A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga056.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Toriteny
Toriteny
Ny olon-dratsy koa Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Ity no mpanjakan'ny jiosy Lio 23.38
Any Golgota na lazaina koa hoe Ikarandoha ny Tompo Jesoa amin'izao tantara misy antsika izao. Jesosy izay homboana eo amin'ny hazofijaliana no atrehintsika eto izao. Hazofijaliana nasian'i Pilato soratra hoe JESOSY AVY ANY NAZARETA, MPANJAKAN'NY JIOSY. Nosoratana tamin'ny teny hebreo ho an'ny jiosy, latina ho an'ireto mpanjanatany sy ny miaramila ary grika izay teny nifaneraserana tamin'ny fotoan'androny. Tantara izay lokoin'ny fiantsoana an'i Davida ho mpanjaka nohon'ny fangatahan'ireto Zanak'Isiraely (IISam 5:1-3) ary koa Jesosy mpampihavana tamin'ny alalan'ny rany latsaka teo ambony hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana (Kol 1 : 12-20).

Tohiny...
 
Ilay singambolo iray Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin’ny lohanareo aza Lio 21.18

Any Jerosalema ny Tompo Jesoa izao miteny izao. Koa rehefa avy nifanerasera tamin’ireo an-tokon’olona samihafa tamin’ny alalan’ireo fanotaniana maro isan-karazany toy ny

* Lohan’ny mpisorona sy ny loholona momba ny fahefan’i Jesosy 20.1-18

* mpitsikilo nalefan’ireto lohan’ny mpisorona sy ny mapanora-dalana ny amn’ny fandoavan-ketra 20.19-26

* Sadoseo : ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty : 20.27

* Fariseo : ny maha Zanak’Andriamanitra Azy : 20.47

Eto ny Tompo dia mandray fitenena ny Tompo rehefa nidera an’ilay mpitondra tena nandatsaka farantsan-kely 2 tao amin’ny tempoly dia nivoaka ny tempoly ary nitodika amin’ireto mpianatra, araky ny fitantaran’i Matio 24.1-3

Izao fampianaran’ny Tompo momba ny eschatologie na ny fiafarana na ny izay mety ho fiafaran’ny olombelona sy ny tontolo iainany aorian’ny fahafatesana. Izay tsy hafa akory fa izay lalana ombanIzy Tompo ihany dia ny fanenjehana Azy, ny famonoana Azy , ny fitsanganany amin’ny maty ary ny fandraisany an’ireo izay nino ny asa nataony. Jao 14.3 : ary handeha aho hamboatra fitoerana ho anreo , dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay hitoerako ny hipetrahanareo

Azo zaraina 3 izao tantara izao nosoratan'i Lioka izao:

* 5-7 momba ny handravana ny tempoly

* 8-11 fiatombohan’ny fahoriana : mpamitaka, ady, horohoron-tany sns

* 12-19: fanenjehana izay ho tonga mialohan’izy roa teo aloha: fisamborana , fanantrehana manam-pahefana, fijoroana vavolombelona, ny amin’ny fahatokiana satria misy ny mpisolovavaka sy ny mpananatra.

Koa lazain’i Lioka eto fa mialohan’izany rehetra izany , noho ny Anaran’i Jesosy Tompo, dia:

* hisambotra anareo izy na koa hatolotry ny fianakavianao v.16

* ka hanenjika

* ary hanolotra eo amin’ny synagoga sy ao an-tranomaizina ary ho entina eo azmin’ny mpanapaka

Dia ho tonga ho vavolombelona ianareo

Vavolombelon’i Kristy :Io no tian’i Jesosy ahatongavan’izay manaraka azy eto. Ny hoe vavolombelona dia ireo izay nandre, nahita, nahatsapa tanana ny amin’ny Tenin’ny fiainana IJao.1.1-2) ka manambara izany amin’ny hafa mba ahazoanby firaisana amin’I Jesosy koa.

Araky ny lalàna jiosy anefa dia tsy maintsy misy vavolombelona tsy latsaky ny 2 no mifanara-teny vao azo antoka ilay izy (Nom 35.30, Deot 17.6). Izay vavolombelona tsy mety miteny ny zavatra hitany na fantany koa anefa dia natao ho meloka teo amin’ny Jiosy (Lev.5.1). Toy izany koa ny vavolombelona mandainga dia nofaizina mafy (Deo.19.16-19).

