A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga048.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Toriteny
Toriteny
Manana ! ! Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

..fa izay rehetra manana dia homena, ka hanambe izy; fa izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy ?. Mat.25.29

Miarahaba antsika tratr’izao alahady mialohan’ny farany taom-piangonana 2011 izao indray. Mariky ny famindrampon’Andriamanitra amintsika rehetra nohon’ny fitiavany antsika.

Ary raha ny teny izay novakiantsika tamin’ity andro anio ity dia milaza koa fa efa mifaram-parana ny fampianarana nataon’i Jesosy ary ny fandalovany tety an-tany. Koa , raha ny filazantsaran’i Matio no jerena dia misy fanontaniana 2 tiana ho jerena,

* Ahoana no fomba ijerena izao teny izao ?

* Fomba ahoana no hiainana azy ?

Tohiny...
 
Ny famindrampo... Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

 Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin’ny mpampijaly mamdrampandoany ny trosa rehetra. Ary tahaka izany koa no hataon’ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy hianareo. Mat.18.34-34

Ry havana malala,

Miarahaba antsika tratr’izao taona taompianarana vaovao 2011-2012 izao indray. Mariky ny famindrampon’Andriamanitra amintsika rehetra nohon’ny fitiavany antsika.Fotoana koa izay iaraha-mahalala fa ahatsiarovan'ny maro ny faha 10 taonan'ny zavatra nitranga tany Etazonia tamin'ny 2001.

Taona izay heverinay fa tokony hirosoantsika hatrany amin’ny fanarahana ny Tompo : mba tsy ho zaza intsony isika... fa mba haraka ny marina amin’ny fitiavana ka hotombo amin’ny zavatra rehetra ho amin’izay loha, dia i Kristy Efes.4.14-14.

Mbola mitohy hatrany koa anefa ny famakiana ny boky nosoratan’i Matio ka anio dia ny toko faha 18.

Tohiny...
 
