A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga034.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Toriteny
Toriteny
Mba te-hiala ? Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

" Hatramin' izany dia maro tamin'ny mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony. Dia hoy Jesosy tamin'ny roa ambin'ny folo lahy: Hianareo koa va mba te-hiala?"

Ity Jaona 6 ity ry havana dia isan'izay mirakitra fanambaràna lehibe sy sarobidy ato amin'ny filazantsaran'i Jaona ary ato amin'ny testamenta vaovao iray manontolo satria milaza ny fifandraisan' Andriamanitra sy Jesoa Kristy zanany izay nirahany ho ety amin'izao tontolo izao ho mofon'aina, ho rano mahavelona ho an'izao tontolo izao. Ary ny fihinanana izany mofo izany no hanànana fiainana mandrakizay ary ny fisotroana ny rany no hananana ny fifandraisana amin' Andriamanitra ary miantoka ny fitsanganana amin' ny maty.

Izany filazana mivantana ary tsy ampoizina, indrindra ho an'ny sofina jiosy izay, ny azy ny finoana an' Andriamanitra tokana izay misaraka amin'ny olombelona no tena nahavantana azy indrindra, kanefa eto dia lazaina ankehitriny fa naniraka an'i Jesoa Zanaka izay tao Aminy hatramin'ny mandrakizay ka mandrak'ankehitriny dia sarotra inoana izany.

F'angaha Andriamanitra nanana zanaka izay tao Aminy hatrizay hatrizay ka nampidina izany zanany izany ho tonga olombelona tety amin'izao tontolo izao tao amin'ity Jesoa avy any Nazareta ity, atao ahoana re ny fino an'izany? Ka ity Jesoa ity no lazaina fa antoky ny fiainana, tsy ny ankehitriny ihany fa izay lazaina fa fiainana tsy manampahataperana.

Miteraka fahatafitohinana ny fanambaran'i Kristy

Koa sarotra izany teny izany hoy ny olona, ahoana ny fomba handraisana an'izany? Ahoana ny fomba inoana an'izany? Ary miteraka fahatafitohinana ny fanambaran'i Kristy ny tenany izay milaza hoe: " Izaho no mofon'aina, Izaho no rany velona izay omen'ny Tompo anareo".

Ary izany fanambaràn'i Kristy izany, mandrak'ankehitriny dia teny sarotra inoana ho an'ny olona betsaka, ho an'ny olona izay toy ny Jiosy fahizany, olom-boataiza taty amin'ny fiangonana kristianina, izay kristianina ihany, raha ny anarana na ny fiaviana kanefa mandà an'i Kristy, dia tantarain'ny epistily nosoratan'i Jaona rahateo raha vakiana izay any amin'ny toko faha 4 any amin'ny epistily voalohany izay novakiana teo moa ny toko faha 5 fa be ireo "anti-Kristy" izay mandà ny nahatongavan'ny Zanak'Andriamanitra ho nofo, izany hoe olombelona feno ety amin'izao tontolo izao. Ary misy mandrak'ankehitriny antokom-pivavahana, firehina teolojika, izay tsy manaiky an'izany hoe Jesoa dia ilay Zanak'Andriamanitra hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay, fa heverina fa ohatra antsika olombelona ihany izay nomena anarana petaka hoe mba zanak'Andriamanitra é!

Zanaka natsangana anefa isika, fa i Kristy dia zanaka izay tao amin'Andriamanitra manokana hatramin'ny voalohany ary Izy ihany izay tao an-tratran'Andriamanitra no afaka manambara an'Andriamanitra amintsika.

Betsaka ny olona makany an-tokantranontsika mampianatra izany tahaka ny Vavolombelon'i Jehovah ary izay ny maha TSY kristianina ny Vavolombelon'i Jehovah, mazava loatra na dia mikirakira baiboly fatratra aza fa antokom-pivavahana avy amin'ny baiboly no fivavahan'ny Vavolombelon'i Jehovah fa TSY kristianina satria tsy manaiky ny famonjena izay avy amin'i Kristy Zanak'Andriamanitra, Andriamanitra avy tao amin'Andriamanitra.

Ary tahaka izany koa ny firehana teolojioka sasany ilay atao hoe "libéral", any am-pitan-dranomasina any, misy paroisse réformée ao Paris izay tsy azo itorina ety ambony pilipitra fa Jesoa Kristy no Zanak'Andriamanitra, misy izany an! Ao Paris mandrak'ity ny androany, raha mitory an'izany ianao ao dia asain-dry zalahy miala eny ambony pilipitra satria ny azy tsy izany fa i Kristy dia ohatry ny hoe mpaminany, olo-kendry sns..., nefa ao amin'ny Eglise réformée de France izany an!

Inona no tsy zavatra mitranga eto amin'izao tontolo izao?! Satria ho an'ny olona toy izany dia teny enjana ny filazan'i Kristy fa Izy no ilay fiainana ka raha tsy mandray azy ny olona, raha tsy miombona Aminy ny olona, amin'ny alàlan'ny fandraisana ny fanasan'ny Tompo ary izany moa no ilazany hoe: "Ny mofoko no tena fihinana, ny rako no tena fisotro"

Tsy mitondra antsika ho any amin'ny fiainana mandrakizay akory ny fahendrentsika

Aiza ho aiza eo amin'ny fiainana kristianina moa isika no manatanteraka izany raha tsy eo amin'ny fanasan'ny Tompo, raha tsy miombona amin'i Kristy isika dia tsy manana fiainana ao anaty. Sarotra amin'ny olona ny manaiky izany, raha tsy hoe ny sokajin'olona vitsivitsy na mpivavaka vitsivitsy toy izany ihany no tafintohina amin'izany fa ny ankamaroan'ny mpivavaka koa izay tsy manaiky ny fanambaran'Andriamanitra ny tenany, tao amin'i Kristy rehetra, tsy manaiky ny finoana kristianina ary efa itenenany hoe

- tsy manana fiainana ange ianareo na mivavaka toy ny inona aza, raha tsy eo amin'i Jesoa Kristy, ka noho izany mila mibebaka, miova, mino, mandray an'izany Jesoa Kristy izany,

- fa na dia hendry aza ianareo amin'ny fivavahan-drazanareo, na manana ohabolana tsara rafitra sy rindra, angano mampieritreritra tokoa, lalina dia lalina rehefa atao ny hevi-teny miangaly, mirakitra filozofia tsy hita velively, ary mainka moa fa ny firenen-kafa izay manana filozofia lojika, ary mandinika fonja kevitra lehibe tsy araka izay fanaon'ny malagasy, fa mbola avo lenta noho izany raha amin'ny famoronana hevitra mirindra, hanoratana boky be efa an'arivony pejy izay tena tsy vitantsika malagasy amin'ny filozofiantsika moa izany, fa ny antsika ohabolana kely notsimpotsimponina kely teny, dia iny no harindra eo fa ny an'olona ahavitana "système", rafi-pisainana iray manontolo,

Ka na dia mahavita an'izany aza isika dia tsy ahavonjy antsika izany fa ny hananantsika fiainana dia ao amin'i Jesoa Kristy satria tsy mitondra antsika ho any amin'ny fiainana mandrakizay akory ny fahendrentsika na dia ny tsara rafitra indrindra, na dia ny akademika indrindra, na dia milaza fa hendry indrindra, sy kinga indrindra, sy fetsy indrindra amin'izao fiainana izao.