Ny teny grika nandikana ny hoe vavolombelona dia maritiora : olna sahy mijaly sy mahafoy ny ainy nohon’ny finoana nofikirny (Lio 24.48; Asa 1.8)

Teny ilazanantsika an’ireo zokintsika nihazona ny finoany tany Madagasikara toa an’I Rasalama, Victoire Rasoamananarivo, Rafaralahy Andriamazoto sns.., Marihina fa tamin’ity taona ity sika diamankalaza ny faha 170 taonan’izany fotoana izany.

Koa ny vavolombelona, na inona hidona na inon-kiantra , dia sahy manambara izay hitany sy reny.

Fantantsika fa Jesosy Kristy dia an’isan’izany. Tsy lefitra izy teo anolon’ireo mpitondra fiangonana , indrindra fa nympitondra fanjakana tamin’izany fotoana izany.

Ary izany toetra izany dia tokony hanantsika koa satra ho amin’izany no niantsoana antsika Betsaka amintsika no manafina ny tenany hoe kristiana rehefa misy manontany. Hoy ny Tompo tsy azo afenina ny tanana miorina eo amin’ny tampon-tendrobohitra..

Na dia hisy aza izany fanenjehana izany dia mampanantena ny Tompo fa tokony:

* tsy hihevitra velively izay havalintsika isika . Fa Izy no hanome antsika vava sy saina izay tsy azon’ny fahavalontsika valiana akory v.14

* fa ny Fanahin’ny Ray no hiteny ho antsika Mat.24.20

* ary tsy hisy na dia singam-bolo iray amin’ny volonareo aza dia tsy ho very.

Tsy antsika ny ady. Kanefa koa tsy antsika no hitady ady. Ny anjarantsika dia ny mijoro ho vavolombelona.

Inona ary no tokony hataontsika eto amin’ny FPMA Orléans manoloana an’izao teny izao ?

Asantsika eto amin’ny FPMA Orléans izany. Koa aza misalasala. Mahereza sy mazotoa fa ny Tompo homba anao

. Amena

 
Tsy an'ny maty Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Fa Izy tsy mba Andriamanitry ny maty fa an’ny velona Lio 20.38

Ny tantaran’ny resaka nifaonavan’ireto sadoseo tamin’i Jesosy izao resahina eto izao. Eo am-piankarana mankany Jerosalema Jesosy izao. Ny Hazofijaliana, ny fahafatesana ary ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty no miandry azy araky ny voalazan’ny filazantsara. Jesosy izay ipetrahan’ireo fanontaniana maro ho entina amandrika Azy taorian’ny nandroahany an’ireo izay nivarotra tao amin’ny tempoly ka nitenenany tamin’ireo mpivarotra hoe ny tranoko dia trano fivavahana (Isa 56.7) fa ianareo manao azy ho zohy fieren’ny jiolahy (Jer 7.11).

Taorian’izany moa dia nampianatra isan’andro teo afovoan’ny tempoly . Fa ireo mpisorona, sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona nitady izay hahafaty Azy Lio 19.47. Nitohy ireo fanotanianireto mpisorona, sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona nentina hamandrika an’i Jesosy toyny fahefany, vola ho an’i Kaisara, sns.

Efa tonga ao Jerosalema ny Tompo eto. Ary dia mahatsapa ireo olona eo amin’ny fitondram-piangonana ny amin’ny loza izay mety hahazo azy ireo avy amin’ity Jesosy ity. Arakaraky ny irosoan’ny andro no irosoan’izany koa amin’ny isan’ambaratongany.

Eto isika dia mahita, antokon’olona iray izay izao no mba hita voalohany raha ny filazantsaran’i Lioka no resahina dia ny Sadoseo izany.

Fa iza moa ireto sadoseo ireto ? Ny Mpandinika maro dia milaza fa ireto antokon’olona ireto dia niala avy tamin’i Zadoka zanak’i Ahitoba izay hita ao amin’ny boky Itan 18.16. Io Zadoka io no noheverina tamin’ny andron’i Davida sy Solomona zanany fa tena mpisorona. I Ezekiela az dia andray azy ireo ho filohan’ny mpisorona (Ez 40.46). Ny dikan’’ny hoe Zadoka : marina, mahitsy. Koa izay taran’i Zadoka ihany no tena mpisorona.