Izaho no Izy ! Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   
.Izaho izay miresaka aminao no IZY . Jao.4.25
Faly miarahaba antsika amin’izao alahady fahatelo amin’ny karemy izao. Karemy izay anomantsika ny fo amam-pahintsika hiatrika ny Paska. Ny ivon’ny famonjen’Andriamanitra izao tontolo izao ka nanolorany nyt Zanany ho faty hamojy antsika, ary nitsangana tamin’ny andro fahatelo hanamarihany fa
* ny fahafatesana dia efa resy tahaka ny andreseny ny devoly sy ny satana tamin’ny fankalazana ny alahady voalohany tamin’ny karemy
* ny nivan’i Jesosy tarehy indray izay nahitantsika an’i jesosy niaraka tamin’i Mosesy (lalàna/fanekena) ary Elia (mpaminany/mitondra ny tenin’Andriamantra).
* Jesosy mihaona amin’ny olona mivantana dia ilay vehivavy samaritana izany.
Raha azo omena lohateny izao teny azontsika anio izao dia ny hoe : ny Fihaonan’i Jesosy Kristy aminao mivantana. Mizara 3 izany : Iza moa Jesosy, Inona no asa ataony, Vokatry ny asany.
Iza moa Jesosy ?
Ho fampahatsiarovana dia averintsika indray ireo teny norenesintsika nandritr’ity keremy ity :
* Raha natao batisa Jesosy, araky ny fitantaran’i Matio 3.17 azy : Ary injao misy feo avy any an-danitra nanao hoe : ity no Zanako malako izay sitrako . jesosy Ilay Zanak’Andriamanitra no atao batisa. Izy ilay lazain’i Jaona fa hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina ary ny afo (Mat.3.11). Hita eto sahady ny fifandraisan’ny asan’i Jesosy sy ny Rano izay anambarana ihany koa ny batisa tsy maitsy andalovan’ny kristiana rehetra.
* Rehefa avy natao batisa Jesosy dia nentin’ny Fanahy Masina tany anefitra. Ary dia tany Izy no nifady hanina ary nivavaka ka nalain’ny devoly fanahy rehefa hitany fanoana. Lazain’ny devoly hoe Raha Zanak’Andriamanitra ianao (Mat.4.3, 6) izay miverina indroa. Eto koa isika dia mahita an’i Jesosy mamaly fa Jehovah Andriamanitra no tokony ho tompoina ary dia noroahiny moa izany satana izany
* Raha niova tarehy tany an-tendrombohitra Jesosy araky ny Mat.17.1-9 dia hitan’ireto mpiantra dia Petera, Jakoba ary Jaona i jesosy miresaka amin’i Mosesy, ary Elia. Rehfa niverina anefa izy ireo dia nandrara azy Jesosy mba tsy hilaza amin’ny olona ny zavatra izay hitan’izy ireo mandrampitsangan’ny zanak’olona . Jesosy Zanak’olona
* Eto amin’ity teny azontsika anio ity dia ny Jao.4.25-25 dia milaza ny tenany i Jesosy fa Izy no ilay Mesia izany hoe Kristy izay andraisan’ny jiosy ary ny samaritana. Io mesia io no hanambara ny zavatra rehetra hoy ity vehivavy samaritana ity. Jesosy Zanak’Andriamanitra, Jesosy Zanak’olona ka mila atao batisa amin’ny rano ary Jesosy ilay Mesia andrasan’ny olona no tonga miresaka mivantana amin’ity vehivavy Samaritana ity. Mbola io Jeosy io ihany koa no miresaka aminao mivantana anio amin’ny alalan’izao teny azontsika izao.
Ka inona moa izany no asa ataony ?
Manomboka amin’izao alahady fahatelo amin’ny karemy izao dia teny samy ahitana an’i Jesosy mifandray aman’olona samihafa no ho hitantsika. Izany Jesosy miasa eo anivon’ny fiangonana. Iza izany fiangonana izany. Ireo olona izay nihaona taminy ka nandray ny fampianarana entiny dia ny fiainana vaovao izay atolony izany. Eto i Jaona, tahaka ny fanaony matetika, dia mampiseho an’ilay Jesosy olombelona satria asehony fa :
* Sasatra Izy sady nangetaheta ka nipetraka teo am-patsakana. Izay tsy hafa fa toerana manan-danja teo amin’ny jiosy satria fatsakan’i Jakoba izay antsoina hoe Israely. Razamben’i Jesosy sy ity vehivavy ity. Ary dia manodididna an’izany rano izany ny resaka nifanaovany tamin’ity vahivavy ity.
* Jesosy ilay ambonin’nylalan’ny Mosesy satria Lehilahy jiosy miresaka irery amin’ity vehivavy samaritana ity.
* Jesosy ilay Fanomezan’Andrimanitra ho an’ny olona ka afaka manome azy rano velona mba tsy ahafantarany intsony ny amin’ny atao hoe fangetahetana izany hoe fahatanterahana
* Jesosy ilay Mesia andrasan’ny taranak’i Jakoba rehetra Jesosy , fanomezan’Andrimanitra hananao ny fiainana mandrakizay no aseho eto. Izy izay mitondra rano velona ho an’ireto Zanak’i Jakoba. Eto ireto zanak’i jakoba dia aseho amin’ny alalan’ny
Mpandray anjara amin’izao resaka izao
* Vehivavy samaritana, izay tonga hitady rano, ka nanampo izay ho tonga aminy dia ny fanatonany an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy, rano velona. Vehivavy tsy cafa-po tamin’ny fiainana ka nisolo vady in-dimy. Jesosy nanambara izay fiainan’ity samaritana ity ka nampibaribary ny tsy fahamendrrehany ary dia nitondra azy amin’ny fisokafan’ny fony handray an’izany rano velona izany dia ny Fitiavan’Andriamanitra.
* Ny Mpianatra izay, lasa betsaka tamin’nyfianana ara-nofo amin’ny maha olombelona azy ireo ka nandao an’i Jesosy fa lasa nividy sakafo ho hanina.Rehefa niverina izy ireo dia gaga satria niresaka tamin’ny vehivavy jesosy kanefa tsy nisy sahy nanotany Azy fa nanasa azy nisakafo kosa no nirisoan’izy ireo. Mpianatra , mbola tsy mahafantatra tanteraka ny mpampianatr’azy ireo sy any fampianarany. Mila miroso lalin-dalina kokoa.
* Mpiara-monina tamin’ilay samaritana indray , nony nandre ny fijoroana vavolombelona nataon’ity vehivavy ity dia nirohotra nankany amin’i Jesosy izay mametram-panotaniana amin’izy ireto na Izy no ilay Mesia na tsia. Betsaka tamin’izy ireto no nino ka nandray an’i Jesosy hitoetra tao aminy.
Ary dia izy ireo indray no nijoro vavolombelona satria ny “tenanany no nandre fa izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao” (v.42)
Eto Jesosy dia miteny lohahevitra dimy sosona izay. Amin’ny maha olombelona Azy feno nefa koa amin’ny maha Andrimanitra Azy dia tsy maintsy raisina amin’izany ankolafiny roa izany daholo ny fampianaran’i Jesosy. Ao ny HITA dia izay maha olombelona ny olombelona ary ao ny Tsapa dia ny amin’ny maha Andriamanitra Azy. Ka eto amin’ity TSAPA ity no matetika tsy ahatongavan’ny olona izay mandre ny tenin’Andrimanitra satria ny Fanahy no manambara antsika izany. Hita eto izany amin’ny
* Ny rano roa karazana (7 – 15)
* Ny fivavahana roa sosona resahina eto (16 -26)
* Ny sakafo roa samihafa (27– 34)
* Ny fijinjana indroa miatoana (35-38)
* Ny fijoroana vavolombelona roa samihafa (39 -42) Jesosy ary ny fampianarana na ny fanomezana entiny no mitondra antsika hahita sy hahatsapa izany rehetra izany.
Tsy vitan’ny fahalalan’ny saina toy ny teolojia na ny fahalalana momba ny literatiora na ny sosialy ny fahatakarana ny hevi-dehibe entin’ny tenin’Andriamanitra fa kosa miankia amin’ny fisokafan’ny fonao amin’ny Fanomezana atolotr’Andriamanitra ho anao dia ny itenanao mivantana hoe ‘Ilay Jesosy izay miresaka aminao tokoa no ilay Mesia manala ny hetaheta tantarain’ny bokin’ny Eksodosy teo ahafantarantsika fa eto afovoan’ny fiangonantsika tokoa Andriamanitra. Amena