Kristy irery ihany no fiainana

Ho an'ny olona maro indray mihira amintsika dia mbola enjana : manafintohina, manorisory izany teny ny amin'i Kristy hany fiainana izany. Tsy hoe Izy no fiainana dia mbola misy koa fanampiny arakaraka izay safidy, fa Izy irery ihany no fiainana, ary izany no manafintohina ny mpanaraka ny fivavahan-drazana eto Madagasikara izay mipoitra foana moa ary izy moa no betsaka eto Madagasikara, ny filazana fa tsy manana ny fiainana ianao raha tsy ao amin'i Kristy izany, na inona na inona ho lazainao eo raha ny fanambaranan'Andriamanitra ny tenany tao amin'i Kristy no entina mamaky ny toe-javatra, ary izany no fomba fijery kristianina tena izy, fa tsy fomba fijery filozofika no ampiadina akory, dia manafintohina izany kanefa izany no tsy maintsy torina sy ambara na inona na inona, ambom-pontsika malagasy hoe izahay koa mba manana ny fivavahanay, izahay koa mba manana ny fahendrenay. Misy ary ny sasany tonga ety amin'ny pilipitra, kabary malagasy no ataony fa tsy mitory teny, tsy manambara an'i Kristy, tsy hoe rehefa be resaka akory dia mahay mitory teny, ary asiana andriamanitra kely ny fehezanteny.

Raha tsy misy an'i "Kristy" ao amin'ny toriteny, tsy toriteny kristianina izany, satria tonga hatrety am-piangonana koa, ndrao ianareo mihevitra fa ny "libéral" any Paris any ihany no tsy mitory an'i Kristy, fa na dia ny mpitandrina malagasy, izay efa hanjakan'ny nentin-drazana koa na miakatra eto aza dia tsy ny filazantsara no torina fa ny filozofia malagasy na ny teolojia malagasy satria manana ny teolojiany ihany koa ny razam-be malagasy, fa tsy kristianina izany satria tsy ao i Kristy! Aoka hazava ny resaka!

Hianareo koa ve mba te hiala?

Ary manafintohina izany mandrak'ankehitriny, fa ahoana loatra no izany? F'angaha ny anay ambanin'izany? Tsy hoe ambany na ambony; ataovy ambony fa rehefa midaboka koa ny ambony dia mafimafy noho ilay aty ambany ary! Ary eo anatrehan'Andriamanitra izay naniraka an'i Kristy zanany dia midaboka ho azy ny zavatra rehetra, ary io tsisy fanambatambazana, ary izay izao no anton'ilay toriteny eto ange.

Betsaka ny olona tsy manaraka Azy, ahoana kosa izany? Zany kosa ve dia tsy "impérialisme"? Izany hoe tadiavinareo ampanjakàna fotsiny ny hevitrareo kristianina sy ny testamenta vaovao sy ny inona?

Tsia, tsy voatery hanerena an'iza na iza izany, ary izay no tenin'i Kristy: " Hianareo koa ve mba te hiala?"

Betsaka ny olona nandao ny mpianatra, tsy manaiky an'izany teny izany hoe fa ahoana koa izany? Fa Ianao no iza sns....

Tsia, tsy misy hoe Ianao no iza fa fanambaran'Andriamanitra ny tenany tao amin'i Kristy, araka ny lazain'i Jaona ery am-piandohana toko 1 andininy faha 18: " Fa ny zanaka dia eo an-tratran'ny Ray", Izy no manambara ka nambarany ary ilay izy!

- Iza no mahazaka an' izany?

- Iza no afaka hino sy handray an'izany?

Safidy io, tsisy terena izany eo, tsisy vozonana izany eo hanaraka an'izany, ka noho izany amintsika koa mipetraka izany!

Safidio ny fivavahanao, Kristy tsy manambitamby anao hanarak'Azy be fahatany nefa tsy resy lahatra ianao, tsy manao propagandy Izy ka izay habean'ny olona na ho any na tsy ho any, roa ambin'ny folo lahy sisa no miresaka Aminy eo, tsy mampaninona Azy izany, lasa ny olona, Izy tsy nanao hoe miverena re ry olona fa inona no tsy nety teo fa amboarina kely, mi-grevy na hoe manao négociation izy ity ka dia aleo...

Tsisy négociation izany ny fanambaran'Andriamanitra ny tenany tao amin'i Kristy, tsisy fanambatambazan'olona izany, na ny Apostoly aza mbola nolazainy hoe " Hianareo koa sao dia mba te hiala?".

Satria ny fanambaran'Andriamanitra ny tenany eto no lazaina fa tsy hevitr'olombelona ampiadiana eo ka hoe mety marina an-tsasany, am-pahatelony, na toy izany fa Andriamanitra milaza hoe inona no maha Andriamanitra Azy? Ary ahoana no hamonjeny ny olombelona!

Ary izany no fanontaniana mipetraka amiko sy aminao ankehitriny. Betsaka ny niala, betsaka ny tsy hita intsony, andao isika hipetraka eo fa misy tambatambazana hipetraka eo. Azafady, ianareo koa sao dia te handeha hiala?

Aleon'i Kristy olom-bitsy tonga saina mahalala ny antony hanarahana an'i Kristy toy izay be nahoana mora rebirebena, mora tafintohina. Ny sasany ary moa tsy finoana akory no manafintohina azy fa zavatr'hafa : olombelona kely eto, hevitra mande eroa, inona rehetra rehetra eo. Izany hono no manafintohina azy.

Aza manaraka, Tompo tsy manambitamby anao raha marina, miantso anao Izy, satria tiany hovonjena ianao, fa rehefa hoy ianao manoloana ny fanambarany hoe tsy hanaraka an'izany aho fa ohatry ny tsy mety amiko izany : mahazo mandeha!

Izany no maha kristianina antsika ary izany no mahatonga antsika tsy maintsy taizaina tsara hahay hanapa-kevitra ny amin'ny fanarahana ny Tompo.