Ny anarana hoe sadoseo izay avy tamin’ny Zadoka dia tsy hita any amin’ny Testament Taloha. Ny 200 talohan'i Jesoa Kristy no niandohan’nny hoe hoe Sadoseo. Nolavin’izy ireto ny amin’ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty (Mar 12.18) ary koa ny fiainana any an-koatra. Eto ny vahoaka dia efa saiky lasa nanaraka ny Tompo tamin’ny niakarany tany Jerosalema. Mila ho voahozongozona ny fahefan’ireto mpisirona be ireto dia ny sadoseo izany ka mikendry ny hamely an’i Jesosy koa izy ireo. Sadoseo izay manohana ny mpisoronabe tamin’izany.

Koa ireto sadoseo ireto no manatona an’i Jesosy . izy ireto hametraka ny fanontaniana momba an’izany fitsanganan’ny tena amin’ny maty izany

Eto ary iska dia mahita an’ireto sadoseo ireto mametraka fanotaniana an’i Jesosy : nolazainy alohany lalàna mifehy izany araky ny lalan’i Mosesy Deot 25.5 raha misy manan-drahalahy maty, tsy niteraka, ka mbola velona ny vadin’ilay maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra an-dravehivavy ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny Rehefa nandeha ny tantara dia samy nandalo teo amin’ilay vehivavy daholo izy 7 mirahalahy, izay samy tsy niteraka. Izay vao maty ilay vehivavy.

Ny fanontanian’ireto sadoseo amin’ny fitsanganan’ny maty, ho vadin’iza moa ravehivavy ? satria efa nanambady azy avokoa izy 7 mirahalahy. and.32

Namaly ny Tompo ka nanazava fa tsy mitovy amin’ny fiainana amin’izao fotoana izao ny fiainana amin’ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty.

* Izay tsy hisy mpampaka-bady na avoaka hampakarina.

* Tsy hisy intsony ny fahafatesana

* Fa mitovy amin’ny anjely

* Sady zanak’Andriamanitra satria zanaky ny fitsanganan’ny maty

Ilay Andriamanitra izay niteny tamin’i Mosesy fa Andriamanitry ny razanao raha sendra nahita an’ity Voaroy izay nirehitra fa tsy nety levona i Mosesy .Andriamanitry ny velona fa tsy ny maty.

Hitantsika izany tamin’ny tantara izay novakiantsika tao amin’ny bokin’i Daniela ny amin’ireto 3 lahy nijoro ho vavolombelona ka tsy niankohoka tamin’ny sampin’i Nebokadnezara, mpanjaka ,fa nidera sy nankalaza an’Andriamanitra izay noheverin’zy ireo fa hamonjy azy tamin’ny afo dia i Sadraka, Mesaka ary Abednego. Ary dia izany tokoa ny niseho. Tsy levona izy 3 lahy ka na dia ny mpanjaka aza dia nidera an’io Andriamanitr’izy telo lahy io tahaka izay nataon’i Mosesy raha nahita an’ity Voaroy tsy nety levona koa.

Inona ary moa no tokony hataontsika ?

Hitantsika eto ny fahaizan’i Jesosy ny tantara. Raha niteny an’i Mosesy ireto sadoseo ireto, izay tsy hafa akory fa havany ihany satria i Jesosy Kristy koa anie dia taranak’i Zadoka (Mat 1.14). Novaliny tamin’ny tantaran’i Mosesy koa izany.

Mila mahalala ny tenin’andriamanitra isika ahazoantsika miady amin’Ilay ratsy. Betsaka ny tsy mahalala n ny dikany ka mandray an-tendrony fotsiny toy ireto sadoseo ireto. Raha ny marina dia ny sezan’izy ireto no tena tandremany ka mitady izay haimpangany azy izy ireto. Malaza tokoa izy ireto ny amin’ny tsy finoany ny fitsnaganan’ny tena amin’ny maty. Tsy azony fa rehefa miana amin’izany fiainam-baovao izany anie dia tena fiainana tsy mitovy amin’izao fiainana izao satria

* tsy misy ny atao hoe fanambadiana sady tsy mampakatra no ampakarina

* mitovy amin’ny anjely :midera an’Andriamanitra, irak’Andriamanitra

* Zanak’Andriamanitra : mpirahalahy amin’i Jesosy

Ny fahavelomana no tian’ny Tompo omena anao raha manolotra ny tenanao ho Azy ianao anao anio

Betsaka ny olona manodidina anao ny mety hametraka fanotaniana toy ireto sadoseo ireto satria fantany fa mankaty am-piangonana ianao na efa andray ny famonjena ianao raha ny marina kokoa.