D.ANDRIANARIVO, pasteur
FPMA DIJON 27 marsa 2011
 
Ilay niverina ! Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

.moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an’Andrimanitra afa-tsy ity olona, hafa firenena ity ihany va ? Lio 17.17

Ry fiangonana malala, hampitomboina aminareo anie fahasoavana sy ny fiadanan’ny Jesosy Tompontsika . Amena

Faly miarahaba antsika amin’izao alahady izao. Koa dia arahabaina daholo isika rehetra, indrindra fa isika izay izao vao tonga eto amin’ny FPMA Dijon ?

Ny tantara

Tantara izay efa fantatatsika loatra. Tantara manomboka amin’ny filazana fa Jesosy dia niakatra ho any Jerosalema ka namaky an’i Samaria sy Galilia izy. Teo am-pidirana tamin’ity vohitra anakiray izy no nifanena taminy , izay nijanona lavitra teny ireto boka 10 lahy. Nohon’ny habokany/fahalotoany dia tsy afaka manatona an’i Jesosy izy ireto fa nijanona teny lavitra teny ihany hany ka ny antso mafy no azo nifandraisana . Jesosy Tompo ô, mamindra fo aminay . Ary Jesosy nampandeha azy ireo hiseho any amin’ny mpisorona ary dia nadio teny am-pandehanana izy 10 lahy ireto. Ka ny 9 nanohy ny lalany ary ny anakiray izay voalaza fa samaritana dia niverina ka nakalaza an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery, dia nanatona an’i Jesosy ka nisaotra Azy.

Ary hoy Jesosy : Tsy efa voadio avokoa va izy 10 lahy ka aiza ny 9, moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an’Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ? Ary hoy Jesosy taminy : mitsangana, mandehana, ny finoanao no efa nahavonjy anao.

Tantara efa mahazatra antsika. Jesosy miakatra hankany Jerosalema no hitantsika eto. Raha ny fizarana ny filazantsaran’i Lioka : ny fahaterahan’i Jesosy (1-2), ny asa fanompoan’i Jesosy tany Galilia (3 – 9), ny asa fanompoana nandritry ny dia farany nakany Jerosalema (9.51 – 19.29) ary izay niseho tazny Jerosalema . koa izao tantara izao dia ao anatin’ny fizarana fahatelo .