Fa raha tsy misy fotoana toy izany hafahantsika tena mieritreritra hoe : inona tokoa moa no nahatongavako teto? Ny sasany manara-bady fotsiny no ahatongavana eto, tsy hita mandra-pirava, amin'ny firy ihany aza izy ity fa ilay ramatoa iny..., ny sasany hitady vady, tonga hatrany an, aleo aloha hitady vady eto, fa tsy izany no ahatongavanao eto fa : ianao ve te hiaraka amin'ny Tompo sa tsia? Ny sasany tsy mahita atao any antrano, vao mainka koa tonga ilay fanontaniana, sao dia te hatory any atrano koa ianao? Ny sasany izao mierotra any an-trano any izao isika miteny izao! Haninona hangatsiaka aty? Izany hoe samy tsy maintsy mahalala ny antony ahatongavany eto daholo!Tsisy tongatonga ho azy! Tsy hoe dadanay teto dia izy mitaona biriky, izao zao moa vita ity dia hoe dadanay no nanao ilay rihana, bebeanay no izao..., tsy izay no ahatongavanao eto an!

Fa fantatrao ve Kristy izay mametraka fanontaniana aminao? Fantatrao ve ny maha-mpino anao? Ary soa ihany tao amin'ny roa ambin'ny folo lahy ao fa nisy an'i Petera niteny rehefa lasa ny ankamaroan'ireo mpianatra; misy moa ny mpianatra dia be lavitra noho ilay tena roa ambin'ny folo, fa izy no niteny an'ireo roa ambin'ny folo lahy hoe: "Andeha any amin'iza moa izahay?"

Tsy hoe tsy mana-trano hodiana akory no dikan'izany an, fa ilay hoe : Hakany amin'iza ny fahalalàna an'Andriamanitra? Hakany amin'iza amin'ny famonjena? Hakany amin'iza amin'ny androm-piainana? Hitady filozofy iza indray izahay? Hitady teolojianina iza indray?sns...

Tsy mahita aleha intsony izahay satria izahay koa ange efa mba mpianatr'olon-kafa fahiny é! Araka ny tantara rahateo moa, ry Petera sy ny namanay ange mpianatr'i Jaona mpanao batisa é, no nahita an'i Kristy dia avy eo nanaraka é! Nanana mpampianatra ngeza be ohatra an'i Jaona, ary i Jaona tsy hoe olon'olom-poana fa olon'Andriamanitra kanefa tsy ilay fanambaran'Andriamanitra, tsy ilay mazava hoy ny toko 1 amin'ny filazantsaran'i Jaona fa tao ny tena mazava dia i Jesoa avy any Nazareta. Fa hakany amin'iza intsony izahay, izahay ange efa avy any amin'i Jaona ilay fara-tampony tamin'ny mpaminanin'Andriamanitra talohanao, ka andeha ho aiza indray izahay rehefa hiala avy eto aminao? Mbola misy indray angaha azonay arahina? Satria ianao ilay masin'Andriamanitra, izay mino ka mahalala fa ianao tokoa ilay avy amin'Andriamanitra!

Fa inona aminao Kristy?

Mila an'izany fanekem-pinoana izany ny Tompo, mivoaka avy amin'ny vavantsika, ary izay ny an'i Petera izay, ianao ilay masin'Andriamanitra fa ny anao inona, mba lazao amin'ny fiteninao hoe ny finoana an'i Jesoa Kristy, aza manka-tahaka an'i Petera, iza i Kristy ho anao ka mahatonganao mijanona eto io? Fantatrao fa iza ary no inoanao, fa iza Kristy? Tena Mpanafaka anao, tena Mpamonjy anao, Mpanavotra anao, Mpamela heloka anao, Mpanome dikan'ny fiainanao?

Fa inona Kristy? Fa mpandrebireby anao! Tsy mahatafandry mandry anao fotsiny eo, sa tsy dia fantatrao loatra fa zana-bazaha tany sns..., satria izany moa no filaza an'i Kristy tamin'ny taon-jato faha 19 teto Madagasikara: "Andriamanim-bazaha". Ary any amin'ny faritra sasany eto Madagasikara iza izany Jesoa Jesoa izany: " Vazaha" iza? Fantatro tsara ve Jesoa? Ary iza no mba ilazanao ny Aminy?

Rehefa hivavaka mangina isika rehefa avy eo dia lazao tsara, ao amin'ny vavaka mangina ao hoe: Fantatro, inoako tsara fa Ianao Kristy hoe no izao... tonony izay mba ahafantaranao Azy. Ho hitany eo, ho henony eo tsara daholo! Tsy misy mahazo mivoaka eto rehefa atao izay vavaka izay, amin'ny fiteninao, amin'izay mba takatrao hatreto aloha, lazao tsara izany mba ho fantatra fa tena nijanona teto noho ny amin'ny finoana ianao.

Izaho no nifidy anareo hoy Kristy

Ny tena mampieritreritra ny amin'ny tohin'ity tantara ity dia izao:

Hoy Jesoa, Izaho ange no nifidy anareo, tsarovy tsara ry izy roa ambin'ny folo lahy, Izaho no nifidy anareo, nefa ny anankiray aminareo aza dia "devoly", miantso an'i Jodasy! Satria izy no hamadika Azy, izany hoe na dia nofidian'ny Tompo tokoa aza dia mbola tsy azo antoka akory izany. Efa manana andraikitra ianao amin'ny finoanao, amin'ny finoana an'i Kristy,

Inona no nanaovanao ny teny? Inona no nahafantaranao Azy tokoa? Sao dia nandiso fanantenana anao Kristy?

Misy te ampiasa ny Tompo ho fitaovana fa tsy hanompo azy

Jodasy ange diso fanantenana tamin'i Kristy é! Nantenainy fa hitondra fanavotana, fanafahana ho an'ny vahoaka, ny azy izany Jesoa Kristy mpanao politika, Mesia politika no nandrasany teo hanafaka ny fireneny amin'ny fanjanahantany romanina sns..., Jesoa angaha nety nanao an'izany, tsy nety naka fitondràna Jesoa, nanahirana azy, diso fanantenana izy hoe izahay ilay efa mpitolona, mpanao fanamiana, efa izao, dia izao ohatry ny mihanahana, angaha tsy rehefa asaina miady amin'ny Pilato eo ve izy tsy aneho ny sandriny eo?

Iny fa mbola nanaiky ho faty eo ihany? Tena tsy lasa ity fa, namono tena moa izy ny farany hoe tena tsy lasa intsony, satria kivy, diso fanantenana ny amin'ny Tompo.