Tsapanao ve fa miaina ao anatin’ny fahavelomana ianao ? Feno fiderana ny fiananao. Te-hitondra anao miala avy amin’ny fahafatesana ny Tompo hankanesanao any amin’ny fahavelomana. Izany no anambarana aminao ny Tenin’Andriamanitra. Raha tsy izany dia very andro ianao mankaty an-tranon’Andriamanitra.

Tsy fomba fotsiny izany fa tena fiainana velona no aroso ho ano. Tena misy tokoa ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty raha toa ka manaiky an’i Jesosy ho Tompon’ny fiainanao ianao. Tsy ny maty ara-nofo ihany akory no maty fa ny maty aram-panahy ihany koa. Fa raha ho lo io tenanao na ny vatano io. Ny fanahy kosa dia hisy fitsarana.

Ny Andriamanitra izay ivavahantsika dia Andriamanitry ny velona: olona izay nandray an’i Jesosy Tompo ho mpamonjy azy fa tsy manampy zavatra hafa akory.

Koa dia raiso ary izany Jesosy izany ho anao dia ho vonjena koa ny fianakavianao.

Asantsika eto amin’ny FPMA Dijon izany. Koa aza misalasala. Mahereza sy mazotoa fa ny Tompo homba anao

. Amena

 
Mpanendry Mpanapaka Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Hotendreny ho mpanapaka ny ny fananany rehetra izy. Mat 24 : 47

Tamin’ny farany teo isika dia niresaka momba ny atao hoe fanompoana na adika hoe “dia-konia”. Ny teny hoe diakonia dia mizara roa :

- dia : manapaka (à travers)

- konia = vovoka (poussière).

Koa raha fantatatsika fa ny vovoka no namoronan’Andriamanitra an’i Abela dia mazava ho azy fa raha adika malalaka amin’ny teny malagasy dia asa natao ho an’ny vovoka na ny olona ary izany no ampiasaina azy ao amin’ny testamenta vaovao hoe asa natao ho an’ny hafa. Betsaka moa no mandika azy hoe asa fanaovan-tsoa. Hoy isika tamin’ny tapa-bolany hoe : ny diakonia no fototry ny asan’ny kristiana.

Inona no lazaina eto ?

Eto isika dia mbola ao anatin’ny tantataran’ny fahatongavan’i Jesosy tompo tao Jerosalema. Somary miova kely ny boky nakana azy satria raha tamin’ny farany teo dia ny filazantsara nosoratan’i Lioka no nakana azy. Amin’izao fiatombohan’ny taom-piangonana vaovao izao dia ny Filazantsara nosoratan’i Matio kosa no nakana azy na dia misy ihany aza ny ny mahasamy hafa azy.

Ohatra::

- Raha ny Lioka 21 no mitovy fijery amin’izao tantaran’ny Matio 24 izao dia tsy hita ao ity tantara

- Ao amin’ny Lio 12 : 42 -46 no ahitana ny fitoviam(pijery. Tsy hita izao tantara izao ao amin’ny Marka

- Tsy azo ampitoviana amin’ilay tantara ao amin’ny Lio 16 : 1 – 9 izay fantantsika momba ny “mpitandrina tsy marina” izao fanoharana izao

Ny foto-kevitra izay tian’ny mpanoratra avoaka eto dia ny fiambenana . Hatramin’ny voalohany ny mpianatr’iJesosy and.3 dia nanotany azy mangingina mba ahafantaran’izy ireo ny amin’izay fotoana hihavian’ny tompo ary ny fahatamperan’izao tontolo izao . Ataoko koa fa fanontaniana tena mipetraka amintsika ary na dia isika aza dia mba mila valiny koa.

Io no valiny atolotry ny Tompo amintsika : mitandrema fandrao hisy hamitaka anareo:

- maro no ho avy amin’ny anarako ka hilaza hoe : Izaho no kristy (voatokana),...

- satria filazana ady ,....

raha adika tsotra dia Kristy hitondra ady fa tsy fiadanana no ho tonga : antikristy

Fa hoy ny Tompo : Fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena and.13. Teny izay nomena antsika tamin’ny farany teo.

Fa inona kosa ary moa no tokony hataontsika.

