A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga012.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Vaovao
Vaovao
Nos ainés en France Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Paul Ramalalo, tiatilleur malgache

Tirailleur_Malgache_05112010_04

 

Tirailleurs malgaches

J'ai connu un soldat malgache dans les circonstances suivantes : "Nous avions reçu, vers 1945-46, un Malgache que ma soeur avait adopté comme filleul de guerre, c'était alors la mode. Paul Ramalalo était un grand paysan du sud qui avait dû être robuste. Kidnappé par notre glorieuse armée afin de grossir ses rangs, il vint bravement en France défendre la Liberté et la Civilisation, fut fait prisonnier en 1940 et passa avec ses compatriotes cinq années épouvantables dans un stalag réservé aux troupes coloniales.

Obligés de les relâcher au moment de leur débâcle, les Allemands alignèrent ces sous-hommes et les mitraillèrent. Laissé pour mort, Paul eut pourtant la vie sauve : deux balles lui avaient traversé l'épaule.
Nous allions le dimanche, vers onze heures, le chercher à l'hôpital Saint-Joseph ; il enveloppait avec une lenteur infinie ses longues jambes dans les bandes molletières réglementaires et venait passer l'après-midi chez nous. Il nous parlait de ses buffles qu'il avait hâte de revoir, et des redoutables «Zoulas» ou «Djoulas» (Dioulas ?) les bandits cachés dans la forêt.
Après son départ, nous avons perdu tout contact : comme il n'avait pas répondu à une lettre, nos parents demandèrent à un jeune couple de nos clients, qui avaient des relations dans la Grande Île, de retrouver sa trace ; après enquête, ils leur expliquèrent qu'il était inutile de chercher à le joindre. En fait, il arriva dans l'Île Rouge pendant la sanglante répression coloniale qui fit 100.000 morts (on s'en prenait tout particulièrement aux anciens soldats, réputés dangereux) de mars 1947 à 1948." (Extrait du site temoingaulois.fr)
Pensez-vous que je pourrais retrouver sa trace ?
Merci pour votre blog.

René Collinot
http://etudescoloniales.canalblog.com

 
Pasitera Rakotonirainy ary ny ortodoxa Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Nandalo teto La Réunion ny Père Higoumène Barsanuphe, moine ortodoksa frantsay.

Ny Ortodoksa dia kristiana, mitovitovy amin’ny Katolika, amin’ny fombafombany, amin’ny ankapobeny. Ny mampiavaka azy amin’ny Katolika dia ny Pape, satria izy dia tsy manaiky ny fahefan’ny Vatican, fa manana karazana Pape, isaky ny tany, na faritany . Ny mpitondra fivavahana ao aminy dia manambady, ary ny ortodoksa no anisan’ny maro indrindra amin’ny fianakaviamben’ny Kristiana eran-tany, saika ny avy amin’ny tany eropeana tatsinanana no be ortodoksa : Rosia, Biolgaria, Hongria sns.

Ny Père Higoumène Barsanuphe dia miezaka mampihaona ny mpivavaka samy hafa, mba hahatonga fifanajana ao amin’ny samy mpivavaka ka hanorina fiaraha-monina anjakan’ny fandriampahalemana eran-tany.

Filoha Lefitry ny Conférence Mondiale des Religions pour la Paix izy.

Tamin’ny harivan’ny Alakamisy 11 Aogositra 2011 teo, dia nanomana fihaonana ho an’ny mpivavaka samy hafa, teto La Réunion izy, ka tao amin’ny Ashram du Port, toeram-pivavahan’ny Hindou no nanaovana izany.

Anisan’ny nasainy tamin’io fihaonana io aho.

Talohan’ny tena fihaonana dia nangatahan’ny Père Higoumène Barsanuphe aho, halain-tsary sy ho raisim-peo ka hilazalaza ny amiko sy ny asako. Tokony ho natao ny omaly Alarobia 10 Aogositra 2011, tao an-tokantranonay io fakan-tsary sy fandraisam-peo ahy io, saingy tsy tanteraka noho izy voatana tany antoeran-kafa ka tsy afa-nanoatra .

Ny Filohan’ny « Groupe de dialogue inter-religieux » eto La Réunion, Idriss Issop Banian, no nanome azy ny momba ahy rehetra : telefaonina, adiresy an-trano mazava. Mpikambana amin’ny « Groupe de dialogue inter-religieux » eto La Réunion, aho, nanomboka tamin’ny 2001.

