’ny fotoan’i Mosesy (exode) ary Elia izay marihina fa samy efa maty daholo. Izany hoe Jesosy efa tolohan’i Mosesy sy Elia no miseho eto. Amin’ny maha Andriamanitra Azy Izao fiovan’ny toetry ny tarehin’i Jesosy izao dia narahin’ny feo izay mbola ren’izy ireo koa dia ny hoe Ity no Zanako voafidiko, Izy no henoy. Mampahatsiaro antsika ny feo izay heno tamin’ny batisa an’i Jesosy ny hoe :
Ity no zanako voafidiko.I Matio dia miolaza hoe “ity no Zanako malalako izay sitrako (Mat.3.17). Andriamanitra milaza fa manan-janaka no heno eto. Jesosy izany zanany izany. Fantatry ny olona ny hasarobidin’ny hoe zanaka lahitokana arak’ny asehon’ny tantara manaraka dia ilay zatovo nampahorin’ny demonia ka netiny ho sitranin’i Jesosy (Lio.9.39).
Ny hoe Izy no henoy indray dia teny miverina matetika ho an’ny zanak’isiraely momba an’ireo olona izay nirahin’i Jehovah hitondra ny teniny.Anisan'izay lazaina fa fanekem-pinon'ny Jiosy io hoe Izy no henoy.Ny finoan'ny Zanak'isisraely tokoa mantsy dia miankina be dia be tamin'ny Fiahainoana an'i Jehovah. Ka hoy Izy rehefa miteny :" Ry Israely mihainoa : ." Miteraka fibebahana izany fiahainoana ny Tenin'Andrimanitra izany
. I Elia sy Mosesy no nilaza io fialan’i Jesosy izay ho efaina avy any Jerosalema io. No hoe “fialana” (31) dia mitovy dika amin’ny teny adikantsika hoe “eksodosy” izany hoe izay notanterahin’i Mosesy tamin’ny ZI avy tany Egypta mankany Kanana. Koa raha atao hoe Paska no nialan’ny ZI tany Egypta tamin’ny alalan’ny ran’ny Zanak’ondry tsy misy kilema natete isan-tokano dia toy izany koa ny paska kristiana izay nilatsahan’ny ran’i Jeosy izay lazaina fa zanak’ondrin’Andrimanitra manafaka ny fahotantsika. Ny fiainoana ny feon’ny Zanaka voafidin’andrimanitra dia milaza amintsika fa tokony hanana firaisana aminy isan’andro isaika amin’ny alalan’ny famakiana ny teniny. Izany ihany no ahazoantsika maheno ny feony.
Koa raha te-hahita ny voninahitr’Andriamanitra ianao dia tsarovy fa i Abrahama, izay norenesintsika teo ary koa iPetera dia, samy olona nifoha avy tamin’ny torimasony. Mila mifoha isika ary dia izany moa no teny ampiasaina matetika. Fa ny olona mifoha ihany no afaka hahita ny voninahitr’Andriamanitra. Mivantana amintsika ny teny : indro ny zanako voafidiko Izy no henoy. Raha tsy mifoha isika dia tsy afaka haheno izay lazain’io Zanak’Andriamanitra io.
Tahaka an’i Mosesy sy Elia, ny efapolo andro dia omen’Andriamanitra mba ahazoantsika mifoha amin’ny torimasontsika ka hanatonantsika azy toa an’i Elia na koa ny hihaonantsika aminy toa an’i Mosesy. Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.Amen

D.Andrianarivo
FPMA DIJON
28 febroary 2010
 
Manopy ny masony Jesosy... Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

..ary Jesosy nanopy ny masony tamin’ny mpianany.... Lio 6.20

Tamin’ny heriny isika dia nahita an’i Jesosy niantso an’i Petera sy ny mpiara-miasa taminy dia Jaona ary Jakoba rahalahiny. Volazan’i Lioka tamin’izany fa nahazo hazandrano betsaka izy ireo rehfa avy nanatanteraka ny tenin’i Jesosy : alatsaho amin’ny lalindalina kokoa ny haratonareo dia hahazo hazandrano betsaka hianareo ary dia nahatalanjona ny olona nanatrika izany.

Noresahintsika tamin’izany ny momba ny : - Ny antson’Andriamanitra : Isaia, Paoly ary Simona Petera, - Ny votoatin’izany Antso izany, - Ny fiainana ny Antson’Andriamanitra .