Izany hoe na dia nofidian'ny Tompo tokoa aza isika ary Izy nilaza hoe Izaho no nifidy anareo, isika nofidian'ny Tompo koa, dia ohatran'ny misy amintsika ihany anefa ny devoly avy eo. Izany hoe hisaraka amin'ny Tompo, hiala amin'ny Tompo, hamadika ny Tompo, ho diso fanantenana ny amin'ny Tompo satria te ampiasa ny Tompo ho fitaovana fa tsy hanompo azy, hanara-dia Azy.

Ary Tompo tsy manaiky ataontsika an'izany, lasa ianao, lasa devoly ho azy ianao, misara-dalana Aminy eo ianao. Izay moa no atao hoe "devoly" : mampisaraka, na ilay misara-dalana. Ka io arakaraka ny finoanao ihany tsinona , ianao no manana andraikitra amin'izany. Ny Tompo, ny andraikiny dia ny mifidy anao, fa ny hijanonanao ao amin'ny Tompo koa dia mbola safidin'ny finoanao, fa tsy nisy notazomina tamin'ny rojo vy akory teo ka tsy afa-mihetsika intsony hoe: "e, tratran'ny Tompo ka eo tavela eo"! Tsisy an'izany an! Fa miankina aminao ihany io, manjary olom-boafidy lasa devoly ohatra ny Jodasy ianao, ka aoka samy hieritreritra daholo ny amin'ny fanarahana ny Tompo.

Trinite

Fa inona àry ny fanantenantsika araka izao teny izao? Ny fanantenantsika dia zavatra 3, ary izay moa no maha "Alahadin'ny Trinité" azy, ary zavatra fintinina amintsika izany.

- Voalohany indrindra hoy ny Tompo dia izao: "Ny fanahy no mahavelona, ny nofo tsy mahasoa na inona na inona, ny teny izay lazaiko taminareo dia Fanahy sy fiainana".

ilay fanahy eto izany tokony "F" lehibe fa tsy ohatra ity baibolintsika ity, amin'ny dikanteny rehetra hafa io dia " F" lehibe, izany hoe ny Fanahy Masina no tiany ho lazaina.

Ny fanahin'Andriamanitra, ny fanahin'Andriamanitra no mahavelona, tsy hoe ny fanahintsika no mahavelona, tsy mila mpamonjy intsony isika raha ny fanahintsika dia efa mahavelona antsika, lany andro maty ho azy teo amin'ny hazo fijaliana Jesoa koa ny fanahinao dia efa mahavonjy anao, tsy izany io, fa ny Fanahy Masina, ny fanahin'Andriamanitra, io no mahavelona, fa raha ilay maha olombelona, ilay nofo izany no ilazana ny olombelona manontolo, fa raha ilay olombelona fotsiny, tsy mahavelona azy ny tenany, fa miankina amin'ilay fanahin'Andriamanitra, ilay nofofonina fofon'aina avy amin'Andriamanitra, iny ny Fanahy iny, mahavelona, ary ny teny izay ambarako hoy Izy dia avy amin'io Fanahy io, ary manome anareo fiainana. Izany hoe ny Fanahy Masina izany no raisintsika, handraisantsika ny tenin'i Kristy fa raha tsy izany io, dia tafintohina eo koa isika. Ary io no angatahintsika fatratra. Omeo an'izany fanahinao izany aho Tompo ahafahanay mandray ny teninao fa hay ny teninao avy amin'ilay Fanahy, mba hanananay fiainana.

- Ary ny zavatra faharoa dia izao: Andriamanitra Ray no miantso antsika hanatona Azy, ary izay ilay lazainy hoe " Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen'ny Ray azy izany" (andininy 65).

Hay izany hery avy amin'Andriamanitra ihany koa no ahafahana manatona an'i Jesoa, manaiky Azy ho Tompo sy Mpamonjy fa tsy hoe ny herinao, fa Andriamanitra no manome hery anao hanatonana Azy. Zava-dehibe izany, fa tsy misy afaka miantehatra amin'ny herin'ny tenany izany eto, ary Jesoa kristy izay nifidy anao dia hifikiranao amin'ny finoana mafy orina, satria Izy no tena fiainana.

- Avy eo ilay zava-dehibe amin'ny atao hoe Trinité fampianarana ny amin'Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina, izay no antoky ny fiainantsika. Raha tsy miorina amin'izany isika dia lasa mandeha, satria tsy manana ny Fanahy Masina, satria tsy notaomin'Andriamanitra sy nomeny hery hahay hanaiky an'i Kristy, ary satria tsy manaiky rahateo an'i Kristy amin'ny fanekem-pinoana tsy azo hozongozonina.

Enga anie amin'izao alahady natokan'ny fiangonana eran-tany ho an'ny "Trinité" izao mba samy hahay hamaly amin'ny finoana velona isika, amin'ny fanontaniana tsy miolaka ataon'i Kristy amintsika hoe: " Ianao koa va manoloana ny fisitahan'ny maro tsy hanarak'Ahy intsony, ndrao mba te hiala koa ianao?" fa tena azonao atao izany. Amen.

Dr Rakotoharintsifa Andrianjatovo,

mpitandrina FJKM Ambavahadimitafo

http://www.fjkm-ambavahadimitafo.info

 
Noyon et Calvin Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Culte à la Cathédrale de NOYON. 17 MAI 2009

Prédication du pasteur Jean Charles Tenreiro

Textes bibliques : Jean 15/9.17; Ephésiens 1, 1.6

Vous savez que les réformateurs, parce qu’ils ont tendu une oreille exclusive au message de la Bible, ont fait une

place importante à ce qui en constitue comme le moteur secret, comme l’arrière fond : le message de l’élection, la

doctrine de la prédestination.

Et non Calvin seulement, comme vous le savez, mais Luther tout autant, et John Knox et Farel et Théodore de Bèze et

Zwingli, bref, tous ces hommes sans exception, qui se sont courbés devant les Ecritures et qui ont laissé réformer

l’Eglise.Mais nulle doctrine n’a prêté à autant de malentendus, n’a été aussi mal comprise et n’a fait dire aux

hommes de telles sottises. Il a fallu longtemps pour que ne disparaissent de nos livres d’histoire cette phrase à

propos du calvinisme : « c’est la doctrine désespérante de la prédestination ». Alors, en vérité les prophètes et les apôtres seraient des gens désespérés ? Alors l’Eglise réformée serait une Eglise d’hommes et de femmes désespérés ? Alors la chose la plus absolument bonne à entendre qui soit sous les cieux pourrait plonger l’humanité dans le désespoir ?

