A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga039.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Vaovao
Vaovao
FJKM Amparibe Famonjena : Ankany RAINIMAMONJY Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

FANOKANANA NY AKANY RAINIMAMONJY

"Eny ampitoery aminay ny asan'ny tànanay, Eny, ny asan'ny tànanay, ampitoery izy" Salamo 90:17

Andro ho tsarovana ao amin'ny tantaran'ny Fiangonan' Amparibe ny andro anio nanokanana ny Akany Rainimamonjy. Vita soa aman-tsara ny trano ary tanteraka ny tenin'ny Mpanao Salamo hoe "Raha tsy Jehovah no manao ny trano dia miasa foana ny mpanao azy" Sal.117:10. Ny Filohan'ny FJKM, ny Mpitandrina Rasendrahasina Lala Haja, no nanatanteraka ny fanokanana niaraka tamin'ny solontenan'ny Synodam-paritany, ny Fokontany sy ireo vahiny nasaina.Ny Mpitandrina Ramino Paul no nitarika ny fanompoam-pivavahana ary ny Filohan'ny FJKM no nitory ny tenin' Andriamanitra. Noho ny maha-Alahadin'ny Sampana Mpiangaly Zavamaneno (SMZM) ny andro dia izy ireo no nitari-bavaka sy namaky ny tenin'ny Soratra Masina.Ny mpitendry zava-manenon'ny Sampana no nanafana ny fotoana. Ny hafatra nentin'ny Mpitandrina Rasendrahasina dia noraisiny avy amin'ny Salamo 90:17.Inona no anton'izany teny hafatrafatra izany ? Maro ny nanjo ny zanak'Israely ary nahatsiaro nivezivezy loatra izy nandritra ny 40 taona ka tiany hipetraka ny asa hataony. Ny asa dia misy mpanao fa ny fahafahana manao sy manatanteraka ny asa dia eo am-pelatanan'Andriamanitra. Manana fahasahiana ny vahoakan'Andriamanitra manao izany teny fiangaviana izany

Tsahivina fa tamin'ny 16 septambra 199, ivon'ny fankalazana ny faha-130 taonan'ny Fiangonana, no nametrahana ny vato fehizoron'ny Akany Rainimamonjy izay ho tsangambaton'io fankalazana io. Zavatra efatra no nokendrena tamin'ny fanorenana io Akany io dia ho fanabeazana ny mpianakavin'ny finoana,ho fijoroana vavolombelona eto amin'ny fokontany sy ny manodidina ka hanaovana asa sosialy, ho fandraisam-bahiny ary ho loharanom-bola maharitry ny Fiangonana hitoriana ny Filazantsara. Raha 900 millions fmg no vinavina tamin'ny hanamboarana azy tamin'ny 1991 dia 1.945.138.241fmg no tena lany nanaovana azy. Nisy ny fanolorana maripakasitrahana ireo mpikambana nandalo tao amin'ny Komity hatramin'izay nataon'ny Mpitandrina sy ny Filoha Rajaofetra Adeline sy ny tatitra nataon'ny Filoha Lefitra Ratovelomanana René. Mbola ho hitanao eto amin'ny fotoana manaraka ny tatitra feno momba ny Akany. Teo am-piravana dia nozaraina mofo mamy avokoa ny mpiara-miangona.

Ny 21 oktobra 2007
site : http://amparibe.famonjena.free.fr/

 
FJKM IKIANJASOA RASALAMA: Tantara Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

TANTARAN’I FIANGONANA FJKM IKIANJASOA RASALAMA FIANARANTSOA

Rehefa nitsahatra ny fanenjehana nivaivay nampiharin-dRanavalona I tamin’ny fivavahana Kristiana , dia niverina teto Madagasikara indray ny misionera , ary afaka nanao ny asany tamin-kahalalahana. Maro rahateo ny fiangonana niorina tany amin’ny faritra samy hafa vokatry ny fivondronana’ireo Kristiana nandositra ny fanenjehana . Isan’izany ny teto Betsileo.

Tohiny...
 
MATSIATRASOA : FJKM IKIANJASOA RASALAMA Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Fiangonan’ i Jesoa Kristy eto Madagasikara
Synodamparitany Matsiatrasoa ( 25 )
IKIANJASOA RASALAMA

Ho an ‘ ny Zanakampielezana
FJKM IKIANJASOA RASALAMA
FIANARANTSOA

ANTONY : FAHA – 130 TAONA

Ry havana ,

Ampitomboina ho aminareo mandrakariva anie ny fahasoavan ‘ny Tompo .