Tsy izaho ihany fa maro tamin’ireo mpikambana ao amin’ny « Groupe de dialogue inter-religieux » no nalaina sary sy noraisim-peo talohako. Araka ny fanazavana nataon’ny Père Higoumène Barsanuphe, dia hasehony any amin’ny tany rehetra halehany, ny modelin’ny fiaraha-monin’ny samy mpivavaka eto La Réunion, izay heveriny manokana fa tokony halain-tahaka.

Tamin’ilay fandraisampeo natao tamiko manokana dia niezaka aho nanazava fa matoa aho nanaiky ho aty La Réunion, hitondra ny Fiangonana FPMA, dia fanohizana izay nataoko tamin’ny FFKM, tany Madagasikara ihany izany.

Nohazavaiko fa Tonia (Secrétaire général) tao amin’ny FFKM aho. Ny FFKM dia fiombonan’ireo Fiangonana efatra : Katolika Romana, Anglikana, Loterana ary FJKM. Izany fiombonana izany dia niainana ny antsoina hoe “Ekiomenisma” tamin’ireo Fiangonana malagasy efatra, samy nanana ny maha-izy azy.

Ka ny FPMA (Fiangonana Protestanta Malagasy Aty Andafy) dia fampiraisana aty andafy ireo zanaky ny Malagasy avy amin’ny Fiangonana Loterana sy FJKM. Mbola “Ekiomenisma” , araka izay ninoako tao amin’ny FFKM no iainako ato amin’ny FPMA, na dia somary voafetra ihany aza.

Ny antsoina hoe “Ekiomenisma”, raha eo amin’ny samy Kristiana, dia ny ezaka ifanatonan’ny samy mpanaraka an’i Kristy. Ny foto-teny dia ny teny grika hoe “oikoumene”, ka ny dikany dia “tany onenana”(la terre habitée). Izany hoe ny “Ekiomenisma” dia ezaka hahatonga ny “tany onenena” ho tany iainan’ny Mpanaraka an’i Kristy rehetra, miara-monina amin’ny fifanajana sy ny fandriampahalemana.

Rehefa tonga teto La Réunion aho dia miova kely ny fiheverako ny “Ekiomenisma” sy ny tanjona kendreny, ka tsy ny samy Kristiana ihany fa izao tontolo izao, misy karazam-pivavahana samihafa sy ny fokom-pirenena rehetra no hampanjariana ho “tany onenan’Andriamanitra”. Izany rahateo no inoako fa ambaran’ny Apokalypsy 7 : 9 – 17.

Nasiako teny koa ny andraikitry ny “Ray aman-dreny” (Sady Ray no Reny) noraisin’ny FFKM teo amin’ny firenena tany Madagasikara. Nitana ny sain’ny Père Higoumène Barsanuphe fatratra izany ka nohazavaiko fa amin’ny Malagasy, ny Fiangonana, raha mitambatra fa tsy misaratsaraka, dia ataon’ny fiarahamonina ho isan’ny Ray aman-dreny, atsangany ho fototry (référence morale) iankinan’ny fihavanan’ny mpianakavy. Ny fahendren’ny Fiangonana amin’izay dia tsy manelingelina ny laicité-n’ny Fanjakana fa miaro ny maha an’ny rehetra ny Fanjakana (équité de l’Etat).

Naharitra fahefatradiny teo ny fakana sary sy feo ahy.

Rehefa tonga ny ankamaroan’olona nasaina, tokony ho dimampolo (50), dia nanomboka ny fotoana tamin’ny 6 ora mahery kely.

Marihina fa izay rehetra miditra ao amin’ny Ashram dia manala kiraro; samy nanaja izany avokoa ny olona nasaina rehetra.

Ny Père Higoumène no nandray fitenenenana voalohany, ka nohazavainy lavalava ihany ny zava-kendreny : hampiorina ny fandriampahalemana eran-tany, amin’ny alalan’ny fampifandraisana ny fivavahana samihafa. Aminy dia faka tahaka ny ataon’ny « Groupe de dialogue inter-religieux » eto La Réunion.

Rehefa vita ny teniny, dia nantsoiny hanana anjara fitenenana ny olona izay noheveriny fa tokony hanan-kambara.

