A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga063.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Vaovao
Vaovao
Hafatra Paska 2007 Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Paris, 03 avrily 2007

Ho an’ny Filoha sy ny Komitin’ny Faritany 6 ato amin’ny FPMA
Ho an’ny Filoha sy ny Komitin’ny Tafo 34 sy Fiaraha-mivavaka 4
Ho an’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra ato amin’ny FPMA

HAFATRA PASTORALY PASKA 2007

Ry havana malala,

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompontsika! « Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana ; ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo ; ary mbola ao amin’ny fahotanareo ihany ianareo ; dia very koa izay efa nodimandry ao amin’i Kristy. Raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’I Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika
… Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.» I Korintiana 15, 16-19,57-58
Efa mahazatra antsika kristiana ny mandre azy, ka tsy tsaroantsika matetika ny hasarobidin’ny fitsanganan’ny Tompo Jesoa Kristy tamin’ny maty izay ankalazaintsika isan-taona. Kanefa, ny fitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty dia mampahafantatra antsika mandrakariva fa tsy Andriamanitra maty no tompointsika fa Andriamanitra velona, koa na dia betsaka aza ny zava-manahirana atrehintsika eo amin’ny fiainana andavanandro, dia matoky sy manana fanantenana hatrany isika fa mpandresy koa, noho ny fandresena efa azon’ny Tompontsika. «Kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika.» Romana 8, 37
Misaotra ny Tompo isika FA TANTERAKA SOA AMAN-TSARA NY FANDRAISANA ANTSIKA FPMA HO MPIKAMBANA FENO AO ANATIN’NY FÉDÉRATION PROTESTANTE DE FRANCE. Andro lehibe raiketin’ny tantaran’ny Fiangonantsika iny 01 avrily 2007 iny. Tsy mora ny nahatrarana ny tanjona, efa nirina an-taona maro, ary mbola tsaroako manokana ny fahadisoam-panantenana tamin’ny taona lasa raha tsy nampidirina ho isan’ny tanisa dinika tamin’ny Fivoriambe ny fangatahantsika izay efa nikirizako mafy sy efa nandrenesantsika fanomezan-toky tany amin’ny Zaikabe nataontsika tany La Roche-sur-Yon. Misaotra antsika rehetra nampahery sy nitondra amim-bavaka ny ezaka natao, ary misaotra koa ireo nanome tsiny sy nanao fanakianana ahy tamin’izany fotoana izany fa nahatonga fikirizana hoanay mba hiezaka bebe kokoa.
Fa mitaky andraikitra lehibe ho antsika izao zava-misy ankehitriny izao. Lesona lehibe tsy azo hamaivanina ny TOKONY HIEZAHANTSIKA TSIRAIRAY AVY HO MATOTRA ARA-PINOANA SY HAHATSIARO TENA FA TENA FIANGONANA ISIKA ANKEHITRINY, EKEN’NY MARO SY TAZANINY AKAIKY, FA TSY TOY NY FIKAMBANANA TSOTRA FOTSINY.
Hoy ny razantsika, hoe : «Ny adidy tsy an’olon-dratsy». Ny asa atao tsy vitan-dresaka sy fihetsehampo fotsiny. MANENTANA ANTSIKA TAFO TSIRAIRAY AVY SAMY HIEZAKA HANEFA NY ADIDINTSIKA ARA-BOLA HO ENTI-MANANA NY ASA IOMBONANA. Aoka avela amin’izay ny adihevitra sy ny resabe mandany andro fa tsy mampandroso. Aoka ariana ny hambom-po diso toerana sy fitiavantena ary ny

fitadiavam-boninahitra mahatonga disadisa eo anivontsika. Hoy ny Soratra Masina : «Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany», II Timoty 2, 23.
Dia mirary Paska sambatra ho anareo rehetra ary mitsodrano anareo amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana : «Andriamanitry ny fiadanana, Izay nitondra an’i Jesoa Kristy Tompontsika Mpiandry ondry lehibe, hiala amin’ny maty, mitondra ny ran’ny fanekena mandrakizay. Izy hahatanteraka anareo amin’ny tsara rehetra hanao ny sitrapony, ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.» Hebreo 13, 20