Raha izao fanoharana izao dia miresaka momba ny mpanompo (doulos na andevo) mahatoky sy manantsaina an-trano ny tompo izay hifehy ny mpanompony (zanaka, mpianatra) mba hanome azy hanina amin’ny fotoana .

Io fotoana (temps opportun) io no tena ipetrahan’ny foto-kevitra satria ao ny manantanteraka ary ao kosa ny mangataka andro.

Ny asa dia ny fanomezana sakafo.

Betsaka ireo mpandinika ny manotany hoe : Iza moa ity mpanompo ity ? raha raisina fa ny trano voalaza eto dia ny trano’Andriamanitra diam azava ho azy fa ireo izay nantsoin’Andriamanitra hiasa ao an-tanimboliny no resahina eto.

- Tamin’ny andron’i Jesosy dia heverina fa ireo mpanora-dalana, ny mpisorona,

- Taorian’i Jesosy Tompo , i Paoly aza dia milaza ny tenany fa ao anatin’io mpanompo (andevo ) . Ireo mpanompo ireo dia notendrena mba hanome sakafo ny zanan’Isrely, izany hoe hitandrina na hampianatra azy.

- Ary raha amin’izao fotoanan-tsika izao dia ny mpitandrina, isika ray ama-ndreny, tompon’Andraikitra rehetra no lazaina fa mpanompo eto

Isika dia nantsoin’i Jesosy hitandrina ny mpanompony, dia ireo zananay mbola kely.Hanome azy ireo sakafo : ny tenin’Andriamanitra, ahavelomany.

Tsy hanao anakam-po toy ilay lazaina hoe mpanompo tsy marina ka hanao hoe “toa haharitra ela ny fiverenan’ny Tompo ary hangataka andro vokatr’izany ahazoana manao fanompoana ho an’ny filàna, ho an’ny nofo ary ny fimamoana. Io faharetana ela io no an’isan’ny fahavalontsika satria tsy maharitra isika ary izany no mila fiambenana.

Betsaka ny tsy tonga maka sakafo aty am-piangonana ny olona eny fa ny eto amin’ny FPMA Dijon ihany aza. Anjarantsika ny mamoha, mitarika azy ireo ho tonga handray sakafo. Izany no andrasan’i Jesosy hataontsika ary raha manao izany isika dia mamonjy sy tenantsika sy ny namantsika koa. Izany ho fiambenana atolotr’i Jesosy antsika amin’ity anio ity. Mila miasa isika fa foana ny finoana tsy msy asa hoy ny Apostoly Paoly

Inona no valiny

Ny andininy 46 dia milaza amintsika ny misy ny fahasambarana. Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra. Matetika miverina io teny io ohatra:

- Lio 22: 29 Koa Izaho diamanendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren’ny Raiko ho ahy.

- Mat 25 21 raha miteny momba ny fanoharana ny amin’ny talenta ny Tompo : Tsara izany ry mpanompo tsara sady mahatoky fa nahatoky hatramin’ny kely ianao ka hotendreko hanapaka ny be. Midira amin’ny fifalian’ny tomponao.

Amin’ny fomba fitenintsika amin’izao fotoana izao dia toy ny hoe nahazo “promotion” ilay olona. Promotion feno .

Koa amin’izao fotoana iandrasantsika ny fahatongavan’ny mpamonjy io dia manentana antsika ny Tompo mba hiambina ka haharitra hatramin’ny fahatongavany. Tsy amin’ny krismasy na ny noely ihany fa ny fiandrasana Azy eny amin’ny rahon’ny lanitra.

Ny fanontaniana apetraka aminao :

- Mba firy moa izao no mpanompo mba efa nomenao hanina.

- Mba efa nomenao hanina avy amin’i Jesosy ve ny tenanao?

- Miainga avy eo aminao izany izay vao mitatra any amin’ny hafa.

Fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.

Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, Izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.

Amen

 
Mihainoa, Mihainoa Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Raha tsy mihaino an’i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy na dia misy mitsangana amin’ny maty aza. (Lio 16.31).
Faly miarahaba antsika amin’izao alahady atokantsika hanokafana ny taom-pianarana 2007-2008 izao. Koa dia arahabaina daholo isika rehetra, indrindra fa isika izay izao vao tonga eto amin’ny FPMA Dijon ?

Tohiny...
 
<< Début < Précédente 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 Suivante > Fin >>

Résultats 55 - 63 sur 103
 
Joomla Templates by Joomlashack