A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga026.JPG

Firy


visiteurs depuis le 26 janvier 2006

Calendrier

« < Janvier 2012 > »
L M M J V S D
26 27 28 29 30 31 1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30 31 1 2 3 4 5

Radio Fpma

Tonga Soa
90 taona, arahaba ry Ilay nosoavina...
pasitera   

Ny gazety, Dinidiniky ny Mpinamana n°43 juillet-Août 1922, izay gazety voalohany nataon’ireo Malagasy miaramila izany na tsia tany Frantsa. Tamin’izany gazety izany no nahitana fa tamin’ny alahady 5 avril 1921 tao amin’ny Maison des missions, 102 boulevard Arago , Paris 14è no nivory ny fiaraha-mivavaka tao Paris sy ny tany Charenton ary ny avy any Vincennes izay tsy lavitra an’I Paris. Koa rehefa vita ny fanompoam-pivavahana izay notarihin’ Robinson, adjudant ary ny toriteny izay nentin’I M.Beaulieu, misionera miasa any Mahajanga

Tohiny...
 
Tonga soa Janoary 2012
pasitera   

« Fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy . Jao.1.17b

. Teny izay tsy vaovao amintsika ary tiana koa ny mba ampahatsiahivina amintsika amin’izao fiandohan’ny taona 2012 izao. Ny fahasoavana ary ny fahamarinana dia tsy misaraka ary tsy azo sarahina. Raha tonga tamin’I Mosesy tokoa mantsy ny lalàna na ireo fampianarana maro samihafa. Izany fampianarana izany dia voarakitra ao amin’ny boky dimy voalohany nosoratan’I Mosesy ao amin’ny Testamenta taloha. Voa tantara tamin’izany ny fiandohan’izao voahary rehetra izao, ny fahasimbany ary ny nanarenan’Andriamanitra azy.

Tohiny...
 
Fandaharana Janoary 2012
pasitera   

Alahady 8 janoary 2012 : ERF Dijon
2 ora hariva : Katekomena
3 ora hariva : Fanompoam-pivavahana Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo

5 ora harivana :Fisotroana Dite miaraka : gallette de roi


Alahady 22 janoary 2012 : FIARAHA-MIVAVAKA EKIOMENISMA eto Dijon
10h15': Fanompoam-pivavahana Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo.
mandray anjara ny Antokompihira
Fiarahana mandray vahiny miaraka amin'ny ERF Dijon amin'ny ERF ihany

Ny folak'andro : FPMA Dijon : ERF Dijon :Alahadin'ny Sampana Vehivavy SVK

3 ora hariva : Fanompoam-pivavahana tarihin'ny SVK Dijon

5 ora hariva :Fisotroana Dite miaraka

Alahady 29 janoary 2012 : Any amin'ny Katolika Ste Bernadette
11h : ny fanompoam-pivavahana
mandray anjara ny Antokompihira

Ny sekoly alahady dia misy isaky ny alahady iangonana
Ny fivoriana rehetra dia ao amin'ny fiangonana ERF Dijon , 14 boulevard de Brosses , 21000 Dijon

 
Manana ! !
pasitera   

..fa izay rehetra manana dia homena, ka hanambe izy; fa izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy ?. Mat.25.29

Miarahaba antsika tratr’izao alahady mialohan’ny farany taom-piangonana 2011 izao indray. Mariky ny famindrampon’Andriamanitra amintsika rehetra nohon’ny fitiavany antsika.

Ary raha ny teny izay novakiantsika tamin’ity andro anio ity dia milaza koa fa efa mifaram-parana ny fampianarana nataon’i Jesosy ary ny fandalovany tety an-tany. Koa , raha ny filazantsaran’i Matio no jerena dia misy fanontaniana 2 tiana ho jerena,

* Ahoana no fomba ijerena izao teny izao ?

* Fomba ahoana no hiainana azy ?

Tohiny...
 
Ny famindrampo...
pasitera   

 Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin’ny mpampijaly mamdrampandoany ny trosa rehetra. Ary tahaka izany koa no hataon’ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy hianareo. Mat.18.34-34

Ry havana malala,

Miarahaba antsika tratr’izao taona taompianarana vaovao 2011-2012 izao indray. Mariky ny famindrampon’Andriamanitra amintsika rehetra nohon’ny fitiavany antsika.Fotoana koa izay iaraha-mahalala fa ahatsiarovan'ny maro ny faha 10 taonan'ny zavatra nitranga tany Etazonia tamin'ny 2001.

Taona izay heverinay fa tokony hirosoantsika hatrany amin’ny fanarahana ny Tompo : mba tsy ho zaza intsony isika... fa mba haraka ny marina amin’ny fitiavana ka hotombo amin’ny zavatra rehetra ho amin’izay loha, dia i Kristy Efes.4.14-14.

Mbola mitohy hatrany koa anefa ny famakiana ny boky nosoratan’i Matio ka anio dia ny toko faha 18.

Tohiny...
 
Filohan'ny FPMA manafatra...
pasitera   

Ry havana malala ao amin’ny Tompo, 

Ho aminareo rehetra anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina !

«Efa imbetsaka ary tamin'ny fomba samihafa no nitenenan'Andriamanitra fahiny tamin'ny razantsika tamin'ny alalan'ireo mpaminany; fa amin'izao andro farany izao kosa dia tamin'ny alalan'ny Zanany no nitenenany tamintsika. Io Zanany io no naharian'Andriamanitra izao tontolo izao, ary notendreny koa ho mpandova ny zavatra rehetra» Hebreo 1, 1-2

Tohiny...
 
 
Joomla Templates by Joomlashack