Tamin’ireo teny izay norenesintsika dia manitona ny saina ny teny hoe : Sambatra ary Loza, indrindra fa tamin’ny lioka. Izany fahasambarana na loza izany dia nolazain’i Jesosy tamin’ireto mpianany (ny vahoaka sy ny apostoly) izany rehefa nanopy ny masony tamin’izy ireo Izy ary dia niresaka tamin’izy ireo izany izy ka nanambara ny amin’ny fahasambarana ary ny loza. Fa nahoana tokoa moa no misy ireo izay sambatra ary misy ireo izay mahazo loza ?

Ny antony ?

Tonga teo amin’i Jesosy ireto olona ireto nohon’ny antony maro.

* Tao ireo izay nantsoin’i Jesosy mivantana ka nofidiny ho mpiara-miasa aminy mivantana dia ireto roambifolo lahy izay nataony hoe “apostoly” (and.14)

* Tao koa ireto izay lazainy fa mpianany izay entina ilazana an’ireo olona izay nandray ny fampianarana nataony. Izany hoe malalaka kokoa nohon’ny hoe Apostoly.

Tamin’ny vanim-potoana niainan’i Jesosy sy Jaona dia nisy ny atao hoe mpampianatra ary nisy ny atao ohe mpianatra. Indrindra fa teo amin’ny tempoly sy toeram-pivavahana. Manofana olona hanohy ny asa nataony ireo olona lehibe toa an’i Jaona na Jesosy .

Vanimpotoana ilazana ireny olona ireny ho mpaminany izany. Teo amin’ny Israely tokoa mantsy rehefa nangataka mpanjaka tamin’i Jehovah izy ireo dia nisy koa izay irak’Andriamanitra nitondra ny teniny ho an’ny mpanjaka na ny olony. Ireny mpitondra teny ireny no atao hoe Mpaminany. Ny ambetin’ny hafatra izay nentin’ireto mpaminany ireto dia ny hijanonan’ny Zanak’Isiraely ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

Io mpaminany io no hitantsika eo amin’ny and.23. Tamin’ireny mpitondra teny ireny na iraka anefa dia tao ny tena nitondra ny iraka marina sy mazava ary tao koa ireo izay nanova izany teny nampitondraina azy izany. Iretsy nanova hafatra no lazaina hoe : mpaminany sandoka. Izany no anamafisan’i Jesosy ny fisian’ny atao hoe mpaminany sandoka and.26. Ny mpaminany sandoka dia ilazana ireo olona mitonotena ho mpaminany fa tsy nalefan’ny Tompo na koa nalefa fa nanova izany hafatra izany.

Koa ny fahasambarana dia mifandray amin’ny mpaminany ary ny loza kosa dia miaraka amin’ny atao hoe mpaminany sandoka.

Fa iza tokoa moa ny mpaminany ?

Ny mpaminany

Teo amin’ny jiosy, ny mpaminany dia mpitondra ny tenin’Andriamanitra izay mazana mifanohitra amin’izay tian’ny vahoaka hohenoina. Hany ka toy

* ny teny mahery izany raha toa ka diso lalana ny vahoaka na diso fiheveran-javatra (tromper de valeur), mampitahotra : izany ni ilazany hoe lozanareo

* teny mampahery kosa raha toa ka mandalo fotoan-tsarotra na diso fanantenana : fahasambarana

Ny fahasambarana tokoa mantsy dia midika hoe :”ho irin’olona ianareo ato ho ato” satria manana zavatra izay tsy ananany Marihina fa olona toa manana olana daholo : marary, andevozin’ny fanahy maloto, mila fampaherezana no tonga manatona an’i Jesosy

Ny mpaminany dia tsy manana fotoana na alefa hanangona vola sy harena ary koa hanao tokambarotra ny tenany fa kosa hanatanteraka izay nanirahana azy dia ny fitoriana ny fanjakan’Andriamanitra. Io fanjakan’Andriamanitra io dia tanteraka ao amin’i Jesosy Kristy.

Lazaina eto fa ny tena mpaminany dia izay miaraka aminy. Miaina ao anty ny fahasambarana izy ireo satria azy ny fanjakan’Andriamanitra. Ireo fahasambarana efatra lazaina ireo dia efa tanteraka tao amin’i Jesosy Kristy. Ary ny mpomba Azy dia hanaraka izany lalana izany koa. Milaza Jesosy fa ny tena Mpaminany dia halan’ny olona satria izany no nataon’ny razany taloha. Kanefa kosa tokony hifaly izy ireo naao aza izany satria lehibe ny valimpitia any an-danitra. Ary izany no lazain’i Jeremia, mpaminany,tamin’ny teny izay norenesintsqika teo : voaozona izay olona matoky olona fa hotahina kosa izay olona matoky an’i Jehovah (Jer.17.7). Ary izany olona matoky an’i Jehovah izany dia tahaka ny hazo ambolena eo amin’ny rano velona, izay mamoa amin’ny fotoany (Sal.1).