Amin ‘ ny Fifaliana mandrakariva no hiarahabana antsika taiza sy zanaky ny Fiangonana any ampielezana . Araka ny efa fantantsika dia dia ity taona 2007 ity no ankalazan ‘ny Fiangonana ny faha – 130 taonany , Efa fantantsika rahateo ny fandaharam – potoana amin ‘ izany fa ny 23 Desambra no hanaovana ny famaranana ny fankalazana . Ao anatin ‘izany no heverina hanokanana ireo asa rehetra nokinasa hotanterahana :
- ny fanavaozana ny tilikambo ,
- ny fanaovana ny dallage ho carreaux ,
- ny fanatsarana ny trano amin ‘ ny alalan ‘ ny fanoloana ireo biriky efa lo ,
- ny fanavaozana ny tohatra miakatra any ambony rihana ho beton ( izay efa vita tanteraka ) ;
- ary raha tàhiny ka tratra dia sitraka indrindra ny mba hisian ‘ ny tamboho manodidina ny fiangonana mba hampisy ny “ securité “.
Manoloana ny fankalazana tahaka izao dia tsiahivina mpandrakariva ny tantara , koa indro atolotray anareo izay efa voaomana, miaraka amin ‘ny sarin ‘ ny fiangonana ankehitriny . Marihinay fa tsy ny feno akory io tantara io , satria mbola mety hisy ny fanintsiana azo atao , noho ny tsy fahampian ‘ ny eo ampelan – tanana , ary izany indrindra koa no iangaviana antsika rehetra mba hifanolon-tsina raha misy izay azonareo ambara amin ‘ izany . Ary raha sanatria misy ny lesoka tokony harenina ( izay zava – dehibe tokony hambara ; ny anaran ‘ ireo ray aman-dreny tsy tafiditra ao ) dia aza misalasala milaza izany aminay , fa vonona handray izay fanintsiana rehetra izahay .

Dia mirary ny fiadanan ‘ ny Tompo ho amintsika mandrakariva

Fianarantsoa faha-29 jona 2007
Ny Mpitandrina ANDRIAMAMPIANINA Josoa Valison
Sy ny Komitin ‘ ny faha – 130 Taona , ary ny Fiangonana manontolo .

Raha te hamaly izao antso izao ianao dia alefaso Cet e-mail est protégé contre les robots collecteurs de mails, votre navigateur doit accepter le Javascript pour le voir

 
50 taona : FPMA AIX MARSEILLE Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   
F A N K A L A Z A N A  NY   F A H A    50   T A O N A  N ' NY    T A F O    F. P . M . A     AIX- MARSEILLE


"Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo Andrimanitra Tsitoha ; mahitsy sy marina ny làlanao, ry Mpanjaka mandrakizay.Iza no tsy hatahotra ? ary iza no tsy hankalaza ny Anaranao, Tompo ô?
Fa Ianao ihany no masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; fa efa naharihary ny fitsarana marina ataonao".(Apo.15: 3,4)

Fifaliana ho an'ny Mpitandrina, sy ny mpiandraikitra ary ny Fiangonana iray manontolo Tafo Aix-Marseille ny manasa antsika rehetra hiara hankalaza ny faha 50 taonan' ny nihorenany, .Ny fanokafana izany fankalazana izany dia atao ny

Asabotsy faha 20 oktobra 2007
ao amin'ny Salle des fêtes PUYRICARD,
avenue Jean Orsini ,
miaraka amin'ny DINER - THEATRE : faha 170 taona nandefonana
an-dRASALAMA Maritiora.Ny fotoana dia manomboka amin'ny 20h00.


Ny fandraisana anjara amin'izany :

Adultes 20€ ,
Enfant/Etudiant : 10€

.Manantena ny fahatongavantsika maro.

Dia ho an'Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra

Amin'ny anaran'ny Komitin'ny Tafo Aix-Marseille


Ny Filoha
 
Charles Rakotoniaina
Cet e-mail est protégé contre les robots collecteurs de mails, votre navigateur doit accepter le Javascript pour le voir
09/10/2007
 
FPF : projet de loi sur l'immigration Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   
 


Communiqué de la Fédération protestante de France à propos du projet de loi sur l'immigration



Les questions que soulèvent les migrations interrogent une fois de plus nos sociétés à l’occasion de la discussion d’un nouveau projet de loi présenté au Parlement.   


Dans son esprit, comme dans son contenu, le texte qui vient d’être adopté ces derniers jours à l’Assemblée nationale et qui sera présenté dans les tout prochains jours au Sénat soulève plusieurs questions de principe qui ne peuvent laisser les Églises indifférentes :


C’est tout d’abord la volonté affirmée par le ministre de l’Immigration, de l’Intégration et de l’Identité nationale, comme par les membres de sa majorité, de réduire l’immigration familiale au profit d’une immigration économique. Si nous comprenons le souhait du gouvernement de mieux adapter l’immigration aux besoins et à la capacité d’accueil du pays, il ne nous paraît ni convenable ni conforme à nos valeurs chrétiennes de vouloir contingenter l’exercice du droit des étrangers à vivre avec leur famille. Nous craignons que les mesures envisagées viennent encore plus fragiliser des milliers de familles déjà en difficulté. 