Izao tantara izao dia tsy hita any any amin’ny filazantsara hafa. Betsaka amin’ny mpandinika ny tenin’Andriamanitra no milaza fa izao tantara ataon’i Jesosy izao dia misy ifandraisany amin’ny tantaran’i Namana izay komandin’ny miaramilan’ny mpanjaka syria, izay boka tahaka ireto folo lahy ao amin’ny filazantsara . Misy aza milaza fa Jesosy dia nahafantatra izao tantara izay niseho tany Samaria izao fony Elisa, mbola mpaminany .

Foto-kevitra samihafa

Ny mpaminani’i Jehovah manasitrana : fahatokiana ny mpanompon’Andrimanitra.

Raha ny ao amin’ny TT momba an’i Namana , syriana, no resahina . Ilay zazavavy isiraelita azo babo izay nanompo ny vadin’i Namana dia milaza mazava fa any Israely, izany hoe any Samaria dia misy mpaminany afaka manasitrana an’i Namana amin’ny habokany.

Eto amin’ny TV indray isika dia mahita an’ireto 10 lahy miantso mafy an’i Jesosy mba hamindra fo amin’izy irereo. Manantena fanasitranana izy ireo. Jesosy mampihatra ny lalàna momba ny habokana ao amin’ny Levitikosy 13 dia ny fisehoana amin’ny mpisorona

Ny fandraisan’ireto marary anjara : fahatokina ny tenin’Andriamanitra

Samy nanaiky izy ireo ny amin’ny treny izay nataon’ireto mpaminany ireto na dia somary nisalasala ihany aza i Namana izay nanantena zavatra hafa dia ireo fombafomba maro toy ny fanevahevan’ny tanan’i Elisa eo ambon’ny aretina izay ananany, ny mahasamihafa ny rano Jordana sy ny rano any Damaskosy ?. Nadia izany aza dia nisy mpanompo iray izay nadresy lahatra azy ka dia nataony ihany izany fandroana im-pito ao amin’ny onin’i Jordana izany.

Ny TV dia ny fanantanterahn’ireto jiosy ny tenin’i Jesosy dia ny fisehoana any amin’ny mpisorona.

Ny fankasitrahana an’ireto mpanompon’Andriamanitra

TV : Rehefa avy nandro i Namana dia nahita fa ny nofony dia niveria tahaka ny nofon-jazakely ka nadio izy ary dia niverina nanatona an’ilay lehilahin’Andriamanitra dia Elisa izany.

TV : rehfa nahita fa nadiuo teny an-dalàna ilay samaritana dia niverina tany amin’i Jesosy ka nisaotra ary nankalaza an’Andrimanitra

Lesona

Raha ny tantara ao amin’ny baiboly no jerena dia ahitana amin’ity anio ity fa :

Ny vahiny dia ny syriana na ny samaritana eny ny malagasy, ny frantsay na raha adika tsotra dia ireo izay tsy voafaritra fa taranak’i Abrahama, izay heverina fa ivelan’ny famonjena dia tafiditra amin’ny fitiavan’Andriamanitra. Raha ny amin’ity Namana ity dia tamin’ny alalan’ilay zatovovavy jiosy izay nanompo ny vadiny no nahazoany hevitra fa tokony hanatona mpaminanin’i Jehovah Andriamanitra izy mba ho sitrana na koa hoe hadio. Ity samaritana indray dia tafaraka tamin’ireto jiosy, izay taranak’i Abrahama izy ka dia nadray ny famonjena niaraka tamin’izy ireo.

Mitovy ny toeran’ny habokana na taiza na taiza . Teo amin’ny jiosy manokana dia midika fahalotoana izany ka voatery ny boka atoak-monina, tsy afaka mifandray amin’ny hafa. Jereo ny tantara anio . Tsy hitan’i Namana akory i Elisa ary Teny lavitra eny kosa no niantsoan’ireto boka 10 lahy an’i Jesosy. Tsy afaka nifanerasera tamin’ny olona ny boka satria tsy madio vokatry ny fahotana. Hany ka mitovy ny fanadiovana azy ireo dia ny fanosorana menaka na koa fisasana amin’ny rano mandeha (Lev.14). Ny Mpisorona/mpaminany ihany no afaka mitsara na madio ilay olona na tsia. Raha madio izy dia atao izay fomba ampidirana azy amin’ny fiangonana dia ny batisa izany.