Mais soyons honnêtes : où est-il le désespoir ? Il n’est pas dans l’Eglise, il est dans le monde. Il n’est pas dans les croyants, il est dans les incrédules. Assurément, les humains sont tous désespérés et beaucoup plus qu’ils ne le pensent eux mêmes ; mais c’est justement pour ne pas savoir que Dieu les a élus en Jésus-Christ, c’est pour ne pas connaître le Dieu qui les a prédestinés dans son amour. L’incrédulité des hommes seule est désespérance et non pas, et non jamais la souveraine liberté de la grâce de Dieu et l’irrépressible puissance de son amour. Non, vraiment, l’apôtre Paul ne confesse aucun désespoir quand il entame dans cette épître aux Ephésiens, ces premiers versets qui sont parmi les plus étonnants qui soient adressés, et ceux aussi qui déploient, de la manière la plus explicite, la plus irréfutable, les affirmations du mystère de l’élection : « béni soit Dieu qui nous a comblés en

JC de toutes sortes de bénédictions ».

C’est ainsi que commence toute expression de cette « désespérante» doctrine : par un chant d’émerveillement et de reconnaissance.

Quiconque est l’objet de la bénédiction de Dieu, quiconque est rencontré par Dieu en JC ne peut s’empêcher de faire cette constatation et de la faire avec toute la Bible : si cette bénédiction m’est arrivée, si cette rencontre s’est produite, cela n’est pas parce que je l’avais demandée ou m’y étais préparé ou l’avais d’une manière ou d’une autre , provoquée par mon attitude ; ce n’est même pas que j’aurais pu en avoir l’idée ou le pressentiment, non, si je suis ce que je suis, un homme comblé de grâces, si je crois que Dieu existe et qu’Il est le Père de Jésus-Christ et si je puis vivre dans cette foi et dans cette liberté des enfants de Dieu , c’est pour l’unique et mystérieuse raison que « Dieu m’a élu avant la fondation du monde ».

Voilà qui décidément coupera court à toute espèce de glorification possible, toute espèce de discussion. Car, enfin, en quel sens aurais je pu déterminer mon sort avant que le monde existe et que puis je faire valoir en ma faveur ? Plus je suis fidèle, si vraiment je le suis, et plus ma fidélité témoigne d’une décision que Dieu a prise avant mon existence et d’une liberté qui ne me vient ni de moi même ni du monde.

« Il nous a prédestinés dans son amour » ; Qu’est ce qui a bien pu pousser Dieu à nous créer, entend on souvent demander et qu’est ce qui a bien pu le pousser à nous sauver et à nous adopter ? La réponse est toujours la même et il ne peut en exister d’autre : son amour. « Je t’ai aimé d’un amour éternel ». Son amour est la raison unique de toute chose, et il n’y a pas de raison à son

amour. Chercher une raison à l’amour de Dieu est une sottise et une impertinence comme de chercher une raison à l’

existence de Dieu, puisque Dieu est amour, puisque son existence se confond avec l’amour, puisque Dieu ne peut pas

exister en dehors de son amour et que par conséquent, nul homme ne peut savoir que Dieu existe sans connaître en

même temps et par cela même cet amour dans lequel Dieu l’a crée et l’a prédestiné à être son enfant. On ne peut

pas, on ne peut jamais séparer l’existence de Dieu de son amour dans lequel il nous a élus.

Dans cet amour, dans l’amour qu’Il porte éternellement à son fils Jésus-Christ, dans cette relation qui le lie de

toute éternité à Jésus-Christ, Dieu prend cette décision d’où va dépendre le sort de toute créature : Dieu décide

d’aimer d’autres hommes comme il aime son Fils et de se faire aimer par d’autres hommes comme il est aimé de son

Fils .Oui, Dieu décide d’établir avec des créatures qui n’existent pas encore et qui, lorsqu’elles existent , se

moqueront pas mal de cette décision, cette relation d’amour de père à fils qui est le secret même de son existence

divine. Comment se réalisera ce dessein ?

Il y a mille pages de la Bible pour nous le dire mais ici l’apôtre Paul nous rappelle simplement que Dieu a pris

cette décision avant que le monde existe, qu’il l’a prise dans son amour, dans l’amour qu’il porte à Jésus-Christ.

Christ est donc le motif, la source de cette décision éternelle. Et puis l’apôtre nous dit que cette décision, il l‘exécutera par Jésus-Christ. « Prédestinés à devenir ses enfants par Jésus-Christ ». Jésus est donc, dans l’amour que lui porte le Père et qu’il

porte au Père, non seulement le motif mais aussi l’instrument,l’exécuteur de la décision divine. Jésus est lui seul

la source et l’efficace de notre élection. Nous sommes élus en lui pour devenir par lui des enfants d’adoption.

Prenez garde à cela : hors de Jésus-Christ il n’y a pas d’amour de Dieu, il n’y a pas d’élection, il n’y a pas d’

adoption et à plus forte raison, aucune connaissance de ces choses. Nous ne sommes pas prédestinés à nous mêmes,

c’est à dire obligés par Dieu à faire les bonnes ou les mauvaises choses que nous faisons, et à rester ce que nous

sommes ; au contraire, Paul dit ici : « prédestinés à devenir ses enfant par Christ ». A cela, et non pas à rester

ses ennemis . « Devenir ! » ; vous sentez ce souffle de la liberté qui s’approche, cet air du royaume de Dieu

qui s’approche et qui va tout changer ? N’est il pas inouï de penser que tant de gens se soienteffrayés de a

prédestination comme si elle allait les fixer dans quelque situation, comme si elle allait les emprisonner dans une

condition donnée, les obliger à être ce qu’ils ne veulent pas être ? Que des hommes se sentent paralysés par ce

message, quel affreux malentendu ! Et quel orgueil démoniaque aussi nous fait refuser ce message comme s’il pouvait

nous arriver quelque chose de meilleur dans notre vie que d’être celui que Dieu a décidé, dans son amour,que nous

soyons.

« Devenir ».Voici que la décision de Dieu ne vient pas nous enchainer comme nous le pensons dans notre sottise

affolée, elle vient, au contraire, nous libérer, elle vient, avec la liberté même de l’amour de Dieu, une liberté

d’avant la fondation du monde, pour nous permettre de devenir ce que nous ne pouvions pas être, ce que tous les

déterminismes de ce monde sans Dieu nous empêchaient à jamais de devenir.

Qui peut penser que la prédestination fait de nous des esclaves ? Mais voyons, nous n’avons pas besoin d’elle pour

l’être, car nous le sommes justement très bien sans elle, et d’autant plus que nous l’ignorons et que nous refusons

ce message bienheureux. Prisonnier, déterminé, esclave du malin, c’est là justement la condition de l’humain qui se

croit libre et se veut son propre Seigneur. En fait, nous sommes parfaitement soumis à toutes les déterminations, à

toutes les fatalités du monde. Nous refusons la prédestination pour conserver notre liberté?