Nantsoiny anarana arakaraka ny alfabeta ireo olona notsongaina ireo ka nanomboka izany ny Eveka Katolika eto La Réunion, Mgr Gilbert Aubry. Nafonja ny teniny. Tsy hindou izy, tsy silamo, fa Kristiana miara-monina sy miara-miaina amin’ny olona samy manana ny fivavahany. Tsy mampaninona azy izany fiaraha-miaina izany fa misy teny telo iorenany. Samy tenin’ny Tompo ireo, dia ny hoe : “Aloavy ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra”(Matio 12:17; Lioka 20 : 25), “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana, tsy misy mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alàlako” (Jaona 14 : 6), “Ao an-tranon’ny Raiko, misy fitoerana maro ” (Jaona 14 : 2). Ireo, hoy ny Evekan’ny La Réunion, no iorenako amin’ny maha-Kristiana ahy ka mahatonga ahy hazoto hitondra ny anjara birikiko, eo amin’ny fiaraha-miaina (vivre ensemble) ao anatin’ny fahasamihafana, amin’ny mponina efa mifangaro sy mifampiditra ara-pihaviana (métissage) eto amin’ity nosy ity.

Nandimby ny Mgr Gilbert Aubry, ny avy amin’ny Mpanaraka an’i Conficius (sinoa), ny avy amin’ny Tamoul sy Hindou, nisy pretra boudhiste tibetana avy any Katmandou, tonga tao ary nadika teny. Tao koa ny avy amin’ny Bahai’ye, ny avy amin’ny Silamo. Somary vitsivitsy ny Silamo noho ny ramadany.

Teo amin’ny fahafolon’ny nantsoany hiteny aho.

Ny nambarako tamin’izany dia ny maha-Kristiana Protestanta malagasy ahy. Raha tonga teto amin’ity Nosy ity aho, dia tsy nanadino fa Malagasy no anisan’ny mponina voalohany teto. Mahatsiaro ho toy ny any amin’ny taniko ihany aho eto, ary izany no antony anankiray mahatonga ahy ho isan’ny “Groupe de dialogue inter-religieux”, hijoroako amin’ny maha-kristiana, ifandraisako amin’ireo mpivavaka hafa, amin’ny fifanajana noho ny razana iombonana, sy noho ny maha-samy zanak’Andriamanitra.

Tsy nohadinoiko ny nilaza fa isaky ny Zoma hariva ato amin’ny FPMA, dia misy fiaraha-mandinika Soratra Masina sy fiaraha-mivavaka, ka ho tantaraiko ao izao fihaonana izao, mba hahatsiarovana fa azon’ny olona samy manana ny fivavahany atao ny miara-monina sy mifandray, hanorina fiaraha-monina hitondrana ny haren’ny samy olombelona. Ilaina ny hananana toe-tsain’ny “ekiomenisme”, ka na dia mitana ny finoan’ny tena aza, dia afaka amin’ny fahateren-tsaina (fanatisme), satria mamantatra ny finoan’ny hafa sy manaja izany fa tsy mitsara azy.

Mbola nisy olona telo (3) niteny taorianako.

Ny namarana dia ny tompon-trano nandray ny fihaonana, ny Swami Advayananda, pretra hindou, nisaotra ny Père Higoumène sy ny mpanatrika rehetra.

Tamin’ny 8 ora latsaka kely no nifarana ny fihaonana, tamin’ny fifandraisan-tànana sy ny fifampîarahabana vokatry ny fo.

Pasteur Josoa Rakotonirainy

Natao tamin’ny fiaraha-mandinika Sotatra Masina sy Fiaraha-mivavaka, teto Le Port, ny Zoma 12 Aogositra 2011, Fpma La Réunion.

 
Manahirana ! ! ! Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Nalaina tao amin'ny gazety lakroa ity lahatsoratra ity
Manahirana ny kristianina sy miteraka fijery sadasada ny mahita mpitondra fiangonana (pretra, eveka, relijiozy) manao politika, fa indrindra manana fironana amina antoko politika. Misy indray ireo mihevitra fa tokony hirotsaka eo amin’ny sehatra politika izy ireo noho ny tsy fahombiazan’ny lahika. Ahoana ny tantara momba izany?