Ny Filoha Synodaly, Filohan’ny FPMA,

Dr Jean ANDRIAMAROHASINA RAVALITERA
Mpitandrina sady Mpampianatra Teolojia
Portable : 0698114675 Courriel : Cet e-mail est protégé contre les robots collecteurs de mails, votre navigateur doit accepter le Javascript pour le voir

 
Maintimolaly FPMA Madagasikara Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   
Nohon'ny naha-mpikambana feno ny FPMA ao amin'ny FPF izao dia indro avoakany aeto ny mailaka voray avy tamin'ireo Maitimolalin'ny FPMA any Madagasikara.

Any Pasteur Jean RAVALITERA, Filohan'ny FPMA

Miarahaba anareo amin'ny anaran'i Jesoa Kristy Tompo.
Miara-paly amin'ny FPMA rehetra ny MAINTIMOLALY ary miara sy mankalaza an'Andriamanitra noho izao vaovao lehibe sy mahafaly nomeny ny FPMA izao (nahampikambana feno ny FPMA ao amin'ny Fédération protestante de France FPF).
Ny Maintimolaly, araka ny efa nampahafantarina anareo FPMA teo aloha kely teo dia efa nanokana ny Alahady 15/04/07 ho fotoana hanaovany ny Fiaraha-mivavaka isan-taona ity 2007. Faly tokoa izahay izany hiara-miombom-bavaka amin'ny FPMA rehetra amin'io fotoana io. Akambanay amin'io fotoana io ny FIDERANA sy FISAORANA an'Andriamanitra noho izao soa
lehibe nomeny antsik izao.
Ny toerana: FLM Ambatovinaky amin'ny 3 ora hariva
Mitarika: Dr. Péri Rasolondraibe.
Mitoriteny:Dr. Laurent Ramambason, Doyen de la Facuté de Théologie Ambatonakanga (FJKM).
Ny daty : 15 aprily 2007 izao
Ho an'Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.

Pascal Ranaivoson

Fanamarihana :
Ny Féderation Protestante de France na ny FPF dia sahala amin'ny FFPM na ny Fiombonan'ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara . Io daty io koa dia efa natokan'ny FPMA rehetra hiarahana midera an'andriamanitra noho izany vaovao lehibe izany ka ao amin'ny ERF de L'Etoile, 54 avenue de la Grande Armée 75017 (Métro Argentine) manomboka amin'ny 3 ora aty Frantsa izany.
 
FPMA par la FPF Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Assemblée générale  2007
de la Fédération protestante de France

Les nouvelles adhésions

Au cours de cette Assemblée générale, les 72 délégués des Eglises et les 24 délégués des Communautés, institutions, œuvres et mouvements se sont prononcé sur l’entrée de deux nouveaux membres : une 23ème Eglise la FPMA, Eglise protestante malgache, a bénéficié d’une adhésion simplifiée et est devenue la 23ème Eglise membre de la FPF. Une association, la Fraternité des Veilleurs, sera une année en probation avant une entrée définitive en 2008.
Horizons France, association missionnaire d'origine galloise, bien que recommandée par l'équipe FPF de suivi du dossier, n'a pas obtenu un nombre  de voix suffisant pour entrer en année de probation. Elle pourra néanmoins refaire une demande si elle le souhaite.