Ny fankalazana an’ilay nanasitrana. Eto dia hita fa Jehovah Andrimanitra no nanasitra na tamin’i Namana izany na tamin’ity Samitana ity. Niverina tany amin’Andriamanitra izy ireo ary nankalaza an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery. Azo raisina fa fijoroana vavolombelona tamin’izay nataon’Andriamanitra taminy izany. Tsy vitan’ny hoe nakalazza ihany fa mbola nitondra fanatitra . Betsaka no manadino an’andriamanitra rehefa azony izay nilainy .

Ny fiankohofana ary ny fisaorana an’i Jesosy Andriamanitra. Ity fisaorana ity dia mitovy amin’ny fisaorana atao amin’ny fandraisana. Samihafa ny fankalazana (rendre gloire/adorer) ary ny fisaorana (rendre grâce, remercier). Tsy fantatra izay nataon’ireto 9 lahy izay voadio. Heverina fa mbola eo ambany lalàna izy ireo ka lasa tokoa nantona ny mpisorona araky ny lalan’ny jiosy. Fa ity Samaritana ity kosa , tamin’ny hafaliam-pony no niverenany nankalazany an’Andriamanitra.

Eto isika dia mandre koa “fa ny finoanao no mahavonjy anao”. Tsy ho an’ity Samaritana ity ihany izany fa ho antsika rehetra. Ny finoana izay vokatry ny fihaonana mivantana amin’Ilay Jesosy, nitsangana tamin’ny maty ihany no ahazoana izany finoana izany. Izany no lazain’i Paoly ao amin’ny 2Tim novakiantsika teo. Ny fiarahana amin’ity Jesosy ity no ahazoantsika mifahatra amin’izany famonjena izany. Ka ahazoantsika ny fanadiovana antsika.

Koa aza hadinoina ny fitahiana izay nataon’andrimanitra tamintsika tsirairay avy. Koa mahereza azy dia ho Azy irery ihany ny voninahitra