Toa hafahafa ihany izany mahita mpitondra fivavahana katolika miditra amin’ny sehatra politika na fitondram-panjakana izany. Misy ny mety hanaiky, mety maro ihany koa no tsy hankasitraka. Raha ny tantara no itodihana dia tsy zava-baovao firy ny fifampidirana na fifangaroan’ny fitondram-piangonana sy ny raharaham-panjakana. Nanomboka tamin’ny taon-jato faha-4 (taona 313) naneken’ny Emperora Constantin ho “fivavaham-panjakana” ny finoana katolika no nanombohan’izy io. Tsy hidirana ny antsipiriany fa singa vitsy fotsiny no tiana asongadina: tamin’ny taona 800, ohatra, dia ny papa Léon faha-3 no nametraka ny satroboninahitra maha-emperora an’i Charlemagne. Ny kardinaly Richelieu dia efa ministra lehibe tamin’ny andron’ny mpanjaka Louis faha-13 tao Frantsa ny taona 1624. Voalaza moa fa nahomby ny fitantanana nataony. Tsara ihany koa ny mampatsiahy fa ny papa dia filoha faratampony tamina fanjakana vitsivitsy tany Italia (Etats pontificaux), izay tsy nifarana raha tsy tamin’ny taona 1870.
Taonjato faha-20
 Toa efa tantara nivalona izany fifangaroana izany saingy miseho amin’ny fomba hafa taty aoriana. Tany Amerika avaratra ohatra dia nisy pretra zezoita iray Robert Drinan (1920-2007) voafidy ho “depiote” tao amin’ny kongresy amerikanina avy amin’ny antoko demokraty. Nifidy ny fampiatoana ny filoha Richard Nixon izy noho ity farany tsy nanara-dalana fa nandaroka baomba miafina an’i Kambodza. Nanana anjara toerana lehibe izy tao amin’ny kongresy tamin’ny fanadihadiana ireo heloka nataon’ny filoha Nixon. Anisan’ny nitsekeran’ny mpitondra fiangonana katolika azy ny fomba fijeriny momba ny fanalan-jaza : andaniny, notohanany amin’ny maha-lalàna azy ny fanalan-jaza, etsy ankilany anefa, notoheriny fa tsy ara-moraly io fomba io. Ny taratasin’ny Papa Joany Paoly faha-2 tamin’ny taona 1980 no nandrara azy tsy hilatsaka ho fidina intsony. Tantara tsy fanadino ihany koa ny tany Nikaragoà (Amerika afovoany) izay nahitana fihetseham-bahoaka notronin’ny mpitondra fivavahana katolika. Fihetsiketseham-bahoaka notarihan’ny Sandinista izay nentina handravana ny rafi-panjakana jadona sy tsy refesi-mandidin-dry Somoza. Tsaroana fa nisy pretra 6 tao amin’ny governemanta sandinista izay nasain’ny Papa Joany Paoly Faharoa niala tao. Tany amin’iny faritry Amerika Latinina iny moa no nahaterahan’ny teolojiam-pahafahana (théologie de la liberation) tamin’ny taona 1960-1970. Nampizarazara ny fiangonana ny toe-javatra ara-politika. Etsy andaniny, ny vahoaka mahantra notronin’ny pretra maro, etsy ankilany misy eveka niandany tamin’ny fitondrana eo an-toerana. Tsaroana  i Bertrand Aristide, filohan’i Haïti, izay voafidy hitondra ity firenena kely ity tamin’ny taona 1990, 1994, 2000. Niala tamin’ny maha-pretra salezianina azy izy mba ahafahany hilatsaka ho filoham-pirenena. Tsy nahomby loatra ny fitondrany fa nanjakan’ny krizy politika isan-karazany.
Raha ny teto amintsika no jerena dia tamin’ny Repoblika voalohany (1960—1972) no nahitana pretra katolika nitana toerana politika. Tao ry mompera Job Rajobelina, pretra zezoita izay senatera sy ry mompera Alfred (diosezianina), izay voafidy ho solombavambahoaka tany amin’ny faritr’i Miarinarivo. Mety ho tadidin’ny maro ihany koa Itompokolahy Jacques Couture, pretra zezoita kanadianina izay niasa teny Andohatapenaka (Antananarivo). Efa minisitry ny raharaham-bahoaka tany Quebec (Canada) izy talohan’ny nahatongavany taty Madagasikara. Voatery nametra-pialana tao amin’ny zezoita izy saingy nangataka niverina tao indray rehefa vita ny asa naha-ministra azy. Maro ny mety mahatsapa fa tsy nahomby loatra ny fitantanan-draharaha politika nataon’ny lahika eto Madagasikara. Tsy midika anefa izany fa ny mpitondra fivavahana no itoeran’ny vahaolana satria tsy asany mivantana izany. Mety hahomby izy ireo saingy mety hitondra fahavoazana iray lavaka ihany koa. Izany indrindra no naha-hentitra ny fiangonana. Mazava ny tenin’ny Konsily Vatikana Faharoa momba io (Gaudium et Spes, N° 76) izay mbola namafisin’ny Lalàn’ny Fiangonana (Droit Canon): “tsy mahazo mirotsaka mivantana amin’ny asa politika na asam-panjakana ny mpitondra fivavahana katolika” (Canon 285, § 3). Tsy adidiny mivantana izany, na dia mety misy aza ny antso samihafa manasa azy ireo hirotsaka. Ny fiangonana hafa (protestanta, anglikanina, sns.) moa dia mety manana lalàna hafa momba io resaka io ka tsy hidirana lalina.