La FPMA, Eglise protestante malgache
Dans toute la France, nombreuses sont les paroisses enrichies par la présence des protestants malgaches. Ce qu’on sait moins c’est l’existence d’une Eglise française d’origine malgache, la FPMA.  Forte de 34 paroisses et composées de 15 000 fidèles, son originalité est d’être une Eglise Unie, ses fidèles étant aussi bien luthériens que réformés, de par l’histoire du protestantisme à Madagascar. Le pasteur Ravalitera, président de la FPMA, explique que « si au départ la FPMA  n’était qu’une aumônerie, elle est aujourd’hui une Eglise autonome des Eglises de Madagascar. Elle doit se gérer et travailler avec les autres Eglises ». Il souligne que « tout en travaillant à  l’intégration, il est important de préserver la spiritualité et l’identité malgaches au sein de cette communauté. « C’est une demande des jeunes » soutient-il «  la culture malgache joue un très grand rôle dans la communauté, même si certains ne parlent que le français ». La FPMA bénéficie d’une adhésion simplifiée et devient la 23ème Eglise membre de la FPF.
http://www.protestants.org/textes/articles/07-03-31-ag-adhesions.htm

 
31 mars 2007 pour la FPMA Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   


Attention, le 31 mars 2007 sera un jour mémorable dans l'histoire de la FPMA, Il s'agit de son adhésion en tant que membre à part entière au sein de la Fédération Protestante de France. Depuis, elle était membre-associé comme toutes les églises d'origine étrangère : allemande, américaine et autres.

D.ANDRIANARIVO

Assemblée générale  2007
de la Fédération protestante de France

Les nouvelles adhésions

Au cours de cette Assemblée générale, les 72 délégués des Eglises et les 24 délégués des Communautés, institutions, œuvres et mouvements devront se prononcer sur l’entrée de trois nouveaux membres : une 23ème Eglise la FPMA, Eglise protestante malgache et deux autres associations, Horizons France et la Fraternité des Veilleurs.

La FPMA, Eglise protestante malgache
Dans toute la France, nombreuses sont les paroisses enrichies par la présence des protestants malgaches. Ce qu’on sait moins c’est l’existence d’une Eglise française d’origine malgache, la FPMA.  Forte de 34 paroisses et composées de 15 000 fidèles, son originalité est d’être une Eglise Unie, ses fidèles étant aussi bien luthériens que réformés, de par l’histoire du protestantisme à Madagascar. Le pasteur Ravalitera, président de la FPMA, explique que « si au départ la FPMA  n’était qu’une aumônerie, elle est aujourd’hui une Eglise autonome des Eglises de Madagascar. Elle doit se gérer et travailler avec les autres Eglises ». Il souligne que « tout en travaillant à  l’intégration, il est important de préserver la spiritualité et l’identité malgaches au sein de cette communauté. « C’est une demande des jeunes » soutient-il «  la culture malgache joue un très grand rôle dans la communauté, même si certains ne parlent que le français ». La FPMA bénéficierait d’une adhésion simplifiée et deviendrait la 23ème Eglise membre de la FPF dès le 31 mars

.Extrait :http://www.protestants.org/textes/articles/07-03-31-ag-adhesions.htm

 
Insurréction 1947 Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Administrator   
Madagascar va commémorer le 29 Mars 2007 le Soixantième anniversaire des "évènements de 1947". Sans entrer dans une polémique concernant, non seulement les origines de l'insurrection (MDRM, sociétés secrètes, autorité coloniale...) ni le nombre de morts (100 000 ou 20000 ou...), nous voulons partager avec vous cet article paru dans l'édition du Monde du 17 Mars 1997 (J.P Langellier).
Tohiny...
 
Fantatrao ve ny IPT? Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   
Ny IPT na Institut Protestant de Théologie ( 83 bd Arago, 75014 Paris) dia manokatra ny varavarany amin'ny Asabotsy 31 Mars 2007 izao.  Koa hasaina isika rehetra ho tonga amin'izany fotoana izany.
 
 
<< Début < Précédente 21 22 23 24 25 26 27 28 29 Suivante > Fin >>

Résultats 241 - 250 sur 287
 
Joomla Templates by Joomlashack