Amena

D.ANDRIANARIVO

FPMA DIJON

10 oktobra 2010

 
Raha tsy mihaino an'i ..... Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

.raha tsy mihaino an’i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy,na dia misy mitsangana amin’ny maty aza. Lio 16.31
Ry fiangonana malala, hampitomboina aminareo anie fahasoavana sy ny fiadanan’ny Jesosy Tompontsika . Amena
Faly miarahaba antsika amin’izao alahady atokantsika hanokafana ny taom-pianarana 2010-2011 izao. Koa dia arahabaina daholo isika rehetra, indrindra fa isika izay izao vao tonga eto amin’ny site FPMA Dijon.
Ny tantara
Tantara efa mahazatra antsika loatra ny momba an’ity lazarosy sy ilay lehilahy mpanankarena ity. Tantara izay tsy hita any amin’ny filazantsara hafa.Tantaran’ilay mpanankarena sy Lazarosy izay atao hoe mahantra.
* Ilay Mpanankarena, akanjo voloparasy sy rongony fotsy madinika, manarapo amin’ny fahafinaretana. Izany hoe tsy fantatra izay nanarany. Milona ao antin’ny fandriana ivoriny, misakafo tsara, mihaino mozika tahaka ireo Samaritana izay tantarain’i Amosa. Tsy dia azo lazaina fa masiaka ilay olona fa kosa mahatsiaro ireo rahalahiny dimy izy mba tsy hanraka ny lalany.
* I Lazarosy ,indray : malahelo sady ferena . Lazarosy izay midika hoe “Andriamanitra no famonjena ahy”. Milaza amintsika ny tantara fa Andrimanitra no mamonjy azy satria olo-malahelo izy. Ny alika, izay biby maloto tamin’ny androny no milelaka ny feriny.* Jesosy no manao fanao fampianarana eto. Lazainy fa ny lalàna sy ny mpaminany izay asehon’”i Mosesy sy ny mpaminany eto dia hatramin’i Jaona . Fa rehefa avy eo dia ny antson’ny fahasoavan’Andrimanitra ho an’ny mpanota rehetra. Eto Jesosy dia mitanisa ny vanimpotoana izay misy dia ny tamin’i Mosesy sy ny Mpaminany ary ny amin’ny androm-pahasoavana izay iantsoana ny rehetra.
Izao tantara izao dia efa fantatry ny olona tamin’ny fotoana nitantaran’i Jesosy azy, Ny mpandinika ny baiboly dia milaza fa tantara avy tamin’ny egyptiana izy ity ary ny tanjona tamin’ny fitantarana azy dia ny hampitana ny amin’ny fahotan’ilay mpanakarena ary ny fahononan-tenan’i Lazarosy. Tsy dia tena nanahirana olona loatra izao tantara izao
Fomba fijery
Inona moa no tiana ho lazaina amin’ity hoe fomba fijery ity ?
Ny And.16 dia milaza fa ny lalàna sy ny mpaminany dia hatramin’i Jaona ihany. Izany hoe taorian’i Jaona dia misy fijery hafa izay azo lazaina fa fijerin’i Jesosy.Raha ny rabony na ny mpampianatra jiosy no nitantara izao dia hoy izy ireo : satria manankarena ity olona ity dia mety ho zanaky ny mpamory hetra izay mpanota satria naka tombony tamin’izay tokony haloan’ny olona. Ary ity mahantra ity indray dia olona nilona tamin’ny fivavahana. Samy nandalo tamin’ny mozana (balances) izy roa ireo handanjana ny vitan’ny tsirairay. Eo amin’ireto Raby ireto dia marina kokoa ity olona nilona tamin’ny fivavahana noho ity zanaky ny mpamory hetra ity. Ka mendrika ny ho any amin’ny Abrahama ilay voalohany fa ny faharoa kosa dia mankany amin’ny farihy mirehitra afo. Izay no mety azo ijerena azy araky ny lalana sy ny mpaminany.
Fa Jesosy kosa tsy dia nanaraka an’izay fomba fijery izay. Tsy nojereny ny fahamendrehana ary ny asa soa nataon’ny tsirairay dia ilay mahantra na ilay mpanakarena. Indrindra fa tsy voalaza eto hoe ilay mahantra dia mpanao soa ary ilay manakarena dia ratsy fanahy. Tsapan’i Jesosy fa nandritry ny fiainan’ny tsirairay, ilay mahantra dia nahantra ary ilay manankarena dia nilona tamin’izany harena izany ihany. Izany hoe tsy nifampikasoka izy roa ireo satria na dia nanatona ny latabatr’ilay mpanakarena aza ilay mahantra dia tsy nihetsika akory na namoha varavarana ho azy ity mpanakarena ity.
Manarak’izany, amin’izao tantara nataon’i jesosy izao dia lazainy fa ilay mpanankarenadia miakanjo voloprasy madinika sy rongony fotsy madinika, izay manakaiky ny akanjon’ny mpanao raharaham-piangonana tamin’izany fotoana izany. Ny firesahana ny antsipirian’ny akanjon’ity mpanakarena ity dia toa midika hoe ho anareo izay mivavaka kanefa tsy miraharaha ny hafa toy Fariseo (and.14). izany hoe na iza na iza ianao ka tsy miraharaha ny mahantra dia tsy mendrika ny hatao hoe zanak’i Abrahama.