C’est l’instauration d’un test génétique aux fins de vérification ou d’authentification des membres d’une famille. Cette intrusion dans la vie privée et l’intimité des familles nous choque, tout comme il est choquant de constater que la représentation nationale accepterait une telle intrusion dans la vie des familles étrangères alors qu’elle le prohibe à l’égard des familles françaises. 


C’est aussi la réduction de moitié du délai pour que les demandeurs d’asile puissent saisir la commission des recours des réfugiés, mesure dont la portée concrète risque fort de réduire à bien peu ce droit d’appel essentiel pour des réfugiés qui ont fui et sollicitent la protection de la France. Nous ne pouvons oublier, à cet égard, la promesse que l’État nous avait faite, en avril 2006, de ne pas modifier négativement ce délai. 


C’est encore l’amendement qui prévoit d’exclure les personnes sans papiers de la possibilité de se maintenir dans les structures d’hébergement d’urgence. Pour nos Églises, la protection et l’assistance à apporter aux plus pauvres ne peuvent tolérer aucune discrimination. 


Les risques de fragilisation accrue des familles étrangères et des demandeurs d’asile ne peuvent laisser les chrétiens sans réaction. C’est pourquoi nous invitons les parlementaires à porter dans leurs débats et votes à venir la plus grande attention au respect et à l’attention que chaque personne et chaque famille pourront, ou non, recevoir du fait des mesures qu’ils s’apprêtent à adopter. 


La Fédérationprotestante de France invite, quant à elle, les Églises membres de la Fédération protestante et les mouvements qui leur sont proches à veiller aux conditions d’accueil, de protection et d’accompagnement des migrants. Elle s’attachera à ce que, dans un contexte souvent marqué par la méfiance, les valeurs d’humanité, de confiance et d’intégration, prédominent dans notre pays. 


Fédération protestante deFrance

Avec

Le Centre d'Action Sociale Protestant – CASP

La Cimade

La Fédération de l’Entraide Protestante

La Fondation de l’Armée du Salut

La Mission PopulaireÉvangélique de France

tire du http://www.fep.asso.fr/newsletter/news.php

 
Dr RAVALITERA : Fisaorana tamin'ny Jobily Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Antony : Fisaorana sy Fankasitrahana          

         Ho aminareo anie, ry havana, ny fahasoavana sy ny Fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo !    

         Ny Filoha Synodaly mivady, Pasteur Jean ANDRIAMAROHASINA RAVALITERA, sy ny fianakaviany, faly teo anatrehan’ny fanehoam-pitiavana sy fanohanana nasehonareo, niombona taminay niara-nankalaza sy nisaotra an’Andriamanitra. Tsy àry ho voatanisa antsimpirihany avokoa ianareo rehetra nisahirana sy nikarakara ary nanotrona anay mianakavy tamin’ny fiaraha-mifaly noho ny nahatrarany ny faha-30 taona nitoriana ny Filazantsara sy ny faha-30 taonan’ny fanambadiana, fa akambanay ny fisaorana sy fankasitrahana anareo rehetra.

           Tena nahatsiaro ho henin-kaja sy henim-boninahitra tokoa izahay ka misaotra sy mankasitraka anareo rehetra. Faly dia faly ny fo, ka tsy hitanay izay teny ampy ho entina manambara feno ny fankasitrahanay. Andriamanitra Tompon’ny asa efa niantso anay ho amin’ny fanompoana Azy ary nitahy anay nandritra izay telopolo taona lasa izay anie homba sy hamaly fitia anareo rehetra.  Indraminay ny tenin’ny apostoly Paoly, ao amin’ny Efesiana 3, 8-10,14-20,  hoe :

«Eny, izaho, izay kely noho ny kely  indrindra amin’ny olona masina rehetra, no nomena izao fahasoavana izao, dia ny hitory amin’ny jentilisa ny haren’i Kristy tsy hita lany, ary ny hampahazava ny olona rehetra mba hahalalany izay fitondrana ny zava-miafina, dia ilay voafina hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao tao amin’Andriamanitra, Izay nanao ny zavatra rehetra… Ary noho izany no andohalehako amin’ny Ray, Izay ahazoan’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy ety an-tany anarana, mba homeny anareo, araka ny haren’ny voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin’ny Fanahiny ny toe-panahinareo; mba hitoeran’I Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin’ny fitiavana ianareo…  Ary ho an’Izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika, ho Azy anie ny voninahitra ao amin’ny fiangonana sy ao amin’i Kristy Jesoa hatramin’ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena»

             Manonona ny Fiadanan’ny Tompo ho anareo rehetra, ary mametraka anareo ho eo ambany fitahian’ny Tompontsika Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana  mandrakariva.

                                                            Ny Filoha Synodaly, Filohan’ny FPMA, sy ny fianakaviany  

                                                                                       Rev. Dr Jean A. RAVALITERA


 
<< Début < Précédente 21 22 23 24 25 26 27 28 29 Suivante > Fin >>

Résultats 201 - 210 sur 287
 
Joomla Templates by Joomlashack