Kanefa mampitandrina koa ny Tompo ny fisian’ireo mpaminany izay atao hoe sandoka. Ireo indray dia tian’ny olona satria milaza soa ho an’ny olona izy ireo. Tsy ny mahasoa azy no lazainy fa izay teny hitany fa ahazoany ny fon’ireto olona ireo. Tsy ny Tenin’Andriamanitra no lazainy fa ny teniny. Hany ka manankarena, voky ary mihomehy/faly lava izy ireo satria azony izay tiany. Tsy ny harena, ny fahavokisana ary ny fifaliana akory no tsy tian’i Jesosy ka anenjehany azy ireo fa kosa ny tsy anatanterahany ny baiko izay tokony hataony dia izay iraka ampanaovin’Andriamanitra azy ireo:

* Tsy naniraka azy aho na nandidy azy na niteny taminy fa fahitana mandainga sy faminaniana tsy marina ary tsinontsinona sy fitaky ny fony no aminaniany aminareo Jer.14.14

* Izao no lzain’i Jehovah, aza miahaino ny tenin’ny mpaminany izay maminany amianreo fa manadala anareo ireo. Ny fahitana avy ao am-pony no lazainy fa tsy izay aloakin’ny vavan’i Jehovah (Jer.23.16)

Koa raha latsaka amin’izany fanarahana mpaminany sandoka izany ianao/isika dia mila miaina fiainana vaovao ka mamony ny tena teo aloha ary mianina fiainana vaovao toy ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ary izany no namakiana ny teny tao amin’ny Ikor 15

Fitsanganan’ny tena amin’ny maty.

Io no lalana atoron’Andrimanitra hivoahantsika miala amin'ny loza mankany amin'ny fahasambarana. Jesosy no santatr’izany fitsanganan’ny tena amin’ny maty izany. Fa raha tsy natsangana tamin’ny maty Kristy dia foana ny tori-teninay ary foana koa ny finoanareo. Io fahafatesana arahin’ny fitsanganana io no lalàna atolotr’Andrimanitra hialantsika amin’ny loza ka handraisantsika ny fahasambarana. Efa nentin’i Jesosy ny loza tokony hihantra amiko sy ianao fa fahasambarana kosa no atolony.

Miova ny fijeren-javatra. Ny fahasambarana akory tsy manameloka ny harena na ny manakarena na koa fanoezana antoka fa hahazo avy hatrany fahombiazana ianao. Fa kosa fanovana fijeran-javatra. Jesosy tsy manome antsika ny vaha-olana na ny ‘rrestte” ho amin’izany fa kosa milaza fa Izy ihany no fiainana. Ary izany fahasambarana lazainy izany dia mifototra amin’ny atao hoe fitiavana/fifankatiavana.

Antso ho antsika izao ataon’ny Tompo izao.Tamin’ny heriny, hitantsika fa raha nankato ny tenin’i Jesosy hoe alatsaho amin’ny lalina ny haratonareo dia nahita ny vokany i Petera ka nizara izany tamin’i Jekoba sy jaona zanak’i Zebedio. Izany koa no iantsoana antsika amin’ity anio ity.Raha mahita mpaminany sandoka ianao ka mitondra fampianarandiso dia aza miahaino azy fa mialà aminy ka miova lalàna izay lazaina fa manome anao fiainana vaovao ka toy ny mitsangana amin’ny maty ianao. Eny na dia sarotra aza ny miaraka amin’ny Tompo dia mitondra fifaliana, fahasambarana ary mibitaha fa lehibe ny valim-pitianreo any an-danitra. Ary izany no antony anompizan’i Jesosy ny masony aminao mba hilazany an’izany fampitandramana sy fanantenana ary toky ho anao izany anio.
Amen

D.ANDRIANARIVO
FPMA DIJON

Alahady 14 febroary 2010


 
<< Début < Précédente 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 Suivante > Fin >>

Résultats 10 - 18 sur 103
 
Joomla Templates by Joomlashack