Elle est belle, notre liberté ! Mais nos réactions, toutes nos façons d’agir, nos opinions, nous ne voyons pas qu’

elles sont commandées justement par notre hérédité, par notre classe sociale, par notre éducation, par le journal,

par nos désirs et par nos peurs, par les astres ou par quelque prophétie ou quelque oracle. Tout cela fait un

réseau dont on ne sort jamais que pour mourir. Un acte libre, un acte gratuit, un acte qui fasse enfin mentir ma

nature, qui fasse mentir les astres, qui fasse mentir les prévisions des sages et des oracles, des idoles, est ce

que vous en commettez souvent ? Sérieusement, avez-vous jamais commis dans votre vie un acte libre, un acte gratuit

? D’ailleurs peut être les hommes cherchent ils de moins en moins cette liberté, se posent ils de moins en moins la

question. Ce n’est même plus un problème, même plus une angoisse pour l’homme qui se laisse simplement aller au fil

de la masse, au fil de l’opinion, au fil de sa convoitise.

Et pourtant les anciens ont ressenti quelque chose de cette angoisse, c’était même là, vous le savez, tout le

problème de la tragédie antique : ce vain et atroce débat de l’homme contre la fatalité, cet effort désespéré de

l’homme pour échapper à son destin.

OEdipe, on le fera disparaître et il fera lui même tout au monde pour ne pas devenir le meurtrier de son père et le

mari de sa mère ; mais tout ce qu’il accomplit la ramène infailliblement à son destin de criminel et d’incestueux ;

il n’échappe pas à la fatalité, il ne trouve pas en lui même la faculté d’y échapper. Phèdre non plus n’échappe pas

à sa passion.

Quant à la guerre de Troie, elle aura lieu. L’homme ne pourra jamais être un autre homme que ce qu’il a été

éterminé à être par un destin aveugle, par cette sorte de néant divinisé auquel il s’est livré en cueillant le

fruit de l’arbre de la connaissance du bien et du mal. Les jeux sont faits.

OEdipe, Phèdre, ce sont les mythes de ce monde où la liberté est broyée par la fatalité, parce que lorsqu’on n’a

plus pour Dieu celui qui nous choisit dans son amour, alors on tombe aux mains de la déesse la plus atroce, la plus

impitoyable celle qui fait de notre vie un camp de la mort lente, la fatalité. On luttera contre elle aux grandes

époques, on s’abandonnera à elle aux basses époques. D’ailleurs on finit toujours par tout lui sacrifier, on lui

abandonne tout aujourd’hui comme autrefois. La guerre est fatale, la débauche est…la misère est… la fraude est ….,

la femme est …., la crise est fatale.

Mais oui, tout ce qui nous tue est fatal, tout ce qui n’est pas la volonté salutaire de Dieu prend le caractère d’

une sorte d’obligation de mort dans ce monde où l’homme a voulu vivre comme Dieu. Pauvre liberté de l’homme bouclé

dans sa cellule infernale et dévoré inexorablement par le dragon de la nécessité. Eternel huis clos de l’homme avec

lui même et avec le prochain qu’il ne peut pas aimer. On ne peut pas sortir : pis que cela : il n’y pas de

sortie !

On ne sait même plus ce qu’est la liberté. Et c’est au point que lorsque le message inespéré de la délivrance nous

arrive, on en fait une fatalité de plus, on l’accuse de nous désespérer, alors que tout notre désespoir vient de ce

que nous ne le recevons pas ; on l’accuse de nous emprisonner, alors que tout notre esclavage vient de ne pas y croire.

Eh bien, maintenant, tant pis pour nous, si nous tenons absolument à mettre sur le visage de l’amour de Dieu, le

masque de cette fatalité dont il vient nous libérer. Vous n’empêcherez pas la Bible et la Reforme et tous les

hommes de Dieu avec elles de vous répéter quand même, encore et toujours, à vous les esclaves de toutes les

fatalités du monde, la nouvelle qui fera tomber vos chaines « élus avant la création du monde pour être saints,

libres et sans reproches devant Dieu ».Alors n’est ce pas, tout ce que nous avons pu devenir depuis la création du monde et surtout depuis la séparation, depuis que nous sommes livrés à l’Adversaire, depuis que nous sommes prisonniers de nous mêmes et morts dans notre orgueil, tout cela est sans aucun pouvoir contre une décision prise en dehors des murailles de la fatalité, en dehors des engrenages de ce monde . Oui, il y a quelque part une décision bienheureuse prise à votre égard, qui ne dépend pas de vous et de l’enchainement des causes et des conséquences de ce monde , une décision qui n’est pas un maillon de la chaine mais qui est prise en dehors de vous, de vos « je ne peux pas faire autrement » ou des « c’est plus fort que moi » une décision prise indépendamment de vous , mais dont dépend ici et maintenant votre liberté , votre sainteté ,votre pouvoir de faire s’évanouir tout le fantôme de la fatalité.

Peu importe alors le numéro de la cellule où le fantôme vous tient enfermé , on peut être la plus triste des

épaves, esclave de ses passions, le plus impénitent des pharisiens ou le plus sociologique des protestants , peu

importe de savoir ce que le prince de ce monde a fait de vous et la place que vous pouvez occuper dans son système

de répartition des corvées, car,voici, pour tous, qui que vous soyez, la liberté du Royaume de Dieu, voici la libre

décision prise par Dieu dans son amour : que vous soyez saints, que vous deveniez ses enfants bien aimés .

De par cette décision prise par Dieu dans son incompréhensible liberté, dans l’absolue souveraineté de sa

bienveillance, vous êtes libres d’être saints, libres d’obéir au seul SE et rien au monde ne peut vous enlever

cette liberté qui vous vient d’avant la fondation du monde qui vous vient de Dieu lui même en JC. La fatalité est

morte enfin, elle est remplacée par l’éternelle décision de l’amour de Dieu, qui crée en nous la liberté, la

sainteté et la joie et qui fait germer dans nos coeurs cette chose nouvelle , étrangère au monde, incroyable à l’

homme : la louange « pour que soit louée la grâce magnifique qu’il nous a gratuitement accordée ». C’est ici l’

aboutissement de notre texte : tout ce que nous faisons , pour essayer d’affirmer notre liberté et pour tenter de

gagner le faveur de Dieu par un acte libre, par un acte bon, tout cela ne peut jamais qu’affirmer notre esclavage.

Mais voici maintenant l’acte libre, l’acte gratuit, l’acte irréductible et bon, à quoi rien ne nous oblige, mais

qu’aussi rien ne peut nous empêcher d’accomplir, la vraie bonne oeuvre, c’est ce que l’homme accomplit pour louer

la grâce qui lui fut gratuitement donnée; cette louange d’une grâce qui a précédé toute chose est aussi libre que

la grâce elle même. Cette louange, c’est tout ce que Dieu attend de nous. C’est toute notre vie chrétienne, c’est

toute la raison d’être de l’Eglise, jusques et y compris dans toutes ses composantes du service, de la diaconie, de

l’engagement avec et pour les autres. Parce que tout cela reste vain si l’on en oublie l’origine et l’enracinement.