Mamy Evariste Rakotondrazanany
http://www.lakroa.mg
 
FFPM : Tonia vaovao Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Tohiny...
 
Ankaramalaza : 70 taona Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Tohiny...
 
Les frčres...... Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

3 juillet 2011- Égypte
PROTESTANT ET VICE-PRÉSIDENT DES FRÈRES MUSULMANS


Le nouveau parti des Frères musulmans, le Parti de la Justice et de la Liberté, a désigné son second vice-président : Rafik Habib, un intellectuel copte protestant, conseiller, voire "théoricien" de ces derniers.

Compagnon de route de longue date des Frères, engagé dans leurs diverses expressions politiques, Rafik Habib était membre du parti al-Wasat, un parti à référence musulmane formé en 1996 par un groupe de Frères musulmans et légalisé 15 ans plus tard.

Il joua un rôle déterminant dans la rédaction du programme politique des Frères en 2007 où il se distingue par son conservatisme, notamment en proposant que le processus législatif soit placé sous la supervision d'un haut conseil d'ulémas, une proposition qui suscita l'ire des libéraux, mais aussi les critiques d'une bonne partie des Frères.

Cette nomination de Rafik Habib consacre un cheminement de long terme auprès de l'islam politique égyptien, redoublé d'une influence croissante sur leur vision politique.

La relation entre Rafik Habib et le leadership les Frères n'est donc pas qu'instrumentale. Sa nomination à la direction politique du parti n'est pas mue par le seul besoin pour les Frères de trouver le copte de service et donner à faible coût des gages de citoyenneté. Elle est bien l'expression d'une vision partagée.

Pour comprendre les ressors profonds de la nomination de Habib, il faut donc se pencher sur le fond de sa pensée. Il avait donné, en octobre 2010, un long entretien à l'Institut Religioscope, singulièrement éclairant sur le cheminement intellectuel et les ressorts de l'engagement politique et religieux d'un intellectuel copte pro-islamiste au positionnement pas si paradoxal que cela.

La réflexion de Rafik Habib porte avant tout sur le devenir de l'État postcolonial et la sortie de l'autoritarisme dans la région. Cette sortie est par ailleurs indissociable d'une prise en compte du facteur religieux et identitaire. L'argumentaire est le suivant: le monde arabe a besoin d'une modernité politique endogène. Pour ce faire, il faut mettre en adéquation les régimes politiques et les valeurs centrales des sociétés de la région où domine le religieux.

D'un point de vue politique, il faut alors soutenir les mouvements qui portent en eux ce projet d'ajustement entre la dynamique de l'État et la culture des sociétés qu'ils régulent. Il en va de la légitimité de l'État, mais aussi du salut des chrétiens d'Orient.

C'est sur cette base que Rafik Habib soutient les Frères musulmans: ceux-ci ont, selon lui, le triple avantage d'être dans l'identitaire et la modération, tout en jouissant d'une formidable capacité de mobilisation dans l'ensemble des pays de la région. Ils portent donc en eux la possibilité de réconciliation entre la construction de l'État moderne et les sociétés qu'il encadre, et donc de résoudre le problème lancinant de la légitimité de l'État postcolonial, qui, trop centralisateur et laïcisant, s'est coupé de ses populations.

Réponse à la question de la légitimité de l'État moderne, l'islamisme modéré des Frères est, pour Rafik, le meilleur gage de protection des chrétiens d'Orient, car en tant que mouvement de renaissance d'inspiration religieuse, il est le rempart par excellence contre la grande menace qui plane sur les chrétiens d'Orient et d'ailleurs: non pas l'islamisation de la région, mais la sécularisation-occidentalisation du monde. (source : Religion.info)

 
<< Début < Précédente 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 Suivante > Fin >>

Résultats 11 - 20 sur 287
 
Joomla Templates by Joomlashack