Fa iza moa no zanak’i Abrahama ?
Amin’izao teny azontsika anio izao dia impito (7 fois) no voateny ny anaran’i Abrahama ? I Abrahama dia lazaina ao amin’i Baiboly fa rain’ny mino ary ny zanak’i Abrahama dia mahazo fitahiana avy tamin’i Jehovah raha mihaino ny tenin’i Mosesy izany hoe ny lalàna. Kanefa koa raha tsy miraharaha ny fangirifirian’ny rahalahinao, mpiara-monina aminao ianao dia mbola tsy zanak’i Abrahama ihany koa
Eto Jesosy dia mampiseho fa tena sarotra ny zava-miseho : ilay mahantra izay manatona ny latabatr’ilay mpanakarena dia tsy vitan’ny hoe mahantra fa mbola maloto satria ny alika izay heverina fa maloto tamin’izany fotoana izany no nilelaka ny ferin’ity mahantra ity. Izany hoe na dia mba te-hampiditra an’i lazarosy tao an-tranony aza ity mpanakarena ity dia tsy afaka hampiantrano azy nohon’ny tsy fahamasinany/lotony. Koa tsy ny fitazonana ny fankasitrahana satria te hijanona amin’ny fahadiovana satria zanak’i Abrahama fa kosa ny zava-dehibe voalazan’ny lalàna sy ny mpaminany dia ny hoe “tiava ny namanao tahaka ny tenanao na koa hoe Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena... ka tsy hihirimbelona amin’ny namanao hianao ? Fa raha zany, dia hiposaka tahaka ny fahazavan’ny maraina ny fahazavanao Is.58.7,8).
Fa amintsika kosa dia ny filazantsaran’i Jesosy no tokony hohenointsika sy iainantsika. Inona moa izany ? Ny fandehanantsika mankaty am-piangonana ve ? Efa impiry isika izao no nandre izany ho tenin’Andriamnitra izany ? Tsy ny manao amiko hoe Tompoko tompoko no miditra amin’ny fanjakan’ny lanitra fa izay manao ny sitrapon’ny raiko izay any an-danitra hoy Jesosy (Mat.7.21).
Izao tantara izao dia miantso antsika izay azo lazaina fa manakarena satria raha oharina any madagasikara, dia zo lazzaina fa mba miaina ihany ka afaka mihaino mozika toy izay voalaza ao amin’ Amosa teo, ka koa raha oharina amin’ireo izay tsy tonga aty am-piangonana, dia manan-karena satria maheno ny tenin’Andriamanitra, sns.
Hoy ny teny malagasy , ny voa no ahafantarana ny hazo. Izay ataonao, izao iainanao no ahitan’olona izay nohenoinao na Jesosy sy ny famonjeny na zavatra hafa ?
Mbola misy Mosesy sy mpaminany amin’izao fotoana izao. Ny fihainoanao an’ireny no antoka fa idiranao ho eo antratran’i Abrahama. Mety tonga eto ianao anio satria nobeaziana tao amin’ny fiangonana toy ny sekoly alahady, ny tanora, ny tily, ny antokom-pihira sns. Vokatr’izany dia nahazo ny fampianarana ,ny fanabeazana ary ny fahazarana ianao.
Ny fanontaniana kosa dia ny hoe : mba afaka miteny ve ianao fa nahita an’ilay Jesosy nitsangana tamin’ny maty ? Izany hoe tsy fifandraisana amin’ilay Jesosy olombelona intsony satria efa maty izy fa amin’ilay Jesosy nitsangana tamin’ny maty izany hoe fifandraisana aram-panahy. Io fihaonana amin’io Jesosy io no miteny aminao toy izay lazain’i Mosesy sy ny mpaminany (mpitondra ny tenin’Andriamanitra) ary milaza aminao anio hoe Mibebaha ianao na raha adika miova lalana ianao fa tsy mety aminao io . Ny fihainoana na ny fibebahana no ahazoana ny finoana ka andraisana ny famonjena ahazoana milaza fa zanak’i Abrahama ianao. Fa na inona na inona hiseho , eny fan dia ny maty aza no ho tonga hitory teny eto aminareo amin’ity andro anio ity, rehefa tsy hihaino izay lazain’ireo Mpanompon’Andriamanitra dia Mosesy ary ny mpaminany ianao dia tsy hino ary ho any amin’fahaverana mandrakizay. Marina fa miaina amin’ny taom-pahasoavana isika izao kanefa izany fahasoavana izany dia mila raisina, iainana ary zaraina. Io fizarana azy io no ataohoe fijoroana vavolombelona ny amin’ny zava-tsoa entin’ny maha zanak’i Abrahama anao.
Koa mahereza sy mahatanjaha ry mpianakavin'ny finoana fa ho Azy irery ihany ny voninahitra. Amena
D.ANDRIANARIVO
26 septembre 2010

 
<< Début < Précédente 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 Suivante > Fin >>

Résultats 1 - 9 sur 103
 
Joomla Templates by Joomlashack