Et j’aime à faire remarquer que dans les statuts de nos OEuvres et Mouvements, les si bien qualifiés, il soit fait

explicitement référence à cet Evangile libérateur et vivant par lequel nous recevons la confiance de l’amour du

Christ pour nous et pour chaque homme, chaque femme. Oui, cette louange, c’est tout ce que Dieu attend de nous. C’est toute notre vie chrétienne, c’est toute la raison d’être de l’Eglise.

Et il a bien fallu et il faudra toujours que soit réformée une Eglise qui ne veut pas être uniquement louange d’une

telle grâce. Et il faudra que tous les jours pour rester libres nous soyons replacés par cette grâce dans cette louange.

Assurément, nous l’avons été de puis la fondation du monde, assurément nous le sommes aujourd’hui.

Amen



http://www.erf-rp.org

 
Que la paix soit avec vous Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

...Jésus leur dit : Que la paix soit avec vous Jean 20.19, 21 et 26
Christ est ressussité ! Alleluiah !

En terme de calendrier d’église, nous sommes toujours dans la période pascale. Ce deuxième dimanche de pâques est dit le Dimanche de Quasimodo (quasi + modo : de la même façon).
Pourquoi quasimodo ?
• Chez les catholiques, car tel est le premier mot de l’antienne latine d’ouverture de la célébration :”comme des nouveaux-nés”. Les nouveaux baptisés de la veillée pascale venaient déposer leur vêtement blanc au huitième jour de pâques
• Pour nous protestant, nous ne la fêtons pas. Mais à partir de notre texte Jean 20, nous avons des éléments nous permettant de parler de quasimodo : C’est de la même façon, au huitième jour et ceci en présence de Thomas que Jésus leur dit : Que la paix soit avec vous.

Tohiny...
 
Voaloboka ! Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

...mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro hianareo Jao 15.8

Mitohy hatrany ny fihainoantsika ny teny izay voalaza ao amin’ny Asa, ny I Jao ary ny Jaona. Izany moa dia mikasika indrindra ny fotoana taorian’ny nitsanganan’i Jesosy Tompo tamin’ny maty. Alahady faha 5 taorian’ny Pasaka isika izao. Fotoana izay nametrahany hafatra farany ho an’ireto mpianany na dia izany aza dia niteny izy tenany mihitsy fa tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony aho Jao 14.30a.

Ny hafatra izay horaisintsika amin’ity anio ity dia ny hoe hamaozanareo be ka ho tonga mpianatro hianareo (izany hoe ny mpianatra izany).

Ny hoe vokatra ! Tsy hianareo eto Dijon no hampianarina ny amin’ny voaloboka sy ny sampany. Fantatra fa ny zavamaniory, rehefa avy nandalo ny ririninna dia manomboka velombolo ka mamololona. Miakatra ny tsiron-kazo ka mamelona ny tsirin-kazo mitondra azy hamelana ka hitondra voa. Tamin’ny hariny ho an’izay naheno tamin’ny radio na ny television dia naheno ny amin’ny mpiandry tsara. Izany moa dia manamafy amitsika ny maha mpamboly sy mpiompy ny zanak’Isiraely tamin’ny andron’i Jesosy. Mazava rahateo moa fa tsy mbola nisy ireo teknolojia maro samihafa toy ny electronika, ny hery amam-baratra sy ny sns tamin’izany andro izany. Ny fambolena sy ny fiompiana no nahavantana ny taranak’i Abrahama.

Eto ary isika , indrindra fa ny filazzantsara dia milaza ny amin’ny voaloboka sy ny mpaboly azy Jesosy. Ny voaloboka dia Izy tenany : “Izaho no tena voaloboka’ ary ny mpamboly sy mpikarakara izany voaloboka izany dia ny Rainy : “ny raiko no mpamboatra”. Fanamarihana voalohany dia ny teny hoe “tena” (véritable na vrai) voaloboka. Nahoana ny mpamboatra no tsy misy an’io teny hoe “tena” io. Satria tsy misy mpamboly hafa fa ny vokatra kosa no mety ho samihafa. Ao izany ny voaloboka ary misy ny tena voaloboka.

Ny firafitry ny teny eto dia manambara amintsika an’izany : ny misarika ny saina eto dia ny fitantaran’i Jaona ny amin’ny tsy famoazanan’ny sampana. Nahoana ny sampana no tsy mamoa satria misy antony ao. Ny tsy famoazan’ny voaloboka no resahina sy tsindrina eto. Andrimanitra anefa tia ny vahoakany. Ny bokin’ Isaia 5 dia manohatra ny fifandraisan’Israely sy Jehovah toy ny tanimboaloboka sy ny mpikarakara azy. Lazainy amin’izany ny fahasahiranana aterak’izany fikarakarana tanimboaloboka izany :
* ny fiasana izany, ny fanesorana ny vato (5.2),
* ny fambolena karazam-bolaloboka tsara (5.3)
* ny fananganana tilikambo eo afovoan’ny saha
* ny fandavahana famiazam-boaloboka

Ny tanjona dia ny fanantenana voa tsara kanjo namoa voalobo-dratsy .

Mbola azontsika tohizana ny famakiana ny bokin’Isaia faha 5. Teny izay fantatr’ireto mpianatra ireto izany bokin’Isaia izany. Ny fifandraisana eo amin’i Jehovah sy ny vahoakany dia iharina amin’izany tanimboaloboka sy ny mpamboatra azy izany. Eto dia Jesosy no mampihantra izany amin’Izy sy ny Rainy. Ary satria ny fifandraisana mivantana amin’i Jehovah sy ny olony tsy namokatra dia manolotra lalam-pifandraisana hafa Jesosy dia ny fandalovana aminy na ny ny firaisana aminy (Jao 15.4). Izany firaisana amin’i Jesosy izany indrindra fa ny fitoerana amin’izany fifandraisana izany no hahatonga an’ireto mpianatra ireto hamoa voa tsara.

Inona ary no tsiron’io voa io ? Ny teny izay novakiantsika tao amin’ny epistilyI Jao dia milaza amintsika ny amin’izay tokony ho fiainantsika:
* tsy ho tia amin’ny ny teny sy ny lela (I Jao 3.18a)
* fa tia amin’ny asa sy ny marina (I Jao 3.18b)

Betsaka tokoa no miteny fa tia kanefa hafa no asehony amin’ny fiainany. Eto i Jaona, apostoly izay lazaina koa fa mpianatra tian’i Jesosy indrindra dia mampianatra ny amin’izay tokony hifankatiavan’ireto mpianatra. Jesosy dia nampihantra izany teo amin’ny fiainany. Raha tena mitoetra marina ao amin’i Jesosy Kristy isika dia miaina toa Azy koa. Ary raha miaina toa Azy dia manao izay nataony koa eny hatramin’ny fanolorana ny tena hamonjy ny hafa aza. Tsy misy fitiavana lehibe toy izao dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.. Io fitiavana io sy ny finoana an’i Jesosy Kristy no lazain’i Jaona apostoly eto fa didin’Andriamanitra.

Misy zavatra roa izay tsy azo sarahina eto dia
* ny finoana an’i Jesosy Kristy : io ilay lalana izay nolazaitsika teo fa tsy maintsy andalovana satria tsy mahavita tena isika
* sy ny fifankatiavana eo amin’ny samy mpianatra tahaka izay nandidiany antsika : fifandraisana eo amin’ny samy olombelona voavonjy. Io fifankatiavana io dia vokatry ny Fanahy Izay nomen’i Jesosy ny mpianatra taloha ary taorian’ny nandehanany.

Io fifankatiavana io no tsiron’ny voa izay asehon’ireto mpianatra ireto ka hitaona ireo olona hino fa Jesosy Kristy tokoa ny mpamonjy. Io fifankatiavana io dia tsy hafa akory fa endriky ny fifandraisan’i Jesosy sy ny rainy ihany. Eto no ahatsapan’ny olona fa Andrimanitra dia lehibe lavitra nohon’ny fony. Didiy izay tsy hafa akory fa manamafy an’ilay voalaza hoe tiava an’i Jehovah Andriamanitrao ary koa ny fitiavana ny namana. Ka arakarakin’ny fiainanao no ahafantaran’ny olona fa mpianatry ny Tompo ianao na tsia. Betsaka no afaka miteny hoe tia fa vitsy kosa no mampiseho izany amin’ny fiainany. Izany no tsiron’ny voaloboka izay entinao.

Fa teo amin’ny mpianatra , mba ahoana no fisehon’izany ? Ny teny voalohany tao amin’ny asan’ny apostoly dia mampiseho amintsika an’ity mpanenjika ny fivavahana kristiana ity ka lasa nitondra vokatra mitovy amin’ny mpianatra. Vokatry ny fifankatiavana dia lasa niray tamin’ny mpianatra tany Damaskosy ity lehilahy ity dia i Saoly izany. Saoly mpanenjika lasa mitory fa Jesosy dia Zanak’Andriamanitra. Tamin’ny voalohany dia nisy tokoa ny tahotra na tany Damaskosy izany na tany Jerosalema koa satria fanta-daza ny nataon’ity lehilahy ity. Kanefa dia nisy izay mpianatra nalefan’Andriamanitra ho mpanelanelana/mpandray (accueil) :
* tany Damaskosy dia i Ananiasy no nirahin’ny Tompo handray an’i Saoly ka hitondra azy eo amin’ny fifankatiavan’ny mpianatra.

* Tany Jerosalema indray dia i Barnabasy (izay azo adika hoe zanaky ny fananarana) izay nantsoina koa hoe Josefa. Lehilahy avy tamin’ny taranak’i Levy ary teraka tany Kyprosy (Asa 4.36) izay nitondra ny fananany rehetra teo an-tongotry ny apostoly .

Izany lehilahy Barnabasy izany no nitondra an’i Saoly teo amin’ny Apostoly ka nijoro vavolombelona fa tena nandray ny famonjena tokoa i Saoly ka sahy nitory ny anaran’i Jesosy tany Damaskosy.

Miditra amin’ny fotoana vaovao indray izao ny finoana kristiana. Teo aloha dia i Petera sy Jaona no hita matetika mitory ny anaran’i Jesosy Kristy. Izao indray dia i Saoly no mitory izany ary niady hevitra tamin’ny helenista (jiosy miteny grika). Saoly izay tsy an’isan’ny Apostoly indray ity no mitory ny filazantsara. Ary dia izany no iainantsika amin’izao fotoana izao. Isika rehetra dia samy nihaona tamin’i Jesosy tahaka an’ity Saoly ity. Nisy koa olona izay nandray antsika tsirairay avy teto amin’ny Fiangonana izay nisy antsika tany. Ary dia izany no vokatra entintsika tsirairay avy ary dia mbola miaina ny fifankatiavana isika indrindra fa ny firaisana ary ny fitoerana eo amin’i Jesosy.

Ry havana, vokatr’izany rehetra izany teo amin’ny fiangonana dia,
* ny fiadanana, ny fandrosoana
* ny fandehanana amin’ny fahatahorana ny Tompo
* ny famporisihan’ny Fanahy

Nihamaro tokoa ny Fiangonana ka betsaka no nanatona ny Apostoly sy ny mpianatra. Anisan’ny fomba amam-panaon’ireto mpianatra ireto ny fiarahana misaka ka ihinana ny mofo ary ny fisotroana ny divay tahaka izao ataontsika androany izao. Ny Tompo no manasa anao hihaona aminy aloha ary hiaraka latabatra aminy rahefa avy eo.

Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Amen


FPMA Dijon,
10 may 2009

 
Fantaro ny Soratra... Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

...fa tsy mbola fantany ny soratra masina fa tsy maintsy hitsangana amin’ny maty Jesosy Jao 20.9
Ry havana malala,
Raha ny taom-piangonana no resahina dia mankalaza ny Pasaka isika izao.Ny teny 3 no norenesintsika teo dia ny
- Jao 20 manambara ny amin’izay toe-java-niseho tamin’ny amarain’ny andro faha 3 namonoana an’i Jesosy
- Asa 10 : manamba amintsika ny fitantaran’i Petera ny zava-niseho izay mitatra hatramin’ny jentilisa izay asehon’ny tantara amin’ny alalan’i Kornelio fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra fa mamelan-keloka amin’ny firenena rehetra
- I Kor 5 : izay mitantara lehilahy iray, mpijangajanga ka manambady ny vadin-drainy, oharina amin’ny masirasira eo amin’ny mpiara-monina. Ilaina ny manala izany masirasira izany satria hahazo ny vongana rehetra dia ny fiaraha-monina izany. Ny ilaina dia ny fiaraha-monina tsy misy masirasira izay tandindon’ny Paska izany : fihinanana ny mofo tsy misy masirasira.

 

Tohiny...
 
<< Début < Précédente 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 Suivante > Fin >>

Résultats 28 - 36 sur 103
 
Joomla Templates by